Boky sy lesona
Toko 47: Fisandratana


Toko 47

Fisandratana

Sary
Two planets orbiting in a sky where clouds show swirlling movement.

Ilay Drafitra ho an’ny Fivoarantsika

Fony isika niara-niaina tamin’ny Raintsika any An-danitra dia nanazava drafitra iray ho an’ny fivoarantsika Izy. Afaka ny ho lasa tahaka Azy isika, izany hoe ho lasa olona nasandratra. Ilay drafitra dia nitaky ny fisarahantsika taminy sy ny fankanesantsika ety an-tany. Izany fisarahana izany dia nilaina mba hanaporofoana hoe hanaiky ny didin’ny Raintsika ve isika na dia tsy eo anatrehany intsony aza. Ny drafitra dia manambara fa rehefa tapitra ny fiainana eto an-tany dia hotsaraina isika ary hahazo ny valisoantsika araka ny halehiben’ny finoantsika sy ny fankatoavantsika.

Mianatra isika avy ao amin’ny soratra masina fa misy fanjakam-boninahitra telo any an-danitra. Nilaza ny Apôstôly Paoly fa nahafantatra lehilahy iray izy izay “nakarina ao amin’ny lanitra fahatelo” (2 Korintiana 12:2). Nomen’i Paoly ny anaran’ny roa amin’ireo fanjakana any an-danitra: ny selestialy sy ny terestrialy (jereo 1 Korintiana 15:40–42). Ny selestialy no ambony indrindra ary ny terestrialy no faharoa. Amin’ny alalan’ny fanambaran’ny andro farany no ianarantsika fa ny fanjakana fahatelo dia ny fanjakana telestialy (jereo F&F 76:81). Mianatra koa isika fa misy lanitra telo na ambaratonga ao anatin’ny fanjakana selestialy (jereo F&F 131:1).

Fisandratana

  • Inona no atao hoe fisandratana?

Ny fisandratana dia ny fiainana mandrakizay, izay karazana fiainana iainan’Andriamanitra. Miaina ao anatin’ny voninahitra lehibe Izy. Lavorary Izy. Manana ny fahalalana sy ny fahendrena rehetra Izy. Rain’ireo zanaka fanahy Izy. Izy no mpahary. Afaka ny ho lasa tahaka ny Raintsika any An-danitra isika. Izany no fisandratana.

Raha porofointsika fa mahatoky isika eo anatrehan’ny Tompo dia hiaina any amin’ilay ambaratonga avo indrindra ao amin’ny fanjakana selestialin’ny lanitra. Hasandratra isika ka hiara-hiaina amin’ny Raintsika any An-danitra ao anatin’ny fianakaviana mandrakizay. Ny fisandratana no fanomezana lehibe indrindra izay azon’ny Raintsika any An-danitra omena ny zanany (jereo F&F 14:7).

Ireo Fitahiana avy amin’ny Fisandratana

  • Inona avy ireo fitahiana izay homena an’ireo izay nasandratra?

Lavorary ny Raintsika any An-danitra ary mirehareha Izy noho ny fahafahan’ny zanany ho lasa tahaka Azy. Ny asany sy ny voninahiny dia ny “manatanteraka ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ny olona” (Mosesy 1:39).

Ireo izay mahazo ny fisandratana any amin’ny fanjakana selestialy amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy dia hahazo fitahiana manokana. Nampanantena ny Tompo fa, “ny zava-drehetra dia azy ireo” (F&F 76:59). Ireto ny sasany amin’ireo fitahiana azon’ny olona nasandratra:

  1. Hiaina mandrakizay eo anatrehan’ny Ray any An-danitra sy Jesoa Kristy izy ireo (jereo F&F 76:62).

  2. Ho lasa andriamanitra izy ireo (jereo F&F 132:20–23).

  3. Ho tafaray mandrakizay amin’ireo olo-marina ao amin’ny fianakaviany izy ireo ary hanana fahafahana hitombo mandrakizay.

