2019
Maneho ny fiarahabana avy aty Estonie
Aprily 2019


Maneho fiarahabana avy aty Estonie!

Izahay no Margo sy Paolo. Amin’ity taona ity isika dia handeha manerana izao tontolo izao mba handre vaovao avy amin’ireo zanak’ Andriamanitra. Andao hiaraka aminay mandritra ny fitsidihanay an’i Estonie!

Sary
Hello from Estonia

I Estonie dia ao amin’ny faritra avaratr’i Eoropa. Izy dia ahitana nosy mihoatra ny 2.000 isa. Eo ho eo amin’ny 1.300.000 eo no isan’ny olona mipetraka ao Estonie.

Ohatr’izao no fiteny hoe “manao ahoana” amin’ny fiteny Estoniana Tere! Ary toy izao no fiteny ny anaran’ny Fiangonana: Viimse Aja Pühade Jeesuse Kristuse Kirik

Ito no Tallinn, ny renivohitr’i Estonie. Efa ho 800 taona izay no nisiany! Manana toerana voajanahary maro toy ny alan-kazo sy honahona i Estonia. Raha ny marina dia rakotra ala ny antsasa-manilan’i Estonia. Maro ny olona ao Estonie no tia maka fotoana mandehandeha any anatin’ny natiora.

Inona no sakafo hariva ao Estonie? Mety ho henan-kisoa na trondro nalona miaraka amin’ny ovy, laisoa, ronono masira na abobo, sy mofo miloko mainty vita amin’ny segla. Izany no antsoina hoe “sprat sandwich” [sandwich vita amin’ny trondro kely antsoina hoe sprat].

Tianao ve ny mihira ao amin’ny Kilonga? Isaky ny dimy taona ny Estoniana dia manao fety lehibe hankalazana ny firenen’izy ireo amin’ny alalan’ny hira sy ny dihy.

Ao Estonie ny Fiangonana dia kely kanefa mafy orina. Eo ho eo amin’ny arivo eo no isan’ireo mpikamban’ny Fiangonana. Ny tempoly akaiky indrindra dia any Helsinki, Finland.

Indreto misy rahavavy roa avy ao Estonie!

Indray alina aho raha te handeha hatory dia tsy hita ilay orsa kely kilalaoko. Nokarohiko izy fa tsy hitako. Nivavaka aho. Avy eo dia hitako ilay orsa kely kilalaoko ary nanonofy tsara aho.

Bianka J., 7 taona

Tia manompo ny hafa ny fianakavianay. Ny fanompoana dia manampy antsika hahatsapa ny Fanahy Masina izay manome antsika ny fahatsapana mahafinaritry ny fiadanana. Izaho sy ireo rahavaviko dia manao fanomezana ho an’ny hafa satria tianay izy ireo hahatsapa tena ho tiana.

Piibe J., 10 taona

Misaotra tamin’ny fitsidihana an’i Estonie niaraka taminay. Amin’ny manaraka indray!