2019
Matokia ny fanafahan’ny Mpamonjy.
Aprily 2019


Matokia ny fanafahan’ny Mpamonjy

Nalaina avy tamin’ny lahateny iray mitondra ny lohateny hoe, “Ny herim-panafahana,” izay nozaraina tao amin’ny Onivesiten’i Brigham Young tamin’ny 15 janoary 2008.

Ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy sy ny Fitsanganany tamin’ny maty dia manome Azy ny hery hankahery antsika amin’ny fitsapana antsika na hanafaka antsika amin’izy ireny.

Sary
image of the Savior with arms outstretched

SOMBINY AVY TAMIN’NY NOHO IZANY ANTONY IZANY, NATAON’I YONGSUNG KIM, NAHAZOANA LALANA AVY TAMIN’NY HAVEN LIGHT

Ho an’ireo izay namoy olon-tiana, dia mety hampalahelo sy hangina ny fotoana aorian’ny fahalasanan’izy ireny, ary ho mafy kokoa izany ho an’ireo izay tsy manana fahalalana sy fijoroana ho vavolombelona momba ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika sy ny Fitsangany tamin’ny maty. Tsaroanareo ireo mpianany anankiroa be fisalasalana teny an-dalana ho any Emaosy. Nanatona azy ireo ny Tompo efa nitsangana tamin’ny maty ary nanontany hoe nahoana izy ireo no nalahelo. Manome antsika ny valiny i Lioka:

“Ary hoy izy roa lahy taminy: Ny amin’ i Jesosy avy any Nazareta, mpaminany mahery tamin’ny asa sy ny teny teo anatrehan’ Andriamanitra sy ny vahoaka rehetra,

“dia ny amin’ny nanoloran’ny lohan’ny mpisorona sy ny mpanapaka eto amintsika Azy hanamelohany Azy ho faty, sy ny nanomboany Azy tamin’ny hazo fijaliana.

“Nefa nantenainay fa Izy no Ilay efa hanavotra ny Isiraely” (Lioka 24:19–21).

Mahazo fankaherezana isika rehefa manana fahalalana sy fijoroana ho vavolombelona fa Izy no efa nanavotra ny Isiraely. Izy no “nanapatapaka ny famatoran’ny fahafatesana” (Môsià 15:23). Izy no lasa “santatr’izay efa nodi-mandry” (1 Korintiana 15:20). Izy no nampisy ireo fanekempihavanan’ny tempoly izay mamatotra antsika mandrakizay amin’ireo izay efa “tiantsika hatry ny ela, ary very nisy fotoana!”1

Amin’izao vanin’andron’ny Paska izao aho dia te hizara ampahana hafatra natao nandritra ny fampaherezam-panahy izay nozaraiko taona vitsy lasa izay momba ny herim-panafahan’ny Mpamonjy. Nampahery ahy izany teo am-panomanako izany sy teo am-pizarako izany. Mivavaka aho mba hampahery anareo izany rehefa vakinareo.

Mitsahatra aloha ny fiainan’ny sasany ary izany ihany koa no hiseho amintsika rehetra. Isika tsirairay avy dia hotsapaina amin’ny alalan’ny fiatrehana ny fahafatesan’ny olona iray tiantsika.

Indray andro aho dia nihaona tamina lehilahy iray izay tsy hitako hatry ny nahafatesan’ny vadiny. Fihaonana tampoka nandritra ny fotoam-pialantsasatra nahafinaritra izany. Nitsiky izy raha nanatona ahy. Raha nahatsiaro ny fahafatesan’ny vadiny aho dia niarahaba azy tamim-pitandremana aho hoe: “Manao ahoana ianao?”

Nisinda ilay tsiky teny aminy ary lasa nanganohano ny masony, dia nilaza moramora izy sady tamim-paharisihana lehibe hoe: “Tsy maninona aho. Saingy tena sarotra be.”

Tena sarotra izany araka ny efa tsikaritry ny ankamaroanareo ary isika rehetra dia hisy fotoana hahafantatra izany. Ny ampahany tena sarotra ao amin’izany fitsapana izany dia ny mahafantatra izay tokony hatao amin’ilay fahoriana sy ilay fanirery ary ny fahaverezana izay mety ho tsapatsika tahaka ny hoe very izany ny ampahany amintsika. Mety hitoetra tahaka ny areti-mitaiza ny alahelo. Ary ho an’ny sasany dia mety hitsy fahatsapana fahatezerana na zavatra tsy rariny.