  4. Hahazo ny fahafenoan’ny fifaliana izy ireo.

  5. Hahazo ny zavatra rehetra izay ananan’ny Raintsika any An-danitra sy Jesoa Kristy izy ireo—ny hery, ny fiandrianana sy ny fanapahana ary ny fahalalana rehetra (jereo F&F 132:19–20). Nanoratra ny Filoha Joseph Fielding Smith hoe: “Nampanantena tamin’ny alalan’ny Zanaka ny Ray fa ny zava-drehetra ananany dia homena ireo izay mankatò ny didiny. Hitombo fahalalana, fahendrena sy hery izy ireo, ka hitombo hahazo fahasoavana hatrany hatrany mandra-pitataovovonan’ny andro izay ho tonga amin’ny fotoana tsy ampoizina” (Doctrines of Salvation, natambatr’i Bruce R. McConkie, boky 3. [1954–56], 2:36; soramandry tany amin’ny boky niaingana).

Ireo Zavatra Takiana amin’ny Fisandratana

Izao no fotoana hanatanterahana ireo zavatra takian’ny fisandratana (jereo Almà 34:32–34). Hoy ny Filoha Joseph Fielding Smith hoe:“Mba hahazoana ny fisandratana dia tokony hanaiky ny filazantsara sy ny fanekempihavanana rehetra ao anatin’izany isika, hiantsoroka ny adidy napetrak’Andriamanitra sy handeha ao anatin’ny fahazavana sy fahatakarana ny fahamarinana ary ‘hiaina araka izay teny aloaky ny vavan’Andriamanitra’” (Doctrines of Salvation, 2:43).

Raha te hasandratra dia tsy maintsy mametraka ny finoantsika amin’i Jesoa Kristy aloha isika ary avy eo maharitra hatramin’ny farany ao anatin’izany finoana izany mandrapatapitry ny fiainantsika. Tsy maintsy lehibe ny finoantsika Azy ka mibebaka amin’ny fahotantsika isika ary mankatò ny didiny.

Nodidiany isika rehetra mba handray ôrdônansy vitsivitsy:

  1. Tsy maintsy hatao batisa isika.

  2. Tsy maintsy mandray ny fametrahan-tanana mba ho raisina ho mpikamban’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy sy handray ny Fanahy Masina isika.

  3. Ny rahalahy dia tsy maintsy mandray ny Fisoronana Melkizedeka ary manandriana ny antsony ao amin’ny fisoronana.

  4. Tsy maintsy mandray ny fanafiana masina any amin’ny tempoly isika.

  5. Tsy maintsy manao fanambadiana mandrakizay isika na izany eto amin’ny fiainana an-tany na any amin’ny fiainana ho avy.

Ankoatra ny fandraisana ireo ôrdônansy takiana ireo dia nodidian’ny Tompo isika rehetra mba:

  1. Hitia an’Andriamanitra sy ny namantsika.

  2. Hitandrina ny didiny.

  3. Hibebaka amin’ireo zavatra ratsy nataontsika.

  4. Hanao fikarohana momba ireo razambentsika ary handray ny ôrdônansin’ny filazantsara mitondra famonjena ho azy ireo.

  5. Hanatrika ny fivoriam-piangonantsika tsy tapaka araka izay tratra mba hahafahantsika hanavao ny fanekempihavanan’ny batisantsika amin’ny alalan’ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo.

  6. Hitia ny fianakaviantsika sy hanampy azy ireo hiaina araka ny lalan’ny Tompo.

  7. Hanao vavaka manokana sy miaraka amin’ny fianakaviana isan’andro.

  8. Hampianatra ny hafa ny filazantsara amin’ny alalan’ny teny sy ny ohatra.

  9. Handalina ny soratra masina.

  10. Hihaino sy hankatò ireo teny feno fitaomam-panahy avy amin’ny mpaminanin’ny Tompo.

Farany dia mila mandray ny Fanahy Masina isika sy mianatra ny manaraka ny torolalany eo amin’ny fiainantsika tsirairay manokana.

  • Ahoana no fomba hanomanan’ireo ôrdônansy sy ireo fanekempihavanana antsika amin’ny fisandratana?

  • Ahoana no fomba ahafahan’ny finoana an’i Jesoa Kristy hanampy antsika hankatò ireo didy?

