Boky sy lesona
Toko 22: Ireo Fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy


Toko 22

Ireo Fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy

Sary
Two elder missionaries in Korea talking to a young man. They are standing on a sidewalk.

Ireo Fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy

  • Inona avy ireo fanomezam-pahasoavana ara-panahy omen’ny Tompo antsika?

Aorian’ny batisa dia nametrahan-tanana isika tsirairay mba handray ny fanomezana ny Fanahy Masina. Raha mahatoky isika dia afaka ny hanana mandrakariva ny fitarihany miaraka amintsika. Afaka mahazo hery ara-panahy vitsivitsy izay antsoina hoe fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy isika tsirairay amin’ny Alalany. Ireo fanomezam-pahasoavana ireo dia omena an’ireo izay mahatoky an’i Kristy. “Ary avy amin’Andriamanitra ireo fanomezam-pahasoavana rehetra ireo, ho tombontsoan’ny zanak’Andriamanitra” (F&F 46:26). Manampy antsika hahafantatra sy hampianatra ny fahamarinan’ny filazantsara izy ireo. Manampy antsika mba hitahy ny hafa izy ireo. Hitarika antsika hiverina any amin’ny Raintsika any an-danitra izy ireo. Mba hampiasana amim-pahendrena ireo fanomezam-pahasoavana ireo, dia mila mahafantatra isika hoe inona avy izy ireo, ahoana no ahafahantsika mampivelatra azy ary ahoana no ahafahantsika mamantatra ny hala-tahak’i Satana amin’ireo fanomezam-pahasoavana ireo.

Mitanisa fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy maro ny soratra masina. Nomena ny mpikamban’ny Fiangonana marina izy ireo isaky ny teto an-tany izany (jereo Marka 16:16–18). Ireto avy ireo fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy:

Ny Fanomezam-pahasoavan’ny Fahaizana Miteny amin’ny Fiteny Hafa (F&F 46:24)

Ilaina indraindray ny miresaka momba ny filazantsara amin’ny fiteny izay tsy haintsika. Rehefa mitranga izany, dia omen’ny Tompo fahafahana hiteny izany fiteny izany isika. Misiônera maro no nahazo izany fanomezam-pahasoavan’ny fahaizana miteny amin’ny fiteny hafa izany (jereo ny sary ao amin’ity toko ity). Ohatra, ny Rahalahy Alonzo A. Hinckley dia misiônera tany Holandy ary zara raha nahazo sy niresaka ny fiteny Holandey na dia nivavaka sy nianatra mafy aza izy. Rehefa niverina tany amin’ny tokantrano iray izay efa novangiany izy, dia ramatoa iray no nanokatra ny varavarana ary niresaka tamim-pahatezerana taminy tamin’ny fiteny Holandey. Gaga izy fa azony daholo ny teny rehetra nolazainy. Nanana faniriana mafy ny hijoro ho vavolombelona aminy amin’ny fiteny Holandey izy. Nanomboka niteny izy ary nazava tsara ireo teny nolazainy tamin’ny fiteny Holandey. Saingy rehefa nandeha niverina mba hampiseho ny fahaizany miteny Holandey tamin’ny filohan’ny misiônany izy dia niala tao aminy izany fahaizany izany. Maro ireo mpikambana mahatoky izay nahazo ny fanomezam- pahasoavan’ny fahaizana miteny amin’ny fiteny hafa. (Jereo Joseph Fielding Smith, Answers to Gospel Questions, natambatr’i Joseph Fielding Smith Jr., Boky 5 [1957–66], 2:32–33.)

