Boky sy lesona
Toko 45: Ny Arivotaona


Toko 45

Ny Arivotaona

Sary
A male lion and lamb lying peacefully next to each other in a grassy field. Rolling hills are in the background. There are clouds in the sky. The image portrays the peace among animal life that will exist during the Millennium.

Ireo olona eto An-tany mandritra ny Arivotaona

  • Iza no ho eto an-tany mandritra ny Arivotaona?

Arivo taona ahitana fiadanana, fitiavana ary fifaliana no hanomboka eto an-tany amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany. Antsoina hoe Arivotaona izany vanimpotoana mandritra ny arivo taona izany. Ny soratra masina sy ny mpaminany dia manampy antsika mba hahatakatra ny hoe toy ny ahoana ny fiainana eto an-tany mandritra ny Arivotaona.

Noho ny famotehana ny olon-dratsy amin’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany dia ny olo-marina ihany no hiaina eto an-tany amin’ny fiandohan’ny Arivotaona. Ireo olona ireo dia izay niaina tao anatin’ny fahamasinana sy nanana fiainana feno fahamarinana. Ireo olona ireo dia na handova ny fanjakana terestrialy na ny fanjakana selestialy.

Mandritra ny arivotaona, dia mbola hitohy hiaina eto an-tany ihany ny olona ary hanohy hanan-janaka toy ny miseho amintsika ankehitriny (jereo F&F 45:58). Nilaza i Joseph Smith fa hisy olona tsy mety maty izay hamangy matetika ny tany. Ireo olona nitsangana tamin’ny maty ireo dia hanampy ny fitondram-panjakana sy hanampy amin’ny asa hafa. (Jereo Teachings of the Prophet Joseph Smith (Enseignements du Prophète Joseph Smith), nofantenin’i Joseph Fielding Smith [1976], 268.)

Mbola hanana ny fahafahany misafidy malalaka ny olona ary ao anatin’ny fotoana iray voafetra dia maro ireo afaka ny hanohy hanaraka ny finoany sy ny heviny. Amin’ny farany dia hiaiky daholo ny olona rehetra fa i Jesoa no Kristy.

Mandritra ny Arivotaona, dia i Jesoa “ tenany mihitsy no hanjaka ety an-tany” (Fanekem-pinoana 1:10). Nanazava i Joseph Smith fa i Jesoa dia “hanjaka eo anivon’ny Olomasina ary hidina sy hampianatra” (Teachings of Presidents of the Church (Enseignements des Présidents de l’Église) [2007], 258).

Ny Asan’ny Fiangonana Mandritra ny Arivotaona

  • Inona avy ireo asa roa izay hotanterahina mandritra ny Arivotaona?

Hisy asa roa lehibe ho an’ny mpikamban’ny Fiangonana mandritra ny arivotaona: asa hatao any amin’ny tempoly ary asa fitoriana. Ny asa atao any amin’ny tempoly dia ahitana ireo ôrdônansy izay ilaina amin’ny fisandratana. Tafiditra ao anatin’izany ny batisa, ny fametrahan-tanana handraisana ny fanomezana ny Fanahy Masina ary ireo ôrdônansin’ny tempoly—ny fanafiana masina, ny fanambadiana any amin’ny tempoly ary ny famehezana ny fianakaviana hiaraka mandrakizay.

Maro ireo olona izay maty nefa tsy nandray ireo ôrdônansy ireo. Ny olona eto an-tany dia tokony hanatanteraka ireo ôrdônansy ireo ho an’ny tenany. Tanterahana any amin’ny tempolin’ny Tompo izany asa izany ankehitriny. Maro loatra ireo asa tokony hotanterahana alohan’ny hiantombohan’ny Arivotaona, noho izany dia hovitaina mandritra izany fotoana izany ireo. Hanampy antsika ireo olona nitsangana tamin’ny maty mba hanitsy ny zavatra diso nataontsika tamin’ny fanaovana fikarohana momba ireo razambentsika. Hanampy antsika koa izy ireo hahita ireo fampahalalana ilaintsika mba hamenoana ny taratasy firaketantsika. (Jereo Joseph Fielding Smith, Doctrines of Salvation, natambatr’i Bruce R. McConkie, Boky 3. [1954–56], 2:167, 251–52.)

Ilay asa lehibe iray hafa mandritra ny arivotaona dia ny asa fitoriana. Hampianarina ny olon-drehetra miaraka amin’ny hery lehibe ny filazantsara. Mazava ho azy fa tsy ilaina ny mampianatra ny hafa momba ireo fitsipika voalohan’ny filazantsara satria “samy hahalala Ahy avokoa izy rehetra, hatramin’ny kely indrindra ka hatramin’ny lehibe indrindra, hoy Jehovah” (Jeremia 31:34).

  • Ahoana no ahafahantsika miomana dieny izao amin’ny asa mandritra ny Arivotaona?

Ireo fepetra mandritra ny Arivotaona

  • Inona no haha samy hafa ny fiainana mandritra ny Arivotaona amin’ny fiainana eto an-tany ankehitriny?

