Boky sy lesona
Toko 42: Ny Fanangonana ny Mpianakavin’i Isiraely


Toko 42

Ny Fanangonana ny Mpianakavin’i Isiraely

Sary
The Old Testament prophet Israel (Jacob) with his sons gathered around him. One of the sons (Joseph) is kneeling before his father. Israel has his hand on the son's head as he prepares to give him a priesthood blessing.

Ny Mpianakavin’i Isiraely dia Vahoakan’ny Fanekempihavanan’Andriamanitra

  • Inona no andraikitry ny vahoakan’ny fanekempihavanan’Andriamanitra eo amin’ireo firenen’izao tontolo izao?

I Jakoba dia mpaminany lehibe izay niaina an-jaton-taonany maro talohan’ny fotoanandron’i Kristy. Satria nahatoky i Jakoba dia nomen’ny Tompo anarana manokana hoe Isiraely izy, izay midika hoe “olona iray miara-mandresy amin’Andriamanitra” na “aoka handresy Andriamanitra” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Isiraely,” 135). Nanana zanaka roa ambin’ny folo i Jakoba. Ireo zanakalahiny sy ny fianakaviany ireo dia lasa fantatra tamin’ny hoe ny foko roa ambin’ny folon’i Isiraely na Isiraelita (jereo Genesisy 49:28).

Zafikelin’i Abrahama i Jakoba. Nanao fanekempihavanana maharitra mandrakizay tamin’i Abrahama ny Tompo izay navaozina niaraka tamin’i Isaka sy Jakoba zanany (jereo ny toko 15 ao amin’ity boky ity; jereo koa ny sary ao amin’ity toko ity izay mampiseho an’i Jakoba manome tsodrano ireo zanakalahiny). Nampanantena Andriamanitra fa ho vahoakan’ny fanekempihavanany ny Isiraelita raha toa ka mitandrina ny didiny izy ireo (jereo Deoteronomia 28:9–10). Ho fitahiana ho an’ny firenena rehetra izy ireo amin’ny alalan’ny fitondrany ny filazantsara sy ny fisoronana ho any amin’izy ireo (jereo Abrahama 2:9–11). Noho izany dia hitazona ny fanekempihavanana nataony tamin’ny Tompo izy ireo ary Izy koa hitazona ny fanekempihavanana nataony tamin’izy ireo.

Nampielezina ny Mpianakavin’i Isiraely

Nampitandrina foana ny mpianakavin’i Isiraely ny amin’izay mety hitranga ireo mpaminanin’ny Tompo raha toa izy ireo ka ratsy toetra. Naminany i Mosesy hoe: “Dia haelin’i Jehovah any amin’ny firenena rehetra hatramin’ny faran’ny tany ianao” (Deoteronomia 28:64).

Na dia teo aza izany fampitandremana izany dia nandika foana ny didin’Andriamanitra ny Isiraelita. Niady izy ireo ary nizara ho fanjakana roa: ny Fanjakana Avaratra dia nantsoina hoe fanjakan’i Isiraely ary ny Fanjakana Atsimo dia nantsoina hoe fanjakan’i Joda. Nonina tany amin’ny Fanjakana Avaratra ny folo tamin’ireo foko roa ambin’ny folon’i Isiraely. Resin’ny fahavalony izy ireo nandritra ny ady iray ary dia lasa babo an’ady. Nandeha nandositra tany amin’ny tany avaratra ny sasany tamin’izy ireo ary very tsy hitan’izao tontolo izao.

100 taona teo ho eo taorian’ny fambaboana ny Fanjakana Avaratra dia resy koa ny Fanjakana Atsimo. Rava ny renivohitr’i Jerosalema tamin’ny taona 586 Talohan’ny nahaterahan’i Kristy, ary maro ireo olona nobaboina tao amin’ny foko roa sisan’i Isiraely. Taty aoriana dia niverina sy nanorina indray an’i Jerosalema ny sasany tamin’ireo olona ao amin’ireo foko ireo. Taloha kelin’ny naharavan’i Jerosalema, dia nandao izany tanàna izany ary niorim-ponenana tany Amerika i Lehia sy ny fianakaviany.

