2019
Fahamarinan-toetra tsara
Aprily 2019


Fahamarinan-toetra tsara

Mipetraka any Colorado, Etazonia ny mpanoratra.

“Ataovy izay tsara” (2 Korintiana 13:7).

Sary
Sweet Honesty

“Mba ilaiko ianao hiandry ny zandrilahinao,” hoy i Neny. “Handeha hanampy olona marary izaho sy ny rainareo.”

Nitraka avy tamin’ny famafako ny gorodon’ny trano kelinay aho ka nihatoka hanehoana hoe eny. Filohan’ny Fikambanana Ifanampiana i Neny ary matetika izy no mandeha mamangy ireo rahavavy ao amin’ny paroasinay.

“Misaotra anao ry Arlyn,” hoy i Neny sady nanoroka ahy teo an-tampon-dohako. “Matory i John. Ary misy koba-mofo izay andrasana hitombo mipetraka eo ambonin’ny latabatra. Aza kitihina io azafady.”

Teo am-baravarana aho no nitazana azy sy i Dada nitondra ny fiara fitateran’entana nandeha tamin’ny lalam-bovoka tany aminay. Kevoka ery aho fa nitokisan’i Neny.

Rehefa namafa ny lakozia aho dia niato mba hijery ilay koba-mofo. Tsy andriko izay handrahoan’i Neny an’ilay izy ny hariva ao anaty lafaoro. Mazàna dia haninay miaraka amin’ny confiture natao tao an-trano ny mofo vao vita. Fa efa laninay telo volana lasa izay ny confiture.

Confiture! Ny fieritreretana ilay izy fotsiny dia nahatonga ahy ho te hihinana zavatra mamy. Natopiko tany amin’ilay fitoeran-tsiramamy teny ambony avo tamin’ny talantalana ny masoko. Fantatro fa nampirimin’i Neny io mba hanamboarana confiture hafa.

Kanefa arakaraka ny nieritreretako an’ilay siramamy no vao mainka nampahanoana ahy. Nony farany dia nampiakatra seza iray teo ambonin’ny latabatra aho mba hanakarana izany. Zara raha nahakasika ilay fitoeran-tsiramamy ireo rantsantanako. Nosintoniko hanakaiky ny moron’ilay talantalana ilay izy. …

Ary dia nisolifatra avy teo amin’ny talantalana! Niezaka ny nisambotra ilay izy aho saingy nianjera ilay izy ka nipoaka be teo am-povoan’ilay koba-na mofo mihitsy. Niparitaka nanerana ny mofo sy ny latabatra ary teo amin’ny gorodona ny siramamy.

“Oay!” Hoy aho nihoraka. Nanaitra ilay zazakely nambenako izany. Nanomboka nitