Boky sy lesona
Toko 8: Mivavaka amin’ny Raintsika any An-danitra


Toko 8

Mivavaka amin’ny Raintsika any An-danitra

Sary
A woman sitting at a desk with the scriptures open in front of her. She has her hands clasped and eyes closed in prayer.

Inona no atao hoe Vavaka?

Nampianatra i Jesoa hoe: “Koa tsy maintsy mivavaka mandrakariva amin’ny Ray amin’ny anarako ianareo”(3 Nefia 18:19).

Ny vavaka no anisan’ny fitahiana lehibe indrindra ananantsika rehefa eto an-tany isika. Afaka mifandray amin’ny Raintsika any An-danitra isika sy mikatsaka isan’andro ny fitarihany amin’ny alalan’ny vavaka.

Ny vavaka dia firesahana amim-pahatsoram-po amin’ny Raintsika any An-danitra. Tokony hivavaka amin’Andriamanitra isika fa tsy amin’olon-kafa. Tsy mivavaka amin’olon-kafa isika na amin’ny zavatra nataon’olombelona na Andriamanitra (jereo Eksodosy 20:3–5).

Nahoana no Mivavaka Isika?

Anisan’ny zavatra iray manan-danja ao amin’ny filazantsara hatrany am-piandohan’izao tontolo izao ny vavaka. Nodidian’ny anjelin’ny Tompo iray i Adama sy Eva mba hibebaka sy hiantso an’Andriamanitra amin’ny anaran’ny Zanany (jereo Mosesy 5:8). Tsy nesorina mihitsy izany didy izany. Hanampy antsika hanakaiky an’Andriamanitra ny vavaka. Ny vavaka ataontsika dia misy fiantraikany amin’ny saintsika sy ny fitenintsika ary ny zavatra ataontsika rehetra.

Tokony hivavaka mba hangataka hery hanoherana ny fakampanahin’i Satana sy ny mpanara-dia azy isika (jereo 3 Nefia 18:15; F&F 10:5). Tokony hivavaka mba hiaiky ny fahotantsika amin’Andriamanitra ary hangataka Azy mba hamela antsika isika (jereo Almà 38:14).

Tokony hivavaka mba hangataka ny fitarihan’ny Tompo sy ny fanampiany eo amin’ny fiainantsika andavanandro isika. Isika dia mila mivavaka ho an’ny fianakaviantsika, ny namantsika, ny mpifanolobodirindrina amintsika, ny fambolentsika sy ny bibintsika ary ny asantsika isan’andro sy ireo zavatra atao hafa. Tokony hivavaka mba hangataka fiarovan-tena amin’ireo fahavalontsika isika (Jereo Almà 34:17–27.)

Tokony hivavaka mba hanehoana ny fitiavantsika ny Raintsika any An-danitra isika sy hanakaikezana bebe kokoa Azy. Tokony hivavaka amin’ny Ray isika mba hisaorana Azy noho ny fiadanana sy ny fankaherezana azontsika ary ny zavatra rehetra izay omeny antsika isan’andro (jereo 1 Tesalôniana 5:18). Mila mangataka amin’ny Raintsika any An-danitra isika mba hanana hery hiainana ny filazantsara.

Tokony hivavaka isika mba hahafahantsika hijanona eo amin’ilay lalana ety sy tery izay mitondra any amin’ny fiainana mandrakizay. Tsy maintsy mivavaka amin’ilay Andriamanitra izay loharanon’ny fahamarinana rehetra isika, mba hahafahantsika ho madio eo amin’ny eritrerintsika sy ny fitenintsika ary ny asa ataontsika.

  • Ahoana no fomba nanampian’ny vavaka anao hanakaiky bebe kokoa ny Ray any An-danitra?

Rahoviana Isika no tokony Hivavaka?

Afaka mivavaka isika raha vao mahatsapa ho mila mifandray amin’ny Raintsika any An-danitra, ka na izany atao amimpahanginana na atao mafy. Indraindray isika dia mila mitokana irery any amin’ny toerana izay ahafahantsika mamboraka Aminy ny ao anatintsika (jereo Matio 6:6). Ankoatra izany dia afaka mivavaka isika mandritra ny fanaovantsika ireo asa aman-draharahantsika andavanandro. Afaka mivavaka isika mandritra ny fivoriam-piangonana, na any an-trano, na rehefa mandeha eny an-dalana, na rehefa miasa, na rehefa mahandro sakafo ary na aiza na aiza misy antsika ary na inona na inona ataontsika. Afaka mivavaka foana isika manditra ny tontolo andro na mandritra ny alina. Afaka mivavaka isika rehefa irery na rehefa miaraka aman’olon-kafa. Azontsika atao ao an-tsaina amin’ny fotoana rehetra ny Raintsika any An-danitra (jereo Almà 34:27). Afaka “mivavaka mandrakariva” isika (F&F 10:5).

Indraindray isika mety tsy te hivavaka. Mety tezitra isika na kivy na sosotra. Tokony hanao ezaka manokana mba hivavaka isika ao anatin’izany fotoana izany (jereo 2 Nefia 32:8–9).

