2019
Bob sy Lori Thurston—Misiônan’i Cambodge Phnom Penh
Aprily 2019


Fanehoana ny finoana

Bob sy i Lori Thurston

Nanompo tany amin’ny Misiônan’i Cambodge Phnom Penh

Sary
senior missionary couple

“Latsa-dranomaso izahay rehefa nanokatra ny taratasy fiantsoana anay ka nahafantatra fa nantsoina hanompo tany amin’ny Misiônan’i Cambodge Phnom Penh. Faly ery izahay!” Hoy Rahalahy Bob Thurston. “Tsy ho nisafidy an’i Cambodge izahay kanefa tena fanomezana re izany e! Tena fitahiana izany!” Hoy Rahavavy Thurston.

Sary
senior missionary hugging Cambodian woman

Mahatsapa fifandraisana manokana amin’ireo olona tany Cambodge ry Thurston mivady. “Tianay izy ireo, ary tsapanay fa nifamaly izany fitiavana izany,” hoy Rahavavy Thurston. “Naneho hatsaram-panahy lehibe taminay ny mponin’i Cambodge.”

Sary
senior couple visiting members

Tamin’ireo andraikitra nosahaninin-dry Thurston mivady nandritra ny asa fanompoan’izy ireo dia ny fahafahana namangy ireo mpikambana tany an-tokantranony no lalain’izy ireo indrindra.

Sary
senior missionary with Cambodian woman

Tsaroan-dRahavavy Thurston izy nibanjina ireo izay notompoiny tany Cambodge sady nieritreritra hoe “Tsy andriko izay ahitana anao any amin’ny fiainana ho avy ka ahafahako milaza aminao ny zava-drehetra tsapako ho anao sy ny fitiavako anao ary ny zavatra iderako anao noho izaho tsy afaka milaza izany amin’izao.”

Tamin’ny fotoana voalohany niarahan’izy ireo nanompo, dia nianatra i Bob sy i Lori Thurston fa na dia eo aza ny sakana teo amin’ny fiteny sy ny fahasamihafan’ny kolontsaina dia afaka mitranga ny fanompoana manan-danja satria isika rehetra dia zanak’ Andriamanitra avokoa.

Leslie Nilsson, mpaka sary

Sary
Sister Thurston hugging grieving girl

Bob:

Talohan’ny nivadianay sy i Lori dia niresaka mikasika ny hanaovanay asa fanompoana izahay rehefa misotro ronono. Efa samy nanao asa fitoriana izahay taloha. Tany Kobe, Japana i Lori no nanompo ary izaho kosa tany Brisbane, Australie. Rehefa nanomboka niomana ny hisotro ronono izahay nony farany dia nilaza tamin’ireo zanakay fa te hanao asa fanompoana maro izahay.

Nanana tombony izahay fa afaka nisotro ronono mbola tanora. Rehefa naheno izahay fa ny misiônera mpivady zokiolona sasany dia tsy afaka ny hanompo any amin’ny toerana sasany toy ireo firenena an-dalam-pandrosoana noho ny olana ara-pahasalamana sy olana hafa, dia nieritreritra izahay hoe “Tsy mbola 60 taona akory izahay. Salama izahay, koa asaivo manompo any amin’ireny toerana ireny izahay!”

Roa andro monja taorian’ny tsingerin-taona faha-56 naterahako no nisotroko ronono. Raha ny marina dia mbola amperinasa aho no nandray ny taratasy fiantsoana anay mba hanompo izahay. Latsa-dranomaso izahay rehefa nanokatra ny taratasy fiantsoana anay ka nahafantatra fa nantsoina hanompo tany amin’ny Misiônan’i Cambodge Phnom Penh. Faly ery izahay!

