Boky sy lesona
Toko 23: Ny Fanasan’ny Tompo


Toko 23

Ny Fanasan’ny Tompo

Sary
Jesus Christ depicted preparing the sacrament for the Last Supper.

Nampiditra ny Fanasan’ny Tompo i Kristy

  • Inona no ampianarin’ireo marika ampiasaina amin’ny Fanasan’ny Tompo momba ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy?

Tian’ny Mpamonjintsika isika hahatsiaro ilay sorompanavotana lehibe ary hitandrina ny didiny. Mba hanampiana antsika hanao izany, dia nandidy antsika Izy mba hivory matetika ary handray ny fanasan’ny Tompo.

Ny fanasan’ny Tompo dia ôrdônansin’ny fisoronana masina izay manampy antsika hahatsiaro ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy. Mandritra ny fanasan’ny Tompo dia mandray ny mofo sy rano isika. Ataontsika izany ho fahatsiarovana ny nofony sy ny rany izay natolony hatao sorona ho antsika. Rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo isika, dia manavao ny fanekempihavanana nataontsika tamin’ny Raintsika any An-danitra.

Fotoana fohy talohan’ny nanomboana Azy tamin’ny hazo fijaliana, dia novoriany nanodidina Azy tany amin’ny efitrano iray ambony rihana ireo Apôstôliny. Fantany fa ho faty tsy ho ela eo amin’ny hazo fijaliana Izy. Izay no fotoana farany hiarahany amin’ireo lehilahy malalany ireo alohan’ny hahafatesany. Tiany izy ireo hahatsiaro Azy mandrakariva mba hahafahan’izy ireo ho matanjaka sy mahatoky.

Mba hanampiana azy ireo hahatsiaro izany dia nampiditra ny fanasan’ny Tompo Izy. Novakiny ny mofo ary nohamasininy. Dia hoy Izy hoe: “Raiso, hano; ity no fahatsiarovana ny vatako izay nataoko sorona ho anareo” (Dikantenin’i Joseph Smith, Matio 26:22). Avy eo dia noraisiny ny kapoaka misy divay dia nohamasininy, dia nomeny ny Apôstôliny mba hosotroin’izy ireo, ary hoy Izy: “Ity dia ho fahatsiarovana ny rako, … , izay alatsaka ho an’ireo rehetra izay mino Ahy, ho famelana ny fahotany” (Dikanten’i Joseph Smith, Matio 26:24; jereo koa Matio 26:26–28; Marka 14:22–24; Lioka 22:15–20).

Taorian’ny Fitsanganany tamin’ny maty, dia tonga tany Amerika ny Mpamonjy ary nampianatra ny Nefita izany ôrdônansy izany ihany koa (jereo 3 Nefia 18:1–11; 20:1–9). Rehefa naverina indray tamin’ny andro farany ny Fiangonana, dia nandidy ny olony indray i Jesoa mba handray ny fanasan’ny Tompo ho fahatsiarovana Azy izay nilaza hoe: “Ilaina ny hiarahan’ny fiangonana mivory matetika mba handray ny mofo sy ny divay ho fahatsiarovana an’i Jesoa Tompo” (F&F 20:75).

Ny Fomba Fikarakarana ny Fanasan’ny Tompo

Ny soratra masina dia manazava tsara ny fomba tokony hikarakarana ny fanasan’ny Tompo. Mivory isaky ny andro Sabata ny mpikamban’ny Fiangonana mba hitsaoka sy handray ny fanasan’ny Tompo (jereo F&F 20:75). Ny fanasan’ny Tompo dia karakarain’ireo izay mihazona ny fahefan’ny fisoronana ilaina amin’izany. Ny mpisorona na ny mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka no manapotipotika kely ny mofo sy mandohalika ary manamasina izany (jereo F&F 20:76). Ny diakona na ny mpihazona ny fisoronana hafa avy eo no mizara ny mofon’ny fanasan’ny Tompo amin’ny mpiangona. Dia manamasina ny rano indray ny mpisorona na ny mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka ary mizara izany koa amin’ny mpikambana. Nomen’i Jesoa divay ny mpianany tamin’Izy nampiditra ny Fanasan’ny Tompo. Kanefa, tao amin’ny fanambaran’ny andro farany iray dia nilaza Izy fa tsy mampaninona izay hohanintsika na hosotrointsika mandritra ny fanasan’ny Tompo fa rehefa mahatsiaro Azy fotsiny isika (jereo F&F 27:2–3). Ankehitriny, ny Olomasin’ny Andro Farany dia misotro rano fa tsy divay.