Tokony hivavaka manokana isika tsirairay avy farafahakeliny isaky ny alina sy isaky ny maraina. Miresaka momba ny tokony ivavahana maraina, atoandro ary hariva ny soratra masina (jereo Almà 34:21).

Nodidiana isika mba hanao vavaky ny mpianakavy mba hitahiana ny fianakaviantsika (jereo 3 Nefia 18:21). Nanoro antsika ireo mpitarika antsika ao amin’ny Fiangonana mba hanao vavaky ny mpianakavy isaky ny maraina sy isaky ny alina.

Isika koa dia manana fahafahana hivavaka mba hisaotra ny sakafo sy hangataka tsodrano ho an’izany alohan’ny fotoam-pisakafoanana.

Manomboka sy mamarana ny fivoriam-piangonantsika rehetra amin’ny vavaka isika. Misaotra ny Tompo noho ny fitahiany isika ary mangataka ny fanampiany mba hahafahantsika hivavaka amin’ny fomba izay mahafaly Azy.

Ahoana no Fomba Tokony Hivavahantsika?

Na aiza na aiza misy antsika, na mitsangana isika na mandohalika, na mivavaka mafy isika na mangina, na mivavaka manokana isika na amin’ny anaran’ny vondron’olona iray dia tokony hivavaka amim-pinoana foana, “amin-kitsimpo, omban’ny tena finiavana” (Môrônia 10:4).

Rehefa mivavaka amin’ny Raintsika any An-danitra isika, dia tokony hilaza Aminy izay zavatra tena tsapatsika ao am-pontsika, hamboraka ny zava-drehetra Aminy, hangataka ny famelan-kelony, hitalaho Aminy sy hisaotra Azy ary maneho ny fitiavantsika Azy. Tsy tokony hamerimberina teny na andian-teny tsy misy heviny isika (jereo Matio 6:7–8). Tokony hangataka foana ny hahatanterahan’ny sitrapony isika ary hahatsiaro fa mety tsy hahasoa antsika foana izay zavatra iriantsika (jereo 3 Nefia 18:20). Rehefa vita ny vavaka ataontsika dia faranantsika amin’ny anaran’i Jesoa Kristy izany (jereo 3 Nefia 18:19).

Ahoana no Fomba Fivalian’ny Vavaka?

  • Nahoana araka ny eritreritrao no matetika tsy tonga dia miharihary ny valim-bavaka? Nahoana araka ny eritreritrao no matetika tsy tonga amin’ny fotoana ilantsika azy na amin’ny fomba ilantsika azy ny valim-bavaka?

Ny vavaka nataontsika amin-kitsimpo dia voavaly foana. Mety ho tsia ny valiny indraindray, satria tsy hahasoa antsika ilay zavatra nangatahantsika. Indraindray eny ny valiny, ary manana fahatsapana zavatra tsara sy mifono fankaherezana momba izay tokony hataontsika isika (jereo F&F 9:8–9). Indraindray “andraso kely” ny valiny. Ny vavaka ataontsika dia valiana foana amin’ny fotoana iray sy amin’ny fomba iray izay fantatry ny Tompo fa tena hanampy antsika.

Indraindray valian’ny Tompo amin’ny alalan’ny olon-kafa ny vavaka ataontsika. Namana iray, vady, ray aman-dreny na olona ao amin’ny fianakaviana, mpitarika ao amin’ny Fiangonana na misiônera—ny iray amin’ireo olona ireo dia mety ho voataona hanao zavatra izay hamaly ny vavaka nataonao. Ohatra iray momba izany ilay zavatra niainan’ny reny mbola tanora iray izay naratra tamin’ny loza nitranga tao an-trano ny zanany. Tsy nanana fomba hitondrana ilay zazakely any amin’ny dokotera izy. Vaovao izy teo amin’ny toeram-ponenany ary tsy nahalala ireo mpifanolobodirindrina taminy. Nivavaka mba hangataka fanampiana ilay reny mbola tanora. Minitra vitsy taorian’izany dia nisy mpifanolobodirindrina iray tonga teo am-baravarana nilaza hoe: “Ohatry ny nahatsapa aho fa tokony handeha aty aminao sy hijery raha mila fanampiana ianao.” Nampian’ilay mpifanolobodirindrina hitondra ilay zazakely tany amin’ny dokotera ilay reny mbola tanora.

Omen’Andriamanitra antsika matetika ny hery entina hamaliana ny vavaka nataontsika. Rehefa mangataka fanampiana isika dia tokony manao izay vitantsika mba hanatanterahana ny zavatra izay tadiavintsika.

Rehefa miaina araka ny filazantsaran’i Jesoa Kristy isika dia hahazo fifaliana. “Aoka ianao hanetry tena; ary ny Tompo Andriamanitra dia hitarika anao amin’ny tanana sy hanome anao ny valin’ny fivavakao” (F&F 112:10).

  • Tamin’ny fomba ahoana no namalian’ny Ray any An-danitra ny vavaka nataonao?

Soratra Masina Fanampiny sy Loharano Hafa