Lori:

Tsy dia tena tao anatin’ny toerana noheverinay hoe hanompoana i Cambodge. Fa noheveriko hoe ho any Afrika na ohatrohatr’izany izahay. Nanomboka nanontany tena izahay hoe “Eny ary, inona no zavatra tsy fahita miandry antsika?” Tsy ho nisafidy an’i Cambodge izahay kanefa tena fanomezana re izany e! Tena fitahiana izany! Mahataka-davitra noho isika ny Tompo. Any amin’ny toerana tokony hisy antsika no andefasany antsika.

Fanampiana olona nfanompoana nataonay. Tamina tetik’asa fanaovana asa soa OAF no niasanay, nanaovanay tatitra ary nangatahanay tetik’asa vaovao. Nanaramaso ireo tetik’asa teo aloha ihany koa izahay, toy ireo lava-drano izay voalavaka roa taona taloha. Nanompo tamin’ny fomba hafa ihany koa izahay.

Nanatrika fivoriamben’ny tsatóka sy distrika izahay mba hanampy tamin’ny fanofanana mpitarika sy misiônera, hanaramaso ny toeram-ponenan’ny misiônera ary namangy ny mpikambana tany an-tokantranony. Zavatra maro no nataonay nanampiana ny misiôna mba handeha tamin’ny fomba mahomby tsara.

Tsy mba nisy andro nitovy mihitsy nandritra ny fanompoanay. Tamin’ny fotoana sasany izahay dia teny amin’ny tany ngazana, na niroboka tao anaty rano na fotaka hatreny an-dohalika. Ny fotoana hafa dia lany tao amin’ny biraon’ny misiôna. Niaraka nitsidika ny ministeran’ny sekta sy ny fivavahana tamin’ireo misiônera misahana ny serasera izahay. Any Cambodge ny teny hoe “sekta” dia tsy voatery hidika zavatra ratsy. Ny Bodisma no fivavahana ôfisialy ary ny zavatra hafa rehetra dia raisina ho toy ny sekta avokoa. Nitsidika izany ministera izany izahay mba hanamafy fa ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia fikambanana tsara ary azo antoka.

Nampivoatra fifandraisana tsara tamin’izy ireo izahay ary mailaka ery izy ireo ny hangataka fanampiana. Sady niantso izy ireo no niteny hoe “Nisedra tondra-drano izahay ary mila sakafo ho ana-fianakaviana 200 isa izay nafindra toerana.” Fanatr’izy ireo fa afaka miantehitra amin’ny Fiangonana izy ireo raha hitondra zavatra faingana amin’ny toerana ilana izany sy hameno ireo zavatra tsy nananan’izy ireo.

Inona no zavatra niainanay tany Cambodge? Izay zavatra rehetra azonao eritreretina dia mety efa nolalovanay avokoa! Efa nipetraka tamin’ny gorodona faran’izay tsotra tany amin’ny tokantrano faran’izay sahirana izahay. Matetika ireo gorodona no vita amin’ny tany na bambo. Efa tany amin’ny tokantrano lehibe sy tsara tarehin’ireo manampahefan’ny fitondram-panjakana ihany koa izahay. Ary nisy fotoana aza i Bob nanompo tao amin’ny fiadidian’ny sampana iray.

Bob:

Niantso ahy ny filohan’ny misiôna sady niteny hoe “Salama, tiako ianao mba ho mpanolotsaina faharoa ao amin’ny sampana iray.” Herintaona sy tapany taty aoriana dia tafaraka tao amin’ny efitrano famehezana tany amin’ny Tempolin’i Hong Kong Chine izaho sy ilay filohan’ny sampana niara-nanompo tamiko. Vao sambany izy tamin’izay no niditra ny tempoly! Nanangom-bola izy sy ny fianakaviany ary im-pito no nanandrana ny ho any amin’ny tempoly fa nisy fahasamponana foana na misy olona marary. Nisy zavatra foana nanakana ny dian’izy ireo. Afaka fito taona dia 40 dôlara monja no voangon’izy ireo.