Nambaran’i Jesoa ireo teny tokony holazaina ao anatin’ny vavaka anankiroa ho an’ny Fanasan’ny Tompo. Tokony hihaino tsara ireo vavaka tena kanto ireo isika ary miezaka ny hahatakatra ny zavatra ampanantenaintsika sy ny zavatra ampanantenaina antsika. Izao no vavaka atao amin’ny fanamasinana ny mofo:

“Andriamanitra Ray Mandrakizay ô, mangataka Anao izahay, amin’ny anaran’ny Zanakao Jesoa Kristy hitahy sy hanamasina ity mofo ity ho an’ny fanahin’ireo rehetra izay mandray amin’izany, mba hahazoany mihinana ho fahatsiarovana ny vatan’ny Zanakao sy hijoroany ho vavolombelona Aminao, Andriamanitra Ray Mandrakziay ô, fa vonona izy ireo ny hitondra ny anaran’ny Zanakao, ny hahatsiaro Azy mandrakariva ary ny hitandrina ny didiny izay efa nomeny azy ireo; mba hananany mandrakariva ny Fanahiny miaraka aminy. Amena” (F&F 20:77).

Izao no vavaka atao amin’ny fanamasinana ny rano:

“Andriamanitra Ray Mandrakizay ô, mangataka Anao izahay amin’ny anaran’ny Zanakao Jesoa Kristy, hitahy sy hanamasina ity divay [rano] ity ho an’ny fanahin’ireo rehetra izay misotro amin’izany, mba hahazoany manao izany ho fahatsiarovana ny ran’ny Zanakao izay nalatsaka ho azy ireo; mba hijoroany ho vavolombelona Aminao Andriamanitra Ray Mandrakizay ô, fa hotsaroany mandrakariva Izy, mba hananany ny Fanahiny miaraka aminy. Amena” (F&F 20:79).

Atao amim-pahatsorana sy amim-panajana tanteraka ny ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo.

  • Vakio tsara ireo vavaka amin’ny fanasan’ny Tompo ireo. Eritrereto ny dikan’ny andian-teny tsirairay avy.

Ireo Fanekempihavanana izay Havaozintsika Mandritra ny Fanasan’ny Tompo

  • Inona avy ireo fanekempihavanana izay havaozintsika mandritra ny fanasan’ny Tompo? Inona avy ireo fitahiana ampanantenain’ny Tompo antsika rehefa mitandrina ireo fanekempihavanana ireo isika?

Isaky ny mandray ny fanasan’ny Tompo isika, dia manavao ireo fanekempihavanana amin’ny Tompo. Ny fanekempihavanana dia fampanantenana masina eo amin’ny Tompo sy ny zanany. Voalaza mazava ao amin’ny vavaka amin’ny fanasan’ny Tompo ireo fanekempihavanana ataontsika ireo. Zava-dehibe ny mahafantatra hoe inona ireo fanekempihavanana ireo ary inona no dikany.

Manao fanekempihavanana isika fa vonona ny hitondra ny anaran’i Jesoa Kristy eo amintsika. Amin’ny alalan’izany dia mampiseho isika fa vonona hiaraka Aminy sy ny Fiangonany. Manolo-tena ny hanompo Azy sy ny namantsika isika. Mampanantena isika fa tsy hitondra henatra na fahafaham-baraka ho an’izany anarana izany.

