2019
Ny tantaran’ny Paska
Aprily 2019


Tantara ao amin’ny Soratra Masina

Ny tantaran’ny Paska

Sary
Sary
Sary

Nitia ireo namany i Jesoa. Nanasa ny tongotr’izy ireo Izy. Dia nomeny ny fanasan’ny Tompo izy ireo avy eo. Niteny azy ireo Izy mba hahatsiaro Azy. Niteny azy ireo Izy mba hifankatia.

Taty aoriana dia nandeha tany amin’ny saha iray i Jesoa. Nivavaka ho antsika rehetra Izy. Tsapany ny fanaintainan’ny aretintsika. Tsapany ny fanaintainan’ny fahotantsika.

Nentin’ireo olona tezitra niala teo i Jesoa. Nokapohin’izy ireo Izy. Maty teo amin’ny hazofijaliana Izy ho antsika. Nataon’ireo namany tao am-pasana Izy.

Telo andro taty aoriana dia niverina ireo namany. Foana ny fasana! Hoy ny anjely tamin’izy ireo: “Efa nitsangana Izy.” Velona indray i Jesoa! Noho i Jesoa dia hiaina indray isika rehetra aorian’ny fahafatesantsika.

Tia ahy i Jesoa. Azoko atao miavaka ny Paska amin’ny alalan’ny fahatsiarovana Azy.