Fantatry ny Mpamonjy ny alahelontsika

Ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy sy ny Fitsanganany tamin’ny maty dia manome Azy ny hery hanafaka antsika amin’ny fitsapana toy izany. Tamin’ny alalan’ny zavatra niainany dia lasa nahafantatra ny alahelontsika rehetra Izy. Azony nofantarina izany tamin’ny alalan’ny fitarihan’ny Fanahy, saingy nisafidy ny hahafantatra izany tamin’ny alalan’ny fiainany izany manokana Izy. Toy izao ilay tantara:

“Ary indro, haterak’i Maria Izy, ao Jerosalema izay tanin’ny razambentsika, izy izay virijiny sady fanaka iray sarobidy sy nofinidy izay halofana sy hitoe-jaza noho ny herin’ny Fanahy Masina, ary hiteraka zazalahy, eny, dia ny Zanak’ Andriamanitra.

“Ary handeha Izy, hiaritra fanaintainana sy fahoriana ary fakam-panahy isan-karazany; ary izany dia ny mba hahatanteraka ny teny izay milaza fa hitondra eo Aminy ny fanaintainana sy ny aretin’ny olony Izy.

“Ary haka ny fahafatesana ho eo Aminy Izy, mba hahazoany mamaha ny famatoran’ny fahafatesana izay mamatotra ny olony; ary haka ny rofiny ho eo aminy Izy mba hahatonga ny ao anatiny ho feno famindram-po araka ny nofo, mba hahafantarany araka ny nofo ny fomba hanampiana ny vahoakany arakaraka ny rofiny” (Almà 7:10–12).

Sary
Jesus Christ praying

SOMBINY AVY TAMIN’NY TOMPO TIA VAVAKA, NATAON’I YONGSUNG KIM, NAHAZOANA LALANA TAMIN’NY HAVEN LIGHT

Hiezaka ny hahatakatra ny alahelonao amin’ny famoizana olon-tiana ny olona tsara manodidina anao. Mety hahatsapa alahelo izy ireo. Ny Mpamonjy dia tsy hoe mahatakatra sy mahatsapa alahelo fotsiny fa mahatsapa ihany koa ny alahelonao manokana izay ianao ihany no mahatsapa azy. Ary fantany tanteraka ianao. Fantany ny ao am-ponao.

Asao ny Fanahy Masina

Ny Mpamonjy dia afaka mahafantatra hoe inona amin’ireo zavatra maro azonao atao no tena tsara ho anao rehefa manasa ny Fanahy Masina hankahery sy hitahy anao ianao. Ho fantany hoe aiza no tena tsara hanombohanao. Indraindray mety hoe mivavaka izany. Indraindray mety hoe mandeha mankahery olon-kafa izany. Mahafantatra mpitondratena iray malemin’ny aretina aho izay nentanin’ny Fanahy hitsidika mpitondratena iray hafa. Tsy tany aho, saingy azoko antoka fa ny Tompo dia manome fitaomam-panahy ny mpianatra mahatoky mba hanolo-tanana ny hafa ka hitondra fanampiana ho azy roa.

Maro ny fomba ahafahan’ny Mpamonjy manampy ireo izay malahelo, arakaraka izay filany avy. Afaka matoky ianao fa afaka manampy sy hanampy amin’ny fomba izay tena tsara indrindra an’ireo izay malahelo sy ireo izay manodidina azy ireo Izy. Ny zavatra iray tsy miova rehefa manafaka olona amin’ny alahelo Andriamanitra dia ny fahatsapan’izy ireo fanetrentena toy ny an’ny zaza manoloana Azy. Ny ohatra iray amin’ny herin’ny fanetrentena amim-pahatokiana dia avy amin’ny fiainan’i Joba (jereo ny Joba 1:20–22). Ny zavatra iray hafa tsy miova, izay nananan’i Joba ihany koa, dia ny finoana tsy miofo ny herin’ny Fitsanganan’ny Mpamonjy tamin’ny maty (jereo ny Joba 19:26).

Samy hitsangana amin’ny maty avokoa isika rehetra, anisan’izany ireo olon-tianao izay efa maty. Ny fihaonantsika amin’izy ireo dia tsy ho maivana fa miaraka amin’ny vatana izay tsy ho faty sady tsy ho antitra ary tsy hisy kilema na oviana na oviana.