Manao fanekempihavanana isika fa hahatsiaro mandrakariva an’i Jesoa Kristy. Ny eritreritsika sy ny fahatsapantsika ary ny zavatra ataontsika rehetra dia hifototra Aminy sy ny asa nanirahana Azy.

Mampanantena isika fa hitandrina ny Didiny.

Raisintsika ireo andraikitra ireo rehefa vita batisa isika (jereo F&F 20:37; Môsià 18:6–10). Noho izany, rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo isika, dia manavao ireo fanekempihavanana nataontsika tamin’ny fotoana nanaovana batisa antsika. Nomen’i Jesoa antsika ny fomba fandraisana ny fanasan’ny Tompo (jereo 3 Nefia 18:1–12) ary nolazainy fa raha manaraka izany fomba izany isika, sy mibebaka amin’ny fahotantsika ary mino ny Anarany, dia hahazo famelan-keloka (jereo Dikantenin’i Joseph Smith, Matio 26:24).

Mampanantena ny Tompo fa raha mitandrina ny fanekempihavanantsika isika, dia hanana mandrakariva ny Fanahiny miaraka amintsika. Ny olona iray tarihin’ny Fanahy dia hanana fahalalana, finoana, hery sy hatsaram-panahy hahazoana ny fiainana mandrakizay.

  • Inona no azontsika atao mba hahatsiarovana ireo fampanantenana ireo mandritra ny herinandro?

Ny Fitondrantenantsika Rehefa Mandray ny Fanasan’ny Tompo

  • Ahoana no fomba hanomanantsika ny tenantsika amin’ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo? Inona no zavatra afaka eritreretintsika mandritra ny fanasan’ny Tompo mba hanampiana antsika hahatsiaro ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy?

Alohan’ny handraisana ny fanasan’ny Tompo, dia tokony hiomana ara-panahy isika. Nanamafy ny Tompo fa tsy misy olona na dia iray aza tokony handray ny fanasan’ny Tompo tsy amim-pahamendrehana. Midika izany fa tokony hibebaka amin’ny fahotantsika isika alohan’ny handraisana ny fanasan’ny Tompo. Hoy ny soratra masina hoe: “Raha nisy nandika lalàna, dia aoka izy tsy handray raha tsy efa namitram-pihavanana” (F&F 46:4). Nanome didy an’ireo mpianany Nefita roa ambin’ny folo ny Tompo hoe: “Tsy hisy havelanareo hinia handray amin’ny nofoko sy ny rako tsy amim-pahamendrehena, rehefa hohamasininareo izany; fa na zovy na zovy no mihinana sy misotro ny nofoko sy ny rako tsy amim-pahamendrehana dia mihinana sy misotro fanamelohana ho an’ny fanahiny” (3 Nefia 18:28–29).

Mandritra ny fotoan’ny fanasan’ny Tompo dia tokony hanala ao an‑tsaintsika ireo eritreritra miompana amin’ny zavatr’izao tontolo izao isika. Tokony ho vontom-bavaka sy feno fanajana isika. Tokony hieritreritra ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy isika ary ho feno fankasitrahana noho izany. Tokony handinika ny fiainantsika isika ary hitady fomba hivoarana. Tokony hanavao ny fahavononantsika hitandrina ny didy isika.

Tsy ilaina ho tonga lafatra isika alohan’ny handraisana ny fanasan’ny Tompo, saingy mila manana ilay toe-tsaina mibebaka ao am-pontsika. Ny fitondrantenantsika rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo dia misy fiantraikany amin’ny zavatra iainantsika eo am-pandraisana izany. Raha mandray ny fanasan’ny Tompo miaraka amin’ny fo madio isika, dia hahazo ireo fitahiana nampanantenain’ny Tompo.

  • Nahoana araka ny eritreritrao no mampitombo ny herinao ara-panahy ny fandraisana amim-pahamendrehana ny fanasan’ny Tompo?

Soratra Masina Fanampiny