Ny Fanomezam-pahasoavan’ny Filazana ny Hevitry ny Fiteny Hafa (F&F 46:25)

Omena antsika indraindray izany fanomezam-pahasoavana izany rehefa tsy azontsika ny fiteny iray ary mila mandray hafatra lehibe avy amin’Andriamanitra isika. Ohatra, ny Filoha David O. McKay dia nanana faniriana lehibe ny hiresaka tsy misy mpandika teny amin’ireo Olomasina tany Nouvelle Zélande. Nilaza tamin’izy ireo izy fa manantena ny hitahian’ny Tompo azy ireo mba hahafahan’izy ireo hahazo izay lazainy. Niteny Anglisy izy. Naharitra teo amin’ny 40 minitra teo ny hafatra nomeny. Rehefa niteny izy dia afaka nahita teny amin’ny endriky ny maro tamin’izy ireo sy tamin’ny ranomaso teny amin’ny masony fa voarain’izy ireo ny hafatra. (Jereo Answers to Gospel Questions, 2:30–31.)

Ny Fanomezam-pahasoavan’ny Fandikan-teny (F&F 5:4)

Raha toa ka antsoin’ny mpitondra ao amin’ny Fiangonana isika mba handika ny tenin’ny Tompo, dia afaka mahazo ny fanomezam-pahasoavan’ny fandikan-teny izay mihoatra ny fahaiza-manaontsika ara-boajanahary. Toy ny fanomezam-pahasoavana rehetra, dia mila miaina amim-pahamarinana, mianatra mafy ary mivavaka isika mba hahazoana azy. Raha manao ireo zavatra ireo isika, dia hataon’ny Tompo izay hahamay ny ao anatin’ny tratrantsika hahatsapantsika ny fahamarinan’izany fandikan-teny izany (jereo F&F 9:8–9). Nanana ny fanomezam-pahasoavan’ny fandikan-teny i Joseph Smith rehefa nandika ny Bokin’i Môrmôna. Tsy tonga tao aminy izany fanomezam-pahasoavana izany raha tsy rehefa miray saina amam-po amin’ny Fanahy izy.

Ny Fanomezam-pahasoavan’ny Fahendrena (F&F 46:17)

Ny sasany amintsika dia nomena fahafahana hahatakatra an-tsaina ny mahazo ny olona sy ny fitsipiky ny filazantsara rehefa mihatra eo amin’ny fiainantsika izany. Nolazaina isika hoe:

“Ary raha misy ianareo tsy manam-pahendrena, aoka izy hangataka amin’Andriamanitra, Izay manome malalaka ho an’ny olona rehetra sady tsy mandatsa; ary dia homena azy izany.

“Nefa aoka hangataka amin’ny finoana izy ka tsy hiahanahana akory. Fa izay miahanahana dia toy ny alon-dranomasina entin’ny rivotra ka atopatopany.

“Fa aoka tsy hanampo handray zavatra amin’ny Tompo izany olona izany” (Jakoba 1:5–7).

Hoy ny Tompo hoe: “Aza mikatsaka harena fa fahendrena kosa, dia indro, hovelarina aminareo ny misterin’Andriamanitra” (F&F 6:7).

Ny Fanomezam-pahasoavan’ny Fahalalana (F&F 46:18)

Ny olona tsirairay izay lasa tahaka ny Ray any An-danitra tokoa dia mahafantatra ny zava-drehetra. Ny fahalalan’Andriamanitra sy ny lalàny dia ambara amin’ny alalan’ny Fanahy Masina (jereo F&F 121:26). Tsy afaka hovonjena isika raha toa ka tsy mahafantatra ireo lalàna ireo (jereo F&F 131:6).

Nanambara ny Tompo hoe: “Ary raha mahazo fahalalana sy faharanitan-tsaina bebe kokoa noho ny iray hafa ny olona iray, eo amin’izao fiainana izao, noho ny fahazotoany sy fankatoavany, dia hanana tombony mifanentana amin’izany izy any amin’ny tontolo ho avy” (F&F 130:19). Nandidy antsika ny Tompo mba hianatra zavatra faran’izay betsaka momba ny Asany. Tiany isika hianatra momba ny zavatra any an-danitra sy ety an-tany, ny zavatra efa niseho sy mbola hiseho, ary ireo zavatra eo an-toerana sy any ivelany (jereo F&F 88:78–79). Kanefa, misy olona sasany izay miezaka ny mikatsaka fahalalana avy amin’ny fandalinany manokana. Tsy mangataka ny fanampian’ny Fanahy Masina izy ireo. Izy ireo dia anisan’ireo izay mianatra mandrakariva nefa tsy mahatratra ny fahalalana marina (jereo 2 Timoty 3:7). Rehefa mahazo fahalalana avy amin’ny alalan’ny fanambaran’ny Fanahy Masina isika, dia miresaka ao an-tsaintsika sy ao am-pontsika ny Fanahiny (jereo F&F 6:15, 22–24; 8:2; 9:7–9).