Taorian’ny vanimpotoanan’i Kristy dia rava indray Jerosalema ary tamin’ity indray mitoraka ity dia ny miaramila Romana no nanao izany. Saika niely nanerana an’izao tontolo izao ny Jiosy. Ankehitriny dia hita any amin’ny firenena rehetra manerana an’izao tontolo izao ny Isiraelita. Maro amin’ireo olona ireo no tsy mahafantatra fa taranaky ny mpianakavin’i Isiraely fahiny izy ireo.

  • Inona ireo tombontsoa azon’ny zanak’Andriamanitra noho ny fielezan’ny vahoakan’ny fanekempihavanany nanerana an’izao tontolo izao?

Tsy Maintsy Hangonina ny Mpianakavin’i Isiraely

  • Nahoana no tian’ny Tompo hangonina ny vahoakany?

  • Ahoana no fomba hanangonana ny mpianakavin’i Isiraely?

Nampanantena ny Tompo fa hangonina ny vahoakan’ny fanekempihavanany indray andro any: “Ary Izaho hanangona ny ondriko sisa avy amin’ny tany rehetra izay nandroahako azy” (Jeremia 23:3).

Hangonin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny asa fitoriana ny zanany. Rehefa mahafantatra an’i Jesoa Kristy ny olona, sy mandray ireo ôrdônansin’ny famonjena ary mitandrina ny fanekempihavanana mifandray amin’izany dia lasa “zanaky ny fanekempihavanana” (3 Nefia 20:26). Manana antony manan-danja hanangonany ny zanany Izy. Hangoniny izy ireo mba hahafahan’izy ireo hianatra ny filazantsara sy hanomana ny tenany hihaona amin’ny Mpamonjy rehefa miverina Izy. Hangoniny izy ireo mba hahafahan’izy ireo hanorina tempoly sy hanatanteraka ireo ôrdônansy masina ho an’ireo razambe izay maty ka tsy nanana fahafahana hanao izany. Hangoniny izy ireo mba hahafahan’izy ireo hifanamafy orina sy miray ao anatin’ny filazantsara ary mahazo fiarovana amin’ny fitarihan-dratsy eto amin’izao tontolo izao. Hangoniny koa izy ireo mba hahafahan’izy ireo hanomana ny tenany hizara ny filazantsara amin’ny hafa.

Ny hery sy ny fahefana hitantanana ny asa fanangonana ny mpianakavin’i Isiraely dia nomena an’i Joseph Smith tamin’ny alalan’ny mpaminany Mosesy, izay niseho tao amin’ny Tempolin’i Kirtland tamin’ny 1836 (jereo F&F 110:11). Nanomboka tamin’izay fotoana izay dia nihazona ny fanalahidin’ny fanangonana ny mpianakavin’i Isiraely ny mpaminany tsirairay ary anisan’ny lafiny iray manan-danja eo amin’ny asan’ny Fiangonana izany fanangonana izany. Ny vahoakan’ny fanekempihavanana dia hangonina ankehitriny rehefa manaiky ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny sy manompo ny Andriamanitr’i Abrahama, Isaka ary Jakoba izy ireo (jereo Deoteronomia 30:1–5).

Ny Isiraelita dia hangonina ara-panahy aloha ary avy eo ara-batana. Hangonina ara-panahy izy ireo rehefa lasa mpikamban’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ary mitandrina ireo fanekempihavanana masina. Izany fanangonana ara-panahy izany dia nanomboka tamin’ny andron’ny Mpaminany Joseph Smith ary mitohy manerana an’izao tontolo izao ankehitriny. Ny olona lasa mpikamban’ny Fiangonana dia Isiraelita amin’ny alalan’ny ra na natsangana. Anisan’ny fianakavian’i Abrahama sy Jakoba izy ireo (jereo Abrahama 2:9–11; Galatiana 3:26–29).

