2019
Manandrama fombafomba fanao vaovao amin’ny Paska
Aprily 2019


Manandrama fombafomba fanao vaovao amin’ny Paska

Amin’ity Paska ity dia mandania fotoana bebe kokoa hahatsiarovana ilay fanomezana lehibe indrindra nomena hatrizay.

Sary
baby Jesus, Mary and Joseph

SOMBINY avy amin’ny FA ZAZA NO TERAKA HO ANTSIKA, nataon’i Lynne Millman Weidinger

Ny Krismasy matetika no tena mahasarika ny olona raha resaka fialan-tsasatra. Kanefa raha tsy nisy ireo tranga efa ela izay ankalazaintsika amin’ny Paska, dia tsy ho nisy ny Krismasy.

Nampianatra ny Filoha Gordon B. Hinckley (1910–2008) indray mandeha hoe: “Tsy ho nisy ny Krismasy raha tsy nisy ny Paska. Ho zazakely tahaka ny zazakely hafa rehetra ilay Jesoa zazakely tao Betlehema raha tsy teo ilay Kristy mpanavotra tao Getsemane sy Kalvary, sy ilay Fitsanganana tamin’ny maty feno fandresena.”1

Ireto misy fombafomba fanao vitsy azonao ampidirina amin’ny fankalazana fanaonao isan-taona.

1. Mandehana mitety varavarana mihira hiran’ny Paska

Sary
kids singing

Ankoatra ireo anganongano momba ny renne sy ny elfe, ny hiran’ny Krismasy rehetra dia miresaka momba an’i Jesoa Kristy. Ny Paska no fotoana tsara indrindra hihainoana hira momba ny Mpamonjy, eny fa na dia eny an-tokonam-baravaran’ireo mpiara-monina aminao aza no hirana azy.

Raha tsy azonao antoka hoe inona no atao dia jereo ny fizarana misy ireo lohahevitra ao amin’ny boky fihirana hijerena hira momba ny Paska sy ny Sorompanavotana. Izay hira mankalaza an’i Jesoa Kristy dia mety amin’ny hiran’ny Paska.

2. Mamela olona

Sary
girls hugging

Impiry ianao no efa feno fankasitrahana noho ny fanomezana ny fibebahana? Ny Paska dia manome fahafahana hieritreretana bebe kokoa ny amin’ny fomba hanomezantsika izany fanahin’ny famelana izany amin’ny hafa.

Nampianatra i Jesoa hoe: “Koa lazaiko aminareo, fa tokony hifamela ianareo. …

“Izaho Tompo dia hamela izay tiako havela heloka, fa takiana aminareo kosa ny hamela ny olon-drehetra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:9–10).

Manontania tena hoe: Iza no anananao kakay? Mivavaha hahazoana hery hamelana izany olona izany, ary avelao ny Mpamonjy hanampy amin’ny fanesorana ireo fahatsapana maharary ireo.

3. Manaova fampisehoana na lalao an-tsehatra na hetsika hafa

Sary
boy dressed up

Afaka mandamina hetsika ho an’ny Paska ianao. Ohatra iray tsotra ny famakiana soratra masina ho an’ny takarivan’ny mpianakavy na fihirana mitokana eny amin’ny fiaraha-monina.

4. Mamangia fasan’olon-tiana

Sary
family visiting graves

Noho i Jesoa Kristy dia foana ny fanindronan’ ny fahafatesana (jereo ny 1 Korintiana 15:55). Makà fotoana hamangiana ny fasan’ireo olon-tiana mba hisaintsainana io vaovao lehibe io.

Afaka mamaky mafy soratra masina tiana indrindra mihitsy ianao izay miresaka momba ny fitsanganana amin’ny maty rehefa mamangy ireo fasana ireo. Soratra masina vitsivitsy (amin’ireo maro) azo eritreretina amin’izany ny 1 Korintiana 15:20–22; Almà 11:42–44; ary ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:14–16.

5. Miova ho tsaratsara kely kokoa

Sary
Christ visiting the Americas

SOMBINY AVY amin’ny I JESOA KRISTY NITSIDIKA AN’I AMERIKA, nataon’i John Scott

Ny Paska dia manome voninahitra ireo zava-nitranga tao Getsemane, ny zavatra nitranga teo amin’ny hazofijaliana, ny fitsanganan’ny Mpamonjy tamin’ny maty tamin’ny andro fahatelo ary ny fanompoany nandritra ny 40 andro mialoha ny niakarany tany an-danitra.

Ankoatra izany, tsy ela taorian’ny niakarany tany an-danitra dia niseho tamin’ny Nefita i Jesoa Kristy ary nanompo azy ireo (jereo ny 3 Nefia 11–28). Betsaka izany zavatra azo ankalazaina izany!

Nahoana ary no tsy halavaina ny fotoana ankalazanao ny Paska? Avelao hahazo fahafinaretana maharitra kokoa amin’ireo fahagagana ateraky ny Paska ny fanahinao. Miezaha mafy mba ho tahaka an’i Kristy bebe kokoa mandritra ny 40 andro aorian’ny Paska. Mba hakana aingam-panahy dia eritrereto izao fanasana manaraka avy amin’ny Filoha Russell M. Nelson izao: “Manokàna ampahan’ny fotoanareo isan-kerinandro mba handalinana ny zava-drehetra nolazain’i Jesoa sy nataony araka ny voarakitra ao amin’ny Testamenta Taloha, satria Izy no Jehovah ao amin’ny Testamenta Taloha. Halalino ny lalàny araka ny voarakitra ao amin’ny Testamenta Vaovao, satria Izy no Kristy ao amin’izany boky izany. Halalino ny fotopampianarany araka ny voarakitra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, satria tsy misy bokin-tsoratra masina hafa izay manambara mazava kokoa ny iraka nanirahana Azy sy ny asa fanompoany. Ary halalino ny teniny araka ny voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, satria mbola manohy mampianatra ny vahoakany amin’izao fotoampitantanana izao hatrany Izy.”2

Miandry ireo fombafomba fanaonao

Ny Loholona Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambonifolo dia nampianatra hoe: “Mba hahitana ilay andro tena manan-danja indrindra teo amin’ny tantara, dia tsy maintsy miverina any amin’ilay alina teo amin’ny 2.000 taona latsaka kely lasa izay isika, tao amin’ny Sahan’i Getsemane rehefa nandohalika nivavaka mafy i Jesoa Kristy ary nanolotra ny tenany ho onitra ho an’ny fahotantsika.”3

Mendrika ny hakana fotoana mba hosaintsainina ireo tranga manan-danja indrindra eo amin’ny tantara. Ny fombafomba fanao no manampy antsika hanao izany, na ireo izay amin’ity lisitra ity izany na izay safidinao manokana.

Inona no fombafomba fanao vaovao hampidirinao amin’ity taona ity?

Fanamarihana

  1. Gordon B. Hinckley, “The Wondrous and True Story of Christmas,” Ensign, des. 2000, 5.

  2. Russell M. Nelson, “Prophets, Leadership, and Divine Law” (worldwide devotional for young adults, 8 jan. 2017), broadcasts.lds.org.

  3. Dieter F. Uchtdorf, “Indro ny lehilahy!” Liahona, mey 2018, 108.