2019
Ahoana no ahafahan’ny tsodranon’ny patriarika noraisiko manampy ahy handray fanapahan-kevitra?
Aprily 2019


Fanontaniana & valiny

“Ahoana no ahafahan’ny tsodranon’ny patriarika noraisiko manampy ahy handray fanapahan-kevitra?”

Sary
girl walking

Ny Liahona an’ny tenantsika manokana

Iray amin’ireo fomba hanampian’ny Ray any An-danitra antsika hahafantatra ny maha-izy-azy antsika tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana sy mandritra ny fiainana an-tany ary any amin’ny mandrakizay ny tsodranon’ny patriarika. Ny fahafantarana ireo fahamarinana telo momba ny tenantsika ireo dia manampy antsika hanaraka ny drafitr’ Andriamanitra ho antsika. Fantatsika hoe iza isika, nahoana isika no ety an-tany, ary aiza no mety hahatongavantsika. Tahaka ny niasan’ny Liahona arakaraka ny finoana sy ny fahazotoan’i Nefia sy ny fianakaviany tamin’ny fanarahana ny torohevitra avy amin’izany (jereo ny 1 Nefia 16:28), isika ihany koa dia afaka ny ho mahatoky sy mazoto amin’ny fanarahana ny Liahona an’ny tenantsika manokana sy ny torohevitra avy amin’izany izay hitarika antsika ho amin’ny fahafahantsika ho tonga tahaka an’ Andriamanitra.

Elder Utai, 20 taona, Misiônan i Arzantina Salta

Fomba fijery mibanjina ny mandrakizay

Isaky ny mahatsapa tena ho very hevitra aho amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra dia mitodika amin’ny tsodranon’ny patriarika nomena ahy ary misaintsaina ireo fanambarana avy amin’ Andriamanitra raketin’izany. Avy eo dia lasa mora ny fandraisana fanapahan-kevitra. Tsy vitan’ny hoe manampy ahy hiaritra ny fiainana an-tany sy hioty ireo fitahiana nampanantenaina izany fa mampahatsiahy ahy ihany koa ny hanomanako ny tenako mba ho mendrika ny hiditra ny fanjakan’ny Tompo indray andro any. Izany dia manampy ahy tsy tapaka hitombo ao amin’ny finoana sy fahatokiana ny sitrapon’ny Tompo ary hiaina amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay.

Abegail F., 18 taona, Cagayan Valley, Filipina

Torohevitra avy any an-danitra

Ny tsodranon’ny patriarika nomena ahy dia manome ahy torohevitra avy amin’ny Raiko any An-danitra. Rehefa manaraka izany torohevitra izany aho dia fantatro fa hahazo fanambarana amin’ireo fanapahan-kevitra ilaiko raisina. Valiny ny sasany amin’ireo fanontaniako ary mialoha ny hametrahako azy ireny mihitsy aza.

Cami H., 16 taona, Utah, Etazonia

Mihaino ny Fanahy

Raha mitady fampiononana sy fitarihana na valinteny ho an’ny fanontaniana mavaivay ianao dia azonao entina am-bavaka amin-kitsim-po izany ary vakio amin-kitsim-po ny tsodranon’ny patriarika nomena anao eo am-pihainoanao ny Fanahy. Manampy ihany koa ny mandalina ny soratra masina. Mino aho fa raha manao izany omban’ny tena finoana ianao dia hamaly anao amin’ny fotoany sy amin’ny fomba tsara indrindra ny Tompo.

Kezia B., 15 taona, Hawaii, Etazonia

Fitahiana nampanantenaina

Ny tsodranon’ny patriarika dia manambara amintsika ny zavatra tian’ Andriamanitra hitahiana antsika. Omeny fampitandremana isika ary hazavainy ny fomba ahafahantsika ho tonga bebe kokoa tahaka Azy. Rehefa fantatsika ny zavatra ananan’ny Ray any An-danitra ho antsika sy ny fomba hahazoana izany dia hisafidy sy hanao asa mifanaraka amin’izany isika mba hahazoana izany.

Hunter H., 18 taona, Utah, Etazonia