  • Nahoana isika no tsy maintsy manaraka ny torolalan’ny Fanahy Masina mba hahazoana ny fisandratana?

Aorian’ny Fanehoantsika Fahatokiana sy Faharetana hatramin’ny Farany

  • Inona no mitranga rehefa naharitra hatramin’ny farany tao anatin’ny fanarahana an’i Kristy tamim-pahatokiana isika?

Nilaza ny Tompo hoe: “Raha mitandrina ny didiko ianao ary maharitra hatramin’ny farany, dia ho azonao ny fiainana mandrakizay, izay fanomezana lehibe indrindra amin’ny fanomezan’Andriamanitra” (F&F 14:7). Nilaza ny Filoha Joseph Fielding Smith hoe: “Raha toa ka hanohy hiaina araka ny fomban’Andriamanitra isika, izany hoe mitandrina ny didiny, mitsaoka Azy sy miaina ny fahamarinany dia ho avy ny fotoana izay handraisantsika ny fahafenoan’ny fahamarinana, izay hihamamiratra hatrany hatrany mandra-pitataovovonan’ny andro” (Doctrines of Salvation, 2:36).

Nampianatra ny Filoha Joseph Smith hoe: “Raha miakatra tohatra ianao dia tsy maintsy manomboka any ambany ary miakatra tsikelikely mandrapahatonganao any amin’ny tampony ary dia toy izany koa amin’ireo fitsipiky ny filazantsara—tsy maintsy manomboka any amin’ny voalohany ianao ary manohy hatrany mandrapahaizanao ireo fitsipika rehetra mikasika ny fisandratana. Saingy mbola ho fotoana lava any aorian’ny hiampitanao ny voaly [hahafatesanao] mihitsy aza vao hahalala azy rehetra ianao. Tsy natao ho takatra eto amin’ity izao tontolo izao ity daholo izany; fa ho asa lehibe ny fianarana momba ny famonjena sy ny fisandratana ho antsika eny na dia any ankoatry ny fasana aza” (Teachings of Presidents of the Church (Enseignements des Présidents de l’Église): Joseph Smith [2007], 268).

Nampianatra i Joseph Smith hoe: “Fitsipika voalohan’ny Filazantsara ny fahalalana mazava tsara ny toetoetran’Andriamanitra. … Efa nisy ny fotoana naha-olona toa antsika Azy; … Ilay Andriamanitra Raintsika rehetra dia efa niaina teo amin’ny tany iray ary toy izany koa i Jesoa Kristy” (Teachings of the Prophet Joseph Smith, nofantenan’i Joseph Fielding Smith [1976], 345–46).

Fantatry ny Raintsika any An-danitra ny olantsika sy ny fahalementsika ary ny fahotantsika. Mangoraka sy mamindra fo amintsika Izy. Tiany hahomby toa Azy mihitsy isika.

Alaivo sary an-tsaina ny mety ho fifaliantsika rehefa miverina any amin’ny Raintsika any An-danitra isika raha toa ka afaka miteny isika hoe: “Ray ô! Niaina araka ny sitraponao aho. Nahatoky aho ary nitandrina ny didinao. Faly aho fa tafody ato an-trano indray.” Dia handre Azy hiteny isika hoe: “Tsara izany … ; nahatoky tamin’ny kely ianao, dia hotendreko ho mpanapaka ny be; midira amin’ny fifalian’ny Tomponao” (Matio 25:23).

  • Vakio Matio 25:23. Eritrereto izay mety ho tsapanao raha mandre ny Tompo milaza ireo teny ireo aminao ianao.

Soratra Masina Fanampiny

  • F&F 132:3–4, 16–26, 37 (momba ny fisandratana)

  • F&F 131:1–4 (ny fanambadiana mandrakizay no fanalahidin’ny fisandratana)

  • F&F 76:59–70 (fanazavana ireo fitahiana ao amin’ny voninahitra selestialy)

  • F&F 84:20–21 (ny herin’ny toetra araka an’Andriamanitra dia miseho amin’ny alalan’ireo ôrdônansin’ny fisoronana)