Hoy ny Filoha Joseph Fielding Smith hoe: “Maro ireo firenena voasolo tena ato amin’ny … Fiangonana. … Tonga ato izy ireo satria nitoetra tamin’izy ireo ny Fanahin’ny Tompo; … ka rehefa nahazo ny fanahin’ny fanangonana izy ireo, dia nahafoy ny zava-drehetra ho an’ny filazantsara” (Doctrines of Salvation, natambatr’i Bruce R. McConkie, boky faha-3. [1954–56], 3:256; soramandry tany amin’ny boky niaingana).

Ny fanangonana an’i Isiraely araka ny toerana dia midika fa ny vahoakan’ny fanekempihavanana dia “hangonina hody any amin’ny tany lovany sy haorina amin’ny taniny nampanantenaina rehetra” (2 Nefia 9:2). Ny fokon’i Efraima sy Manase dia hangonina any Amerika. Ny fokon’i Joda dia hiverina any amin’ny tanànan’i Jerosalema sy ny faritra manodidina izany. Hahazo ireo fitahiana nampanantenaina avy amin’ny fokon’i Efraima ireo foko folo very (jereo F&F 133:26–34).

Rehefa voatsangana ny Fiangonana tany am-piandohana, dia nodidiana mba hiangona tany Ohio, dia tany Missouri, ary avy eo tany amin’ny lohasahan’i Salt Lake ireo Olomasina. Ankehitriny anefa dia nampianatra ireo mpaminany maoderina fa tokony hanorina ny fanjakan’Andriamanitra any amin’ny tany misy azy ny mpikamban’ny Fiangonana. Hoy ny Loholona Russell M. Nelson hoe: “Ny safidy mba hanatona an’i Kristy dia tsy resaka toerana fa resaka fanoloran-tena manokana. Ny olona dia azo ‘hoentina ho amin’ny fahalalana ny Tompo’ [3 Nefia 20:13] ka tsy ilana ny fandaozany ny tanindrazany izany. Marina fa tany am-piandohan’ny Fiangonana dia matetika nidika hoe fifindra-monina koa ny fiovam-po. Saingy ankehitriny dia any amin’ny firenena tsirairay no isehoan’ny fanangonana. …Ny toerana hiangonan’ny Olomasina Breziliana dia any Brezila; ny toerana hiangonan’ny Olomasina Nizeriana dia any Nizeria ary ny toerana hiangonan’ny Olomasina Koreana dia any Kore ary toy izany hatrany hatrany. I Ziona dia ‘ny madio am-po.’ [F&F 97:21.] Na aiza na aiza misy ireo Olomasina marina dia misy Ziona” (ao amin’ny Tatitry ny Fihaonambe, Ôkt. 2006, 85; na Ensign, Nôv. 2006, 81).

Ny fanangonana an’i Isiraely araka ny toerana dia tsy ho vita tanteraka raha tsy amin’ny Fiavian’ny Mpamonjy fanindroany sy amin’ny Arivotaona (jereo Joseph Smith—Matio 1:37). Dia ho tanteraka amin’izay ny fampanantenan’ny Tompo:

“Koa indro avy ny andro, hoy Jehovah, izay tsy hanaovana intsony hoe: Raha velona koa Jehovah, izay nitondra ny Zanak’Isiraely niakatra avy tany amin’ny tany Egypta;

“Fa izao kosa: Raha velona koa Jehovah, izay nitondra ny zanak’Isiraely niakatra avy tany amin’ny tany avaratra sy avy tany amin’ny tany rehetra izay nandroahany azy; fa hampodiko ho amin’ny tany izay nomeko ny razany izy” (Jeremia 16:14–15).

  • Ahoana no fomba naha voahangona anao ara-panahy amin’ny maha ao anatin’ny vahoakan’ny fanekempihavanan’ny Tompo anao?

  • Ahoana no fomba nandraisanao anjara tamin’ny fanangonana ny hafa?

Soratra Masina Fanampiny