Nampianatra ny Filoha Joseph Smith fa mandritra ny arivotaona dia, “hohavaozina ny tany ka handray ny voninahitry ny paradisany” (Fanekem-pinoana 1:10).

Hofatorana i Satana

Hofatorana i Satana mandritra ny arivotaona. Midika izany fa tsy hanana hery hakana fanahy ireo izay miaina amin’izany fotoana izany izy (jereo F&F 101:28). Ny “zanaka dia hitombo tsy manam-pahotana ho amin’ny famonjena” (F&F 45:58). “Ary noho ny fahamarinan’ny olon’ny [Tompo], dia tsy manam-pahefana i Satana; koa tsy azo vahana izy mandritra ny taona maro; fa tsy manam-pahefana amin’ny fon’ny olona izy satria ireo dia mitoetra ao amin’ny fahamarinana ary manjaka ny Iray Masin’ny Isiraely” (1 Nefia 22:26).

Fiadanana eto An-tany

Tsy hisy ady mandritra ny Arivotaona. Hiaina ao anatin’ny fiadanana sy firaisan-kina ny olona. Ireo zavatra izay nampiasaina ho an’ny ady dia havadika mba hampiasaina amin’ny antony tsara. “Hanefy ny sabany ho fangady ireny, ary ny lefony ho fanetezam-boaloboka. Ny firenena tsy hanainga sabatra hifamely na hianatra ady intsony” (Isaia 2:4; jereo koa Isaia 11:6–7; F&F 101:26).

Fitondram-panjakana Marina

Nampianatra ny Filoha John Taylor hoe: “Ho Mpanjakan’izao tontolo izao ny Tompo ary ho eo ambanin’ny fahefany izay faran’ny ambony indrindra tokoa ny olombelona rehetra ary ny firenena eto an-tany rehetra dia hanaiky ny fahefany sy hiondrika eo amin’ny fiandrianany. Ireo izay manompo Azy amim-pahamarinana dia hanana fifandraisana amin’Andriamanitra; handray ny fanampoan’ny anjely; hahafantatra ny lasa sy ny ankehitriny ary ny hoavy; ary ireo olon-kafa izay tsy mety mankatò tanteraka ny lalàny na tsy dia mahalala tanteraka ny fanekempihavanany dia tsy maintsy hankatò tanteraka ny fitondram-panjakany ihany. Satria ho fanjakan’Andriamanitra eto an-tany izany ary hanamafy ny lalàny Izy sy handidy ny hisian’ny fankatoavana avy amin’ireo firenena manerana an’izao tontolo izao izay zony ara-dalàna” (Teachings of Presidents of the Church (Enseignements des Présidents de l’Église): John Taylor [2001], 225).

Tsy Hisy ny Fahafatesana

Tsy hisy ny fahafatesana mandritra ny Arivotaona araka ny efa fantatsika. Rehefa niaina hatrany amin’ny fahanterany ny olona dia tsy ho faty sy tsy halevina. Fa kosa hovana avy eo amin’ny mety maty ho lasa tsy mety maty ao amin’ny “indray mipi-maso” izy ireo. (Jereo F&F 63:51; 101:29–31.)

Hambara Daholo ny Zava-drehetra

Misy fahamarinana sasany izay tsy nambara tamintsika. Hambara daholo ny zava-drehetra mandritra ny arivotaona. Nilaza ny Tompo fa Izy dia “hanambara ny zavatra rehetra—zavatra izay efa lasa sy zavatra miafina izay tsy misy olona nahafantatra, zavatry ny tany izay tamin’izany no nanaovana azy, ary ny zava-kinendry sy ny tanjon’ny tany—zavatra tena sarobidy indrindra, zavatra izay eny ambony sy zavatra izay ety ambany, zavatra izay ao anatin’ny tany sy ambonin’ny tany ary ny any an-danitra” (F&F 101:32–34).

Ireo Asa Hafa Mandritra ny Arivotaona

Ny fiainana dia hitovitovy amin’izao ihany, afa-tsy hoe hatao ao anatin’ny fahamarinana ny zava-drehetra. Hihinana sy hisotro ary hiakanjo ny olona. (Jereo Teachings of Presidents of the Church (Enseignements des Présidents de l’Église): Brigham Young [1997], 333.) Hanohy hamboly sy hioty ny vokany ary hanorina trano ny olona (jereo Isaia 65:21).

  • Inona no hevitrao sy tsapanao momba ireo fepetra izay hiseho mandritra ny Arivotaona?

Ady Lehibe Iray Farany aorian’ny Arivotaona

  • Inona no hiafaran’ny tany?

Homena fahafahana mandritra ny fotoana fohy i Satana any amin’ny faran’ny 1000 taona. Hisy olona hiala amin’ny Raintsika any An-danitra. Hanangona ny tafiny i Satana ary hanangona ny tafiky ny lanitra i Mikaela (Adama). Mandritra izany ady lehibe izany dia horoahina mandrakizay i Satana sy ny mpanara-dia azy. Hiova ho fanjakana selestialy ny tany. (Jereo F&F 29:22–29; 88:17–20, 110–15.)

Soratra Masina Fanampiny