In-telo nandritra ny fotoana nanompoanay izahay dia afaka nanampy Olomasin’ny Andro Farany tany Cambodge ho any amin’ny tempoly. Maro ireo filohan’ny sampana izay nampanao dinika sy tafa ho amin’ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly kanefa tsy mbola tany amin’ny tempoly mihitsy no nentinay nankany amin’ny tempoly. Tany Cambodge dia farafaharatsiny nisy misiônera mpivady iray nanampy ireo fianakaviana ireo tamin’ny dian’izy ireo ho any amin’ny tempoly. Mila olona miaraka aminy izy ireo satria tsy hain’izy ireo ny mandeha fiaramanidina. Maro tamin’izy ireo no tsy mbola nandeha fiara fitateram-bahoaka akory! Ka izao izy ireo dia handeha fiaramanidina ho any Hong Kong hizotra ho any amin’ny tempoly. Sarotra ho azy ireo ny nanao izany samirery. Feno fankasitrahana izahay ny amin’ny kitapom-bola faobe hanampiana ny olona handeha any amin’ny tempoly izay nanampy tamin’ny fikarakarana azy ireo.

Lori:

Mananosarotra ny toeran’ny mpikamban’ny Fiangonana any Cambodge. Amin’ny ankapobeny, eo amin’ny sehatry ny firenena mihitsy i Cambodge no tsy mba manana toe-tsaina mitandrina ny andro Sabata. Izay rehetra mandeha any am-piangonana dia tsy maintsy manao fahafoizan-tena raha te ho any.

Eo ihany koa ny hoe enina isan-jaton’ny mponina ao Cambodge no Silamo raha roa isan-jato monja no Kristianina, ary ny ambiny dia Bodista. Sarotra be ny fiovana avy amin’ny toe-piainana Bodista ho amin’ny toe-piainana Kristianina. Misy olona sasany mbola very asa ihany, ary im-betsaka izy ireo no iatakatahan’ny hafa eo amin’ny fiaraha-monina.

Olana goavana ihany koa ny fahafolonkarena. Misy ireo moanina Bodista mandalo isa-maraina ka mangataka vary na vola kely dia zatra izany ny olona. Kanefa rehefa hoe mampiasa ny ampahany amin’ny karama mba handoavana fahafolonkarena dia olana be.

Maro ireo olona efa nandalo fijaliana mavesatra teo amin’ny fiainany. Noho ny Khmer Rouge, antoko kaominista nitondra an’i Cambodge tamin’ny faraparan’ny taona 70, ireo olon-drehetra izay 40 taona no mihoatra dia manana tantara mampihoron-koditra avokoa. Tsy nisy na dia iray aza olona sendra ahy ka tsy niharan’ny voka-dratsin’izany. Ny olon-drehetra dia samy nanana havana maty novonoina. Na dia teo aza ny zavatra maro nolalovan’izy ireo dia tsy nampino ahy ny mbola maha-be fandeferana azy ireo sy ny finiavan’izy ireo ny hiezaka hatrany. Kanefa ambonin’ny fandeferan’izy ireo dia maro no mbola tsy ampy fahatokian-tena. Maro no tsy mahatsapa ny tenany ho manan-danja na mendrika zavatra.

Tena nahagaga ny nahita ny fomba nanampian’ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy hampivelatra ny tenan’izy ireo. Rehefa takatr’izy ireo fa tsy vitan’ny hoe mahatalanjona izy ireo fa sady zanak’ Andriamanitra ihany koa dia hoy izy ireo hoe “Angaha, marina ve? Manana anjara biriky aho ankehitriny.”

Tena hitombo ny Fiangonana any Cambodge. Olona mahavariana maro no voasarika ao amin’ny Fiangonana. Mpisava lalana ireo Olomasina any ary ireo izay tena mandala ny filazantsara dia voatahy amin’ny fomba maro noho ny fahafantaran’izy ireo ny Mpamonjy. Tena mahavariana izany.

Misy mpikambana maro sy paroasy tena matanjaka manodidina ny toerana iray antsoina hoe “Trash Mountain,” izay fanariam-pako ankalamanjana hitoeran’ny olona. Mpitsindroka sy mpanangona zavatra ny mpikambana tao. Manodina ny plastika sy ny vifotsy izay alain’izy ireo avy ao amin’ny fanariam-pako no fidiram-bolan’izy ireo. Mipetraka amina trano bongo kely, izay efa notsidihanay im-betsaka, izy ireo.

Bob:

Indray andro dia nahare feon-kira nandeha mafy be izahay ka tsikaritray fa nisy lay iray natsangana. Any Cambodge izany dia midika fa na misy olona iray manambady na olona iray maty.

Lori:

Renay fa nisy renim-pianakaviana nanan-janaka dimy na enina vao maty. Tsy teo ny vadiny. Vao taitra tamin’ny torimasony ireo ankizy no nahatsikaritra fa maty ny renin’izy ireo.

Ny zanany vavy iray nigogogogo nitomany. Tamin’ny alalan’ny mpandika teny iray no nilazany hoe “Izaho no vavimatoa. Ireo daholo no iray tampo amiko. Tsy haiko hoe inona izao no hataoko.”

Nofihiniko mafy izy. Amin’ny fomba ahoana moa no tsy hanaovako izany? Vao maty reny io zazavavy kely io. Tamin’ny teny anglisy no niresahako sy nilazako taminy hoe: “Fantatro fa tsy azonao izay lazaiko fa mampanantena anao aho fa mbola ho hitanao indray ny reninao. Tsy haninona ianao. Tsy ho avela irery ianao.”

Zavatra niainana maro toy ireny no nahatonga anay ho nanana fifandraisana manokana tamin’ireo olona tany Cambodge.

Tsapanay fa nifamaly izany fitiavana izany. Naneho hatsaram-panahy lehibe taminay ny mponin’i Cambodge. Tianay izy ireo satria zanak’ Andriamanitra. Mpirahalahy sy mpirahavavy amintsika izy ireo.

Niaraka tamin’ny olona vitsivitsy dia tsaroako aho nieritreritra toy izao “Tsy andriko izay ahitana anao any amin’ny fiainana ho avy ka ahafahako milaza aminao ny zava-drehetra tsapako ho anao sy ny fitiavako anao ary ny zavatra iderako anao noho izaho tsy afaka milaza izany amin’izao.”

Nitahy anay tamin’ny fomba maro ny asa fanompoana nataonay. Misy olona miteny hoe: ‘Tsy haiko raha ho afaka handeha hanao asa fanompoana aho. Tsy foiko ny handao ireo zafikeliko.” Nanana zafikely lahy dimy izahay rehefa niala tany, izay efatra, telo, roa, ary iray taona. Nisy zafikely vavy roa teraka tamin’ny fotoana tsy naha-teo anay. Hotehiriziko ny roa amin’ireo mari-pamantarana ny anarako fony aho misiônera tany Cambodge dia homeko ireo zafikeliko vavy ireo mba hahafantaran’izy ireo hoe tsy teo i Bebe satria nanao izay nilain’ny Tompo mba hataony izy.

Bob:

Maro ireo fomba ahafahana manompo ny Tompo rehefa misiônera. Amim-kitsim-po no inoanay ny nolazain’ny Loholona Jeffery R. Holland momba ny asa fanompoana ataon’ireo misiônera zokiny. Hoy izy: “ mampanantena aho fa hanao zavatra ho [an’ny fianakavianareo] eo amin’ ny fanompoana ny Tompo ianareo izay, tontolo tsy hisy fiafarana, tsy ho vitanareo raha toa ianareo ka mijanona ao an-tokantrano miaraka amin’ izy ireo. Inona no mety ho fanomezana lehibe kokoa atolotr’ ireo raibe sy renibe ho an’ ny taranany mihoatra ny fitenenana amin’ ny fihetsika sy teny hoe: “Mpanompo any amin’ ny misiôna ity fianakaviana ity!” [“Mpandray anjara avokoa isika,” Liahona, nôv. 2011, 46.]”