Ny Fanomezam-pahasoavan’ny Fampianarana ny Fahendrena sy ny Fahalalana (Môrônia 10:9–10)

Misy olona sasany izay omena fahaiza-manao manokana mba hanazava sy hijoro ho vavolombelona momba ny fahamarinan’ny filazantsara. Afaka ampiasaina izany fanomezam-pahasoavana izany rehefa mampianatra kilasy iray isika. Afaka ampiasain’ny ray aman-dreny izany mba hampianarana ny zanany. Izany fanomezam-pahasoavana izany koa dia manampy antsika amin’ny fampianarana ny hafa mba hahatakarany ny filazantsara.

Ny Fanomezam-pahasoavan’ny Fahalalana Fa i Jesoa Kristy dia Zanak’Andriamanitra (F&F 46:13)

Fanomezam-pahasoavana ho an’ny mpaminany sy apôstôly izany izay voantso ho vavolombelona manokana an’i Jesoa Kristy. Kanefa omena an’io fanomezam-pahasoavana io koa ny hafa. Ny olona rehetra dia mahazo fijoroana ho vavolombelona amin’ny alalan’ny bitsiky ny Fanahy Masina. Nampianatra ny Filoha David O. McKay hoe: “Ireo sasany hoy ny Tompo araka ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana dia ampahafantarina amin’ny alalan’ny Fanahy Masina fa i Jesoa Kristy no zanak’Andriamanitra, ary nohomboana Izy noho ny fahotan’izao tontolo izao [jereo F&F 46:13]. Ireo no lazaiko fa mijoro ho mafy orina eo ambonin’ny vatolampin’ny fanambarana ao anatin’ny fijoroana ho vavolombelona izay zarainy ho an’izao tontolo izao” (Teachings of Presidents of the Church (Enseignements des Présidents de l’Église): David O. McKay [2003], 166).

Ny Fanomezam-pahasoavan’ny Finoana ny Fijoroana ho Vavolombelon’ny Hafa (F&f 46:14)

Amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina dia azonareo fantarina ny fahamarinan’ny zava-drehetra. Raha te hahafantatra isika fa miteny ny marina ny olona iray dia tsy maintsy mangataka amim-pinoana amin’Andriamanitra isika. Raha marina ilay zavatra nivavahantsika dia hilaza fiadanana amin’ny saintsika ny Tompo (jereo F&F 6:22–23). Amin’izay dia afaka ny hahafantatra isika raha nahazo fanambarana na tsia ny olona iray hafa, na dia ny mpaminany aza. I Nefia dia nangataka ny Tompo mba hamela azy hahita sy hahatsapa ary hahafantatra fa marina ny nofin-drainy (jereo 1 Nefia 10:17–19).

Ny Fanomezam-pahasoavan’ny Faminaniana (F&F 46:22)

Ireo izay mahazo fanambarana marina momba ny lasa na ny ankehitriny na hoavy no manana ny fanomezam-pahasoavan’ny faminaniana. Manana izany fanomezam-pahasoavana izany ny mpaminany, saingy afaka manana izany koa isika mba hanampiana antsika hitantana ny fiainantsika (jereo 1 Korintiana 14:39). Afaka mahazo fanambarana avy amin’Andriamanitra ho an’ny tenantsika sy ho an’ny antsontsika isika, fa tsy ho an’ny Fiangonana na ho an’ny mpitarika ao aminy velively. Mifanohitra amin’ny lamin’ny lanitra ny fandraisan’ny olona iray fanambarana ho an’ny olona iray hafa izay tsy iahiany. Raha manana marina ny fanomezam-pahasoavan’ny faminaniana isika dia tsy hahazo fanambarana izay tsy mifanaraka amin’ny voalazan’ny Tompo ao amin’ny soratra masina.

Ny Fanomezam-pahasoavan’ny Fanasitranana (F&F 46:19–20)

Ny olona sasany dia manana finoana hanasitrana ary ny sasany dia manana finoana ho sitrana. Afaka mampihatra ny finoana mba ho sitrana daholo isika rehetra rehefa marary (jereo F&F 42:48). Maro ny olona izay mihazona ny fisoronana no manana ny fanomezam-pahasoavan’ny fanasitranana. Misy olona hafa izay nomena fahalalana momba ny fanasitranana ny aretina.

Ny Fanomezam-pahasoavan’ny Fanaovana Fahagagana (F&F 46:21)

Nitahy ny vahoakany imbetsaka tamin’ny fomba mahagaga ny Tompo. Raha namboly voalohany ireo mpisava lalana tany Utah dia efa saika potiky ny andiam-balala ny volin’izy ireo. Nivavaka tamin’ny Tompo ireo mpisava lalana mba hiaro ny voliny ary dia nandefa vorona antsoina hoe kilelo Izy mba hihinana ireo valala. Rehefa mila fanampiana isika ary mangataka amim-pinoana ka hahasoa antsika izany dia haneho fahagagana amintsika ny Tompo (jereo Matio 17:20; F&F 24:13–14).

Ny Fanomezam-pahasoavan’ny Finoana (Môrônia 10:11)

Nanana finoana lehibe ny rahalahin’i Jareda. Noho ny finoany dia nahazo fanomezam-pahasoavana hafa izy. Tena lehibe ny finoany ka niseho taminy ny Mpamonjy (jereo Etera 3:9–15). Rehefa tsy misy finoana dia tsy misy fanomezam-pahasoavana hafa afaka omena. Nampanantena i Môrônia hoe: “Fa na zovy na zovy mino an’i Kristy, tsy miroanahana akory, na inona na inona hangatahiny ny Ray amin’ny anaran’i Kristy dia hotovina aminy izany” (Môrmôna 9:21). Tokony hikatsaka ny hampitombo ny finoantsika isika sy hitady ireo fanomezam-pahasoavantsika ary hampiasa izany.

Ny olona sasany dia tsy manam-pinoana ary mandà fa tsy misy mihitsy ireo fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy ireo. Hoy i Môrônia hoe:

“Ary miteny koa aminareo izay mandà ny fanambaran’Andriamanitra aho, ary milaza fa efa atsahatra izany, fa tsy misy fanambarana, na faminaniana, na fanomezam-pahasoavana, na fanasitranana, na fitenenana amin’ny teny hafa sy ny fandikana ny teny;

“Indro, lazaiko aminareo, izay mandà ireo zavatra ireo dia tsy mahalala ny filazantsaran’i Kristy; eny, tsy namaky ny soratra masina izy; raha namaky izy, dia tsy azony izany” (Môrmôna 9:7–8).

  • Nahoana no omen’ny Tompo fanomezam-pahasoavana ara-panahy isika?

Afaka Mampivelatra ireo Fanomezam-pahasoavantsika Isika

  • Ahoana no ahafahantsika “mikatsaka … fatratra tokoa ny fanomezam-pahasoavana tsara indrindra”? (F&F 46:8).

Hoy ny Tompo hoe: “Fa ny tsirairay dia tsy manana ny fanomezam-pahasoavana rehetra tsirairay omena azy; fa misy maro ireo fanomezam-pahasoavana, ary ny olona tsirairay dia omen’ny Fanahin’Andriamanitra fanomezam-pahasoavana iray. Ny sasany dia omena iray, ary ny hafa dia omena iray hafa mba hahazo tombontsoa amin’izany ny rehetra” (F&F 46:11–12).

