Boky sy lesona
Toko 7: Ny Fanahy Masina


Toko 7

Ny Fanahy Masina

Tonga tamin’i Adama sy Eva ny Fanahy Masina

  • Nahoana no nila ny fitarihan’ny Fanahy Masina i Adama sy Eva?

Taorian’ny nandaozan’i Adama sy Eva ny Sahan’i Edena dia nanomboka niasa ny tany izy ireo ary nanao asa hafa hivelomany. Nanan-janaka maro izy ireo ary nanambady sy niteraka koa ireo zanakalahiny sy zanakavaviny (jereo Mosesy 5:1–3). Araka izany, ireo fanahy zanaky ny Raintsika any An-danitra dia nanomboka niala teo anatrehany mba ho tonga ety an-tany araka ny nampanantenaina azy ireo (jereo Abrahama 3:24–25). Rehefa tonga tety an-tany izy ireo dia nesorina taminy ny fahatsiarovany ilay fonenany tany an-danitra. Saingy tsy nesorin’ny Ray tamin’izy ireo ny fitarihany. Nandefa ny Fanahy Masina Izy hankahery sy hanampy ary hitarika ireo fanahy rehetra zanany.

Nivavaka tamin’ny Ray any An-danitra i Adama sy Eva. Niresaka tamin’izy ireo Izy ary nanome didy izay nankatoavin’izy ireo. Nisy anjelin’ny Tompo tonga ary nampianatra an’i Adama sy Eva ny drafitry ny famonjena. Nalefan’ny Tompo ny Fanahy Masina mba hijoro ho vavolombelona momba ny Ray sy ny Zanaka ary nampianatra an’i Adama sy Eva ny filazantsara (jereo Mosesy 5:4–9).

Tamin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina dia “nanomboka naminany momba ireo fianakaviana rehetran’ny tany i Adama, nanao hoe: Isaorana anie ny anaran’Andriamanitra fa noho ny nandikako lalàna dia mahiratra ny masoko, ary hanam-pifaliana aho eo amin’ity fiainana ity ary ao amin’ny nofoko indray no hahitako an’Andriamanitra” (Mosesy 5:10). Noho ny fijoroana ho vavolombelon’ny Fanahy Masina tamin’i Eva, dia hoy izy: “Raha tsy nandika lalàna isika dia tsy ho nanana taranaka na oviana na oviana, ary tsy ho nahafantatra ny tsara sy ny ratsy na oviana na oviana, sy ny fifaliana noho ny fanavotana antsika ary ny fiainana mandrakizay izay omen’Andriamanitra ho an’ny mpankatò rehetra” (Mosesy 5:11).

  • Ahoana no mampitovy ny filantsika ny fitarihan’ny Fanahy Masina amin’ny an’i Adama sy Eva?

Ny Toetoetran’ny Fanahy Masina

  • Inona no maha samy hafa ny Fanahy Masina amin’ny Ray sy ny Zanaka? Nahoana no zava-dehibe amintsika izany fahasamihafana izany?

Ny Fanahy Masina dia mpikambana ao amin’Ny Andriamanitra (jereo 1 Jaona 5:7; F&F 20:28). Manana “vatana Fanahy” Izy (F&F 130:22). Any amin’ny toerana iray ihany no mety misy Azy amin’ny fotoana iray, saingy afaka miely na aiza na aiza ny fitarihany ao anatin’izany fotoana izany.

Antsoina hoe Ny Andriamanitra ny Ray any An-danitra sy Jesoa Kristy ary ny Fanahy Masina. Iray ihany Izy ireo eo amin’ny lafin’ny tanjona. Samy manana andraikitra lehibe izy ireo ao amin’ny drafitry ny famonjena. Ny Raintsika any An-danitra dia Raintsika sy mpanapaka antsika. I Jesoa Kristy dia Mpamonjy antsika. Ny Fanahy Masina dia mpanambara sy mpijoro ho vavolombelona momba ny fahamarinana rehetra.

Ny Fanahy Masina dia iraky ny Raintsika any An-danitra ary fanomezana manokana ho antsika (jereo ny toko 21 ao amin’ity boky ity).

Ny andraikitry ny Fanahy Masina

  • Inona avy ireo fahamarinana sasantsasany izay ambaran’ny Fanahy Masina amintsika?

Ny andraikitry ny Fanahy Masina dia ny mijoro ho vavolombelona momba ny Ray sy ny Zanaka ary ny fahamarinan’ny zava-drehetra.

Ny Fanahy Masina dia hijoro ho vavolombelona amintsika fa i Jesoa no Mpamonjy sy Mpanavotra antsika (jereo 3 Nefia 28:11; F&F 20:27). Hanambara amintsika Izy fa Rain’ny fanahintsika ny Raintsika any An-danitra. Hanampy antsika Izy mba hahatakarantsika fa afaka mahazo ny fisandratana toy ny Raintsika any An-danitra isika (jereo Romana 8:16–17). Nampanantena ny mpaminanin’ny Tompo hoe: “Ary amin’ny herin’ny Fanahy Masina dia azonareo fantarina ny fahamarinan’ny zava-drehetra” (Môrônia 10:5).

Raha tsy nisy ny Fanahy Masina dia tsy afaka nahalala isika hoe i Jesoa no Kristy. Nanoratra ny Apôstôly Paoly hoe: “Tsy misy mahay manaiky hoe: Jesosy no Tompo raha tsy amin’ny Fanahy Masina” (1 Korintiana 12:3). Hoy ny Mpamonjy hoe: “Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesoa Kristy, izay efa nirahinao” (Jaona 17:3). Ny herin’ny Fanahy Masina no mitarika antsika mba hahatakatra sy hiaina ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Tena lehibe ny hery mandresy lahatry ny Fanahy Masina ka tsy isalasalana fa marina izay ambarany. Nilaza ny Filoha Joseph Fielding hoe:

“Rehefa mahazo fanambarana avy amin’ny Fanahy Masina ny olona iray, dia mamela fihetseham-po tsy mety levona ao anatiny izany, izay tsy mora ny manadino azy. Fanahy Masina miresaka amin’ny fanahin’ny olona izany ary tonga miaraka amin’ny hery mandresy lahatra. Ny fisehoan’ny anjely iray na ny Zanak’Andriamanitra mihitsy aza dia mety hanaitra ny maso sy ny saina nefa mihalefy izany avy eo, saingy ny zavatra tsapa avy amin’ny Fanahy Masina dia milentika lalina any anaty fanahy ary sarotra kokoa ny hanadino azy” (Answers to Gospel Questions, nangonin’i Joseph Fielding Smith Jr., boky 5 [1957–66], 2:151).

Nilaza koa ny Filoha Smith hoe: “Ny fahamarinana, amin’ny alalan’ny Fanahy Masina, dia toy ny kofehy voatenona any amin’ny faritry ny rehetra amin’ny vatana ka tsy azo hohadinoina izany” (Doctrines of Salvation, nangonin’i Bruce R. McConkie, boky 3 [1954–56], 1:48).

Amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany antsika, dia tokony hanao izay hahamendrika antsika isika mba handraisana izany iraka manokana sy vavolombelon’ny Raintsika any An-danitra sy Jesoa Kristy izany.

  • Eritrereto ireo fotoana izay nanampian’ny Fanahy Masina anao hivoatra teo amin’ny fijoroanao ho vavolombelona. Zarao amin’ny olona ao amin’ny kilasy na ny fianakaviana ny sasany amin’ireo zavatra niainana ireo, amin’ny fotoana ilàna azy.

Soratra Masina Fanampiny