Boky sy lesona
Toko 10: Soratra Masina


Toko 10

Soratra Masina

Sary
A Chinese woman sitting at a table with scriptures open in front of her. She is using a highlighter to mark them.

Manana Soratra Masina Isika Ankehitriny

  • Inona avy ireo fitahiana azontsika ankehitriny noho ny fahafahantsika mahita sy mamaky amin’ny fomba mora ny soratra masina?

Rehefa miteny na manoratra eo ambany fitarihan’ny Fanahy Masina ny mpanompon’ny Tompo dia lasa soratra masina ny tenin’izy ireo (jereo F&F 68:4). Efa hatrany am-piandohana ny Tompo no nandidy ny mpaminaniny hirakitra ny fanambarany sy ny fifandraisany amin’ny zanany. Hoy Izy hoe: “Mandidy ny olon-drehetra Aho, na any atsinanana, na any andrefana, na any avaratra, na any atsimo ary na any amin’ny nosin-dranomasina, hanoratany ny teny izay lazaiko azy; fa araka ny boky izay hosoratana no hitsarako izao tontolo izao, ny tsirairay araka ny asany avy, araka izay efa voasoratra” (2 Nefia 29:11).

Boky efatra no eken’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ho toy ny soratra masina: ny Baiboly, ny Bokin’i Môrmôna, ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ary ny Voahangy Lafo Vidy. Antsoina hoe soratra masina ankatoavin’ny Fiangonana ireo boky ireo. Raisina koa ho toy ny soratra masina ireo tenin’ny mpaminantsika velona izay mitaona fanahy.

Ny Baiboly

Ny Baiboly dia fitambaran’ny rakisoratra masina izay ahitana ny fanambaran’Andriamanitra ho an’ny olombelona. Nisahana taonjato maro ireo rakitsoratra ireo, ka nanomboka tamin’ny andron’i Adama izany hatrany amin’ny fotoana niainan’ny Apôstôlin’i Jesoa Kristy. Nosoratan’ny mpaminany maro izany, izay niaina nandritra ny vanimpotoana samihafa tao anatin’ny tantaran’izao tontolo izao.

Misy fizarana roa ny Baiboly: ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao. Faminaniana maro ao amin’ny Testamenta Taloha no manambara mialoha ny fiavian’ilay Mpamonjy sy Mpanavotra. Ny Testamenta Vaovao dia milaza momba ny fiainan’ny Mpamonjy sy Mpanavotra, dia i Jesoa Kristy izany. Izany koa dia miresaka momba ny fanorenana ny Fiangonany amin’izany fotoana izany. “Mino ny Baiboly ho tenin’Andriamanitra isika araka ny mahamarina ny dikanteny” (Fanekem-pinoana 1:8).

Nampivelatra ny fahatakarantsika ny andinin-tsoratra masina sasantsasany ao amin’ny Baiboly ny Tompo tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith. Notaomin’ny Tompo ny fanahin’ny Mpaminany Joseph mba hamerina ao amin’ny lahatsoratry ny Baiboly ireo fahamarinana izay efa very na novana hatramin’ny nanoratana voalohany ireo teny. Ireo fanitsiana natao avy amin’ny alalan’ny fitaomam-panahy ireo dia antsoina hoe ny fandikana ny Baiboly nataon’i Joseph Smith. Misy ampahany nofantenana avy amin’ny Dikantenin’i Joseph Smith ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina.

Ny Bokin’i Môrmôna

Ny Bokin’i Môrmôna dia rakitsoratra masina momba ny sasany tamin’ireo vahoaka niaina tany amin’ny kaontinanta Amerikana teo anelanelan’ny 2000 taona talohan’ny nahaterahan’i Jesoa Kristy ary 400 taona taorian’ny nahaterahany. Mirakitra ny fahafenoan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy izany (jereo F&F 20:9; 42:12; 135:3). Ny Bokin’i Môrmôna dia miresaka momba ny famangian’i Jesoa Kristy ny vahoaka tany Amerika fotoana fohy taorian’ny Fitsanganany tamin’ny maty.

Nandika ny Bokin’i Môrmôna tamin’ny teny Anglisy tamin’ny alalalan’ny fanomezam-pahasoavan’Andriamanitra sy ny heriny i Joseph Smith. Nilaza izy fa izany no “boky marina indrindra amin’ny boky rehetra eto an-tany sy vato ifaharan’ny fivavahantsika, ary hanatona bebe kokoa an’Andriamanitra ny olona amin’ny fanarahana ny fepetra ao anatiny toy izay ny ao anatin’ny boky hafa” (Teny fanolorana ny Bokin’i Môrmôna).

Nanampy antsika hahatakatra ny mahatonga ny Bokin’i Môrmôna ho vato ifaharan’ny fivavahantsika ny Filoha Ezra Taft Benson. Hoy izy hoe:

“Misy antony telo mahatonga ny Bokin’i Môrmôna ho vato ifaharan’ny fivavahantsika. Vato ifaharan’ny fijoroantsika ho vavolombelona momba an’i Kristy izany. Vato ifaharan’ny fotopampianarantsika izany. Vato ifaharan’ny fijoroantsika ho vavolombelona izany.

“Ny Bokin’i Môrmôna no vato ifaharan’ny fijoroantsika ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy, ary Izy dia vato ifaharan’ny zava-drehetra ataontsika koa. Mijoro ho vavolombelona mazava tsara sy amin-kery momba ny fisiany izany. …

“Mampivelatra ny fahatakarantsika ny fotopampianaran’ny famonjena [izany]. … Nosoratana ho an’izao androntsika izao … ny Bokin’i Môrmôna. … Ahitantsika ny fomba arahana mba hiomanana amin’ny Fiaviana Fanindroany ao anatin’[izany]. …

“… Ny Bokin’i Môrmôna dia mampianatra antsika ny fahamarinana [sy] mijoro ho vavolombelona momba an’i Kristy. … Saingy mbola misy zavatra hafa ankoatra izany. Misy hery ao anatin’ilay boky izay hanomboka hirotsaka ao amin’ny fiainanao raha vao manomboka mandalina tsara ny boky ianao. Hahita hery lehibe kokoa hanoherana ny fakam-panahy ianao. Hahita hery hisorohana ny fahadisoam-panantenana ianao. Hahita hery hijanonana eo amin’ilay lalana ety sy tery ianao. Antsoina hoe ‘tenin’ny fiainana’ ny soratra masina ary tena marina kokoa izany raha ho an’ny Bokin’i Môrmôna mihoatra noho ny boky hafa. … ‘Tokony handalina izany boky izany mandritra ny fiainany ny Olomasin’ny Andro Farany rehetra’” (ao amin’ny Tatitry ny Fiangonana, Ôkt. 1986, 4–7; na Ensign, Nôv. 1986, 5–7; findramana ny tenin’i Marion G. Romney, ao amin’ny Tatitry ny Fihaonambe, Apr. 1980, 90; na Ensign, Mey 1980, 67).

Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana

Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana dia ny fitambaran’ireo fanambarana maoderina. Ao amin’ny fizarana 1 ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana dia manambara ny Tompo fa ny boky dia navoaka ho an’ny mponin’izao tontolo izao mba hanomanana azy ireo amin’ny Fiaviany:

“Koa mandeha hatrany am-paran’ny tany ny feon’ny Tompo, mba handre izay rehetra te handre:

“Miomana ianareo, miomana ianareo ho amin’izay ho avy, fa efa akaiky ny Tompo” (F&F 1:11–12).

Izany boky izany dia ahitana ireo fanambarana momba ny Fiangonan’i Jesoa Kristy izay efa naverina tamin’ny laoniny amin’izao andro farany izao. Fizarana maro ao amin’ny boky no manazava ny lamin’ny Fiangonana ary mamaritra ireo anjara fanompoana ao amin’ny fisoronana sy ny andraikiny. Ny fizarana hafa toy ny fizarana76 sy 88, dia ahitana ireo fahamarinana lehibe izay very teto an-tany an-jato taonany maro. Mbola misy hafa koa toy ny fizarana 29 sy 93, izay mitondra fanazavana momba ny fampianarana ao amin’ny Baiboly. Ankoatra izany, dia misy fizarana sasany toy ny fizarana 133, izay ahitana ireo faminaniana ny zavatra hiseho amin’ny hoavy. Nandidy antsika Andriamanitra mba handalina ny fanambarany ao anatin’ity boky ity: “Diniho ireto didy ireto, fa marina ireo sady mahatoky, ary ny faminaniana sy ny fampanantenana izay ao anatiny dia ho tanteraka avokoa” (F&F 1:37).

Ny Voahangy Lafo Vidy

Ny Voahangy Lafo Vidy dia ahitana ny bokin’i Mosesy, ny bokin’i Abrahama ary ny asa soratr’i Joseph Smith sasantsasany izay feno fitaomam-panahy. Ny bokin’i Mosesy dia ahitana ny tantaran’ny sasany tamin’ireo fahitana sy ny asa soratr’i Mosesy izay nambara tamin’ny Mpaminany Joseph Smith. Manazava ireo fotopampianarana sy fampianarana izay very tao anatin’ny Baiboly izany ary manome fampahalalana fanampiny momba ny Fahariana ny tany.

Ny bokin’i Abrahama dia nadikan’ny Mpaminany Joseph Smith avy tamin’ny horonan-taratasy papirosy avy tany amin’ireo zohim-pasan’i Egyptiana. Izany boky izany dia ahitana fampahalalana manan-danja momba ny Fahariana, ny filazantsara, ny toetran’Andriamanitra ary ny fisoronana.

Ny asa soratr’i Joseph Smith dia ahitana sombin’ny fandikana ny Baiboly izay mitaona fanahy nataon’i Joseph Smith sy ilay fantina avy amin’ny Tantaran’ny Fiangonana izay nosoratany, ary ny Fanekem-pinoana.

  • Inona avy ireo tantara sasantsasany avy ao amin’ny soratra masina izay nitaona ny fanahinao? Inona avy ireo fampianarana sasantsasany avy amin’ireo bokin’ny soratra masina ireo izay nanampy anao?

Ny Tenin’ireo Mpaminanintsika Velona

Ankoatra ireo bokin’ny soratra masina anankiefatra ireo dia lasa soratra masina ho antsika ireo teny mitaona fanahy avy amin’ireo mpaminanintsika velona. Tonga any amintsika amin’ny alalan’ny fihaonamben’ny Fiangonana, na ny gazetiboky Liahona na Ensign ary amin’ny alalan’ireo torolalan’ny mpitondra ao amin’ny fisoronana ny tenin’izy ireo. “Mino ny zava-drehetra izay efa nambaran’Andriamanitra isika, izay ambarany ankehitriny, ary mino isika fa Izy dia mbola hanambara zavatra lehibe sy manan-danja maro mikasika ny Fanjakan’Andriamanitra” (Fanekem-pinoana 1:9).

  • Aiza no ahafahantsika mahita ny tenin’ireo mpaminanintsika velona?

Mandalina ny Soratra Masina

  • Inona no fitahiana azontsika rehefa mandalina ny soratra masina isika?

Tokony handalina ny soratra masina isan’andro isika tsirairay avy. Tokony hozaraintsika amin’ny zanatsika ireo fahamarinana ireo. Tokony hiaraka hamaky amin’ny zanatsika ireo soratra masina nankatoavina isika ka hianatra ny ho tia izany izy ireo ary hampiasa izany noho ny fahamarinana hita ao anatiny.

Raha maniry ny hisoroka ireo zava-dratsin’ity izao tontolo izao ity isika, dia tsy maintsy fahanantsika fahamarinana izay hita ao amin’ny soratra masina ny saintsika. Hanakaiky kokoa an’Andriamanitra isika ary hifanakaiky kokoa isika samy isika rehefa miaraka mamaky sy misaintsaina ny soratra masina.

Rehefa mamaky ny soratra masina isika sy misaintsaina ary mivavaka momba izany ary mangataka Aminy ny fahatakarana an-tsaina dia hijoro ho vavolombelona amintsika momba ireo zavatra ireo ny Fanahy Masina. Samy hahalala manokana isika tsirairay fa marina ireo zavatra ireo. Tsy ho voafitaka isika (jereo Joseph Smith—Matio 1:37). Afaka mahazo koa ilay fahatsapana izay nambaran’i Nefia isika raha nilaza izy hoe: “Indro ny fanahiko dia finaritra amin’ny zavatry ny Tompo; ary ny foko misaintsaina lalandava ny zavatra izay efa hitako sy reko” (2 Nefia 4:16).

  • Ahoana no ahafahantsika mitazona ilay fanoloran-tena handalina ny soratra masina isan’andro? Manokàna fotoana sy toerana handalinana ny soratra masina isan’andro.

Soratra Masina Fanampiny