Mba hampivelarana ny fanomezam-pahasoavantsika, dia tsy maintsy mitady izay fanomezam-pahasoavana ananantsika isika. Ataontsika amin’ny alalan’ny fivavahana sy fifadian-kanina izany. Tokony hikatsaka ny fanomezam-pahasoavana tsara indrindra isika (jereo F&F 46:8). Indraindray ny tsodranon’ny patriarika dia manampy antsika hahafantatra ireo fanomezam-pahasoavana nomena antsika.

Tsy maintsy ho nankatò sy nahatoky isika matoa nomena ireo fanomezam-pahasoavantsika. Dia tokony hampiasaintsika ireo fanomezam-pahasoavana ireo hanaovana ny asan’ny Tompo. Tsy nomena izy ireo mba hanomezana fahafaham-po ny fahalianantsika na hanaporofoana zavatra amintsika satria tsy manam-pinoana isika. Hoy ny Tompo momba ireo fanomezam-pahasoavana ara-panahy hoe: “Omena ireny ho tombontsoan’ireo izay tia Ahy sy mitandrina ny didiko rehetra, ary izay mikatsaka ny hanao izany” (F&F 46:9).

  • Eritrereto ireo fanomezam-pahasoavana ara-panahy sasany izay hampatanjaka anao manokana na hanampy anao hanompo ny Tompo sy ny hafa. Inona no hataonao mba hikatsahana ireo fanomezam-pahasoavana ireo?

Afaka maka tahaka ireo Fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy ireo i Satana

  • Ahoana no ahafahantsika manavaka ny fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy marina sy ny hala-tahak’i Satana?

Afaka maka tahaka ny fanomezam-pahasoavan’ny fahaizana miteny amin’ny teny hafa, ny faminaniana sy ny fahitana ary ny fanasitranana sy ireo fahagagana hafa i Satana. Nifaninana tamin’ny hala-tahak’i Satana i Mosesy tao amin’ny lapan’i Farao (jereo Eksodosy 7:8–22). Tian’i Satana isika hino ny mpaminaniny sy ny mpanasitrany sandoka ary ireo mpanao fahagagana sandoka. Mety hiseho ho toy ny tena izy izy ireo, ka ny hany fomba ahafantarana izany dia ny mangataka amin’Andriamanitra ny fanomezam-pahasoavan’ny fanavahana. Ny devoly dia afaka miseho ho toy ny anjelin’ny fahazavana (jereo 2 Nefia 9:9).

Tian’i Satana tsy hahita ny fahamarinana isika ary manakana antsika tsy hikatsaka ireo fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy marina izy. Ny mpisikidy, ny mpanandro, ny mpilaza izay zavatra hitranga amin’ny hoavy ary ny mpamosavy dia tarihan’i Satana na dia milaza aza izy ireo fa manaraka an’Andriamanitra. Maharikoriko ny asan’izy ireo ho an’ny Tompo (jereo Isaia 47:12–14; Deoteronomia 18:9–10). Tokony hanalavitra ny zavatra rehetra misy ifandraisany amin’ny herin’i Satana isika.

Mila Mitandrina amin’ireo Fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy Ananantsika Isika

  • Ahoana no ahafahantsika manaja ny fahamasinan’ny fanomezam-pahasoavana ara-panahy?

Hoy ny Tompo hoe: “Didy no omeko azy, tsy hireharehan’ny tenany amin’ireo zavatra ireo sady tsy hitenenany ny momba ireo eo anoloan’izao tontolo izao; fa omena ho anareo ireo zavatra ireo ho tombontsoanareo sy ho famonjena” (F&F 84:73). Tokony hotsaroantsika fa masina ny fanomezam-pahasoavana ara-panahy (jereo F&F 6:10).

Ho tambin’ny fanomezana antsika ireo fahasoavana ireo, dia mangataka antsika ny Tompo mba “hisaotra an’Andriamanitra ao amin’ny Fanahy noho ny fitahiana rehetra izay itahiana [antsika]” (F&F 46:32).

Soratra Masina Fanampiny