Rehefa niseho tamin’ireo Apôstôliny i Jesoa taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty dia tsy izy ireo irery ihany no nomeny toky tao anatin’ny alahelon’izy ireo fa isika rehetra izay mety malahelo ihany koa. Nanome toky azy ireo sy antsika Izy nanao hoe:

“Fiadanana ho anareo …

“Izahao ny tanako sy ny tongotro, fa Izaho no Izy; tsapao Aho, ka jereo, fa ny matoatoa tsy mba manana nofo sy taolana, tahaka izao ahitanareo Ahy izao.” (Lioka 24:36, 39).

Afaka manentana ny fanahintsika ny Tompo mba hikatsaka ny hery manafaka antsika amin’ny alahelontsika amin’ny fomba mety indrindra amintsika. Afaka misafidy ny hanompo ny hafa ho an’ny Tompo isika. Afaka mijoro ho vavolombelona momba ny Mpamonjy, ny filazantsarany, ny Fiangonany naverina amin’ny laoniny ary ny Fisanganany tamin’ny maty isika. Afaka mitandrina ny didiny isika.

Ireo safidy rehetra ireo dia manasa ny Fanahy Masina. Ny Fanahy Masina no afaka mankahery antsika amin’ny fomba izay mifanaraka amin’ny filantsika. Ary amin’ny alalan’ny fitaoman’ny Fanahy isika dia afaka manana fijoroana ho vavolombelona momba ny Fitsanganana amin’ny maty ary fomba fijery mazava an’ilay fihaonana tena lehibe izay miandry. Nahatsapa izany fampiononana izany aho rehefa niondrika teo amin’ny fasan’ny olom-pantatro iray, olona izay fantatro fa hofihiniko amin’ny fotoana iray any aoriana any. Raha nahafantatra izany aho dia tsy vitan’ny hoe afaka tamin’ny alahelo fotsiny fa heniky ny fanantenana feno fifaliana ihany koa.

Raha niaina hatramin’ny fahamatorany io olona kely io dia ho nila fanafahana tao anatin’ny fitsapana hafa izy. Hotsapaina izy raha hijanona ho mahatoky amin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ireo fanamby izay tonga amin’ny olon-drehetra. Na dia zava-boahary mahatalanjona aza ny vatana dia fanamby iray izay mitsapa antsika ny fihazonana izany mba ho salama. Tsy maintsy misedra aretina sy ny vokatry ny fahanterana avokoa ny olona rehetra.

“Aoka ianao hanetry tena”

Efa eo ny hery manafaka avy amin’ireo fitsapana antsika. Mitovy fiasa amin’ny fanafahana avy amin’ny fiatrehana ny fahafatesan’ny olon-tiana iray izany. Tahaka ny tsy maha-voatery ny hitsimbinan’izany fanafahana izany ny ain’ny olon-tiana iray, ny fanafahana avy amin’ny fitsapana hafa dia mety tsy ny hanalana izany. Mety tsy hanome fanampiana ny Tompo raha tsy mampitombo finoana mba hanao safidy izay mitondra ny herin’ny Sorompanavotana mba hiasa ao amin’ny fiainantsika isika. Tsy hoe akory tsy miraharaha antsika Izy raha mitaky izany, fa satria Izy tia antsika.

Nisy torolalana momba ny fahazoana ny herin’ny Tompo manafaka amin’ny fanoherana eo amin’ny fiainana nomena an’i Thomas B. Marsh, izay filohan’ ny Kôlejin’ ny Apôstôly Roambinifolo tamin’izany. Tao anatina fitsapana sarotra izy ary fantatry ny Tompo fa mbola hiatrika misimisy kokoa. Toy izao ilay torohevitra izay alaiko ho ahy ary omeko anareo: “Aoka ianao hanetry tena; ary ny Tompo Andriamanitra dia hitarika anao amin’ny tanana sy hanome anao ny valin’ny fivavakao” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 112:10).

Sary
Christ with lamb

SOMBINY AVY TAMIN’NY ONDRY VERY, NATAON’I YONGSUNG KIM, NAHAZOANA LALANA AVY TAMIN’NY HAVEN LIGHT

Maniry foana ny hitarika antsika any amin’ny fanafahana amin’ny alalan’ny fahatongavantsika ho marina kokoa ny Tompo. Mitaky fibebahana izany. Ary mila fanetrentena. Noho izany ny lalana mankany amin’ny fanafahana dia mitaky foana fanetrentena mba hahafahan’ny Tompo hitarika antsika amin’ny tanany any amin’ny toerana izay tiany hitondrana antsika amin’ny alalan’ny fahoriantsika ary ho amin’ny fanamasinana.

Mety hiteraka fahatezerana na fahakiviana ny fitsapana. Ny fanetrentena izay ilaintsika sy ianao mba hitarihan’ny Tompo antsika amin’ny tanana dia avy amin’ny finoana. Izany dia avy amin’ny finoana fa velona tokoa Andriamanitra, tia antsika Izy, ary ny zavatra iriny, izay mety ho sarotra, dia ny tsara ho antsika hatrany.

Naneho antsika izany fanetrentena izany ny Mpamonjy. Efa novakinao ny vavaka nataony tao amin’ny Sahan’i Getsemane raha niaritra fitsapana teo amin’ny toerantsika Izy izay mihoatra ny fahafahantsika mahatakatra na miaritra, na manoritra akory aza raha ho ahy. Tsaroanareo ny vavaka nataony manao hoe: “Raiko ô, raha sitrakao, dia esory amiko ity kapoaka ity; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao” (Lioka 22:42).

Nahafantatra sy natoky ny Rainy any An-danitra, ilay Elohima lehibe, Izy. Fantany fa ny Rainy dia mahefa ny zava-drehetra sy tsara fanahy tsy misy fetra. Nangataka tamin’ny teny feno fanetrentena ilay Zanaka malala, tahaka ny an’ny ankizy madinika, mba hahazo ny herim-panafahana mba hanampy Azy.

Mahazoa hery sy fampiononana

Tsy nanafaka ny Zanaka tamin’ny fanalana ilay fitsapana ny Ray. Ho antsika dia tsy nataony izany fa navelany hamita ny iraka izay nahatongavany teto ny Mpamonjy. Fa tokony hahazo hery sy fampiononana mandrakariva isika noho ny fahafantarana ny fanampiana izay nomen’ny Ray:

“Ary nisy anjely avy tany an-danitra niseho teo aminy ka nampahery Azy.

“Ary fadiranovana Izy, ka dia nivavaka mafimafy kokoa; ary ny dininy dia tahaka ny ra nipotrapotraka tamin’ny tany.

“Ary nony nitsangana avy nivavaka Izy, dia nankeo amin’ ny mpianatra ka nahita azy matorin’alahelo.

“Dia hoy Izy taminy: Nahoana no dia matory hianareo? Mitsangàna, ka mivavaha, mba tsy hidiranareo amin’ ny fakam-panahy.” (Lioka 22:43–46).

Nivavaka ny Mpamonjy mba hahazo fanafahana. Tsy ny fahafahana mitsoaka ilay fitsapana no nomena Azy fa fampaherezana ampy handalovana izany amim-boninahitra kosa.

Ny zavatra nandidiany ny mpianany izay notsapaina ihany koa dia torolalana ho antsika. Afaka manolo-tena ny hanaraka izany isika. Afaka manolo-tena ny hitsangana isika ka hivavaka amim-pinoana sy amim-panetrentena lehibe. Ary afaka manaraka ilay baiko nomena ao amin’ny Marka isika manao hoe: “Mitsangàna, andeha isika” (Marka 14:42).

Avy amin’io ianao dia mahazo toromarika ny handalo ireo fitsapana ara-batana sy ara-panahy amin’ny fiainana. Hila ny fanampian’ Andriamanitra ianao rehefa nataonao izay rehetra azonao natao. Koa mitsanganà dia mandehana, saingy katsaho araka izay azonao atao ny fanampiany, fa aza miandry ny fotoan-tsarotra vao mangataka fanafahana.

Mijoro ho vavolombelona aminareo aho fa velona Andriamanitra Ray ary tia antsika Izy. Fantatro izany. Tonga lafatra ny drafitry ny famonjeny ary tena drafitry ny fahasambarana izany. Nitsangana tamin’ny maty i Jesoa Kristy, tahaka ny hitranga amintsika ihany koa. Nijaly Izy mba hahafahany manavotra antsika amin’ny fitsapana antsika rehetra. Nefainy ny saran’ny otantsika rehetra sy ny an’ireo zanaky ny Ray any An-danitra rehetra mba hahatonga antsika ho afaka amin’ny fahafatesana sy ny fahotana.

Fantatro fa ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy dia afaka ho tonga hampionona sy hanadio antsika ny Fanahy Masina rehefa manaraka ilay Mpampianatra isika. Enga anie ianareo hahazo ny fampiononany sy ny fanampiany amin’ny fotoana ilanareo izany, amin’ireo fitsapana rehetra eo amin’ny fiainanareo.

Fanamarihana

  1. “Brillante étoile, étoile du matin,” Cantiques, no. 52.