2019
Mikatsaka fiadanana ho an’ny tenanao sy ho an’ny hafa mandritra ny fotoan-tsarotra
Aprily 2019


Mikatsaka fiadanana ho an’ny tenanao sy ho an’ny hafa mandritra ny fotoan-tsarotra

Indreto misy fomba valo hanampiana anao sy ny hafa hahatsapa fiadanana rehefa mihasarotra ny fiainana.

Sary
hands letting birds go

SARY LAFIKA sy sary avy amin’ny Getty Images

Indraindray dia misamboaravoara ny fiainana. Mety hiahiahy ny amin’ny olana ao amin’ny fianakaviana ianao, na olana ara-pahasalamana, na olana any an-tsekoly, na ireo tranga maro izay manahirana eto amin’izao tontolo izao ankehitriny. Ahoana no ahitantsika fiadanana ho an’ny tena manokana ato anatin’ny tontolo mikorontana? Na avy amin’ny trangan-javatra tsy voafehinao na avy amin’ny zavatra voafehinao na azonao ovaina no mahatonga ny tsy fisian’ny fiadanana any aminao dia indreto misy hevitra vitsivitsy mba hanampiana anao hahita fiadanana anaty amin’ny alalan’i Jesoa Kristy.

Fomba 4 hahitana fiadanana ho an’ny tenanao manokana

  1. Mifantoha amin’ny mandrakizay

    Sarotra ny mahatsapa fiadanana rehefa mifantoka amin’ireo olana mandalo ianao. Fa rehefa mifantoka amin’ny fomba fijery mivelatra kokoa ianao, dia ny drafitry ny fahasambarana izany, dia afaka mahita fiadanana amin’ny fahafantarana fa ny zavatra mandratra amin’izao fotoana izao dia tsy haharitra mandrakizay. Ohatra, ny tempoly dia manampy antsika hifantoka amin’ny mandrakizay. Nampianatra ny Filoha Gordon B. Hinckley (1910–2008) fa ao amin’ny tempoly dia “hahafantatra fiadanana izay tsy ho hitanao na aiza na aiza ianao.”1

  2. Aza miahiahy ny amin’ny zavatra tsy voafehinao

    Rehefa manala ny fiadananao ny zavatra izay tsy voafehinao dia mila ho kivy sy tezitra ianao. Saingy tsy manampy ny mifantoka amin’ny zavatra izay tsy azonao ovaina. Manakaikeza kosa ny Mpamonjy mba hahita fiadanana anaty na dia efa tsapanao aza fa tsy rariny ny fiainana. Efa nampanantena anao Izy fa handefa ilay Mpampionona, dia ny Fanahy Masina (jereo ny Jaona 14:26–27).

  3. Mamelà heloka ny hafa

    Matetika ny zavatra tena sarotra hadinoina dia ny zavatra ratsy tsapanao rehefa nisy olona nanao ratsy anao. Saingy ny Loholona Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambonifolo dia nampianatra hoe: “Hahazo ny fifaliana avy amin’ny famelan-keloka eo amin’ny fiainantsika isika rehefa vonona ny hizara maimaim-poana izany fifaliana izany amin’ny hafa. … Vokatr’izany, ny Fanahin’ny Tompo dia hameno ny fanahintsika amin’ny fifaliana miaraka amin’ny fiadanan-tsaina avy amin’ Andriamanitra (jereo ny Môsià 4:2–3).”2 Ny fitodihana any amin’ny Mpamonjy dia afaka manampy anao hanala ireo enta-mavesatra ara-pihetseham-po ka ho feno fiadanana.

  4. Mibebaha ary miantehera amin’i Kristy

    Na inona na inona zavatra tsara mitranga amin’ny fiainanao, ny fitondrana ny enta-mavesatry ny fahotana dia haka ny fiadananao foana. Indraindray isika dia mila ny evekantsika mba hanampy antsika hibebaka tanteraka. Saingy isika rehetra dia mila mibebaka tsy tapaka ka amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’ i Jesoa Kristy dia ho voadio amin’ny zava-drehetra izay mihazona antsika tsy ho lasa tahaka Azy kokoa.

Fomba 4 hanampiana ny hafa hahita fiadanana

  1. Zarao ny filazantsaran’i Jesoa Kristy

    Tahaka ny ahafahantsika mahita fiadanana ho an’ny tenantsika amin’ny fifantohana amin’ny Mpamonjy dia afaka manampy ny hafa hahita Azy ho “mpanorina fiadanana” isika (Môsià 15:18). Ohatra, miezaha mizara soratra masina iray na teny iray avy amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany izay nanampy anao hianatra bebe kokoa momba an’i Jesoa Kristy.

  2. Mijoroa ho mpampihavana

    Ampio ny namanao na ny mpiray tampo aminao hamaha ireo fifandonana. Tahaka ireo Antia-Nefia-Lehia ao amin’ny bokin’i Almà, dia afaka mandevina ny fiadiana fitondra miady isika, fiadiana tahaka ny fifosana, na ny fikatsahana valifaty, na ny fitiavan-tena, ka manolo izany ho fitaovana mitondra fiadanana: firesahana amin-katsaram-panahy, fankatoavana ireo didin’ Andriamanitra, ary famelana ny hafa (jereo ny Almà 24:19).

  3. Mahaiza mihaino

    Indraindray ireo olona manana olana dia mila miresaka malalaka momba ny eritreriny sy ny fahatsapany fa tsy mihazona izany ao anatiny. Tsy voatery hamaha ny olany isika fa afaka mihaino fotsiny ny olany ary hitondra fanampiana, sady maneho ny fitiavana tahaka ny an’i Kristy sy ny fahatakarany.

  4. Manompoa ny olona ao amin’ny paroasy sy ny fiarahamonina misy anao

    Afaka manao asa an-tsitrapo any amin’ny akany mikarakara ireo tsy manan-kialofana ianao, na mampianatra mpiara-mianatra, na mitondra vatomamy amina fianakaviana vaovao miara-monina aminao. Ampio ny olona hahita fiadanana amin’ny zavatra madinika. Ny fananana toerana fihinanana sy fatoriana, na ny fananana mpampianatra azo antoka, na ny fahazoana antoka kely fa misy olona miraharaha dia misy fiantraikany lehibe.

Nilaza ireto teny fankaherezana ireto i Jesoa ho an’ireo rehetra izay sahirana mitady fiadanana: “Ny fiadanako no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo: tsy tahaky ny fanomen’izao tontolo izao, no fanomeko anareo. Aza malahelo na matahotra ny fonareo” (Jaona 14:27). Rehefa mitondra ny tenantsika sy ny hafa ho akaiky kokoa an’i Jesoa Kristy isika dia afaka mahita fiadanana, eny fa na dia mihasarotra aza ny fiainana.

Fanamarihana

  1. Gordon B. Hinckley, in “Rejoice in the Blessings of the Temple,” Liahona, des. 2002, 33.

  2. Dieter F. Uchtdorf, “Point of Safe Return,” Liahona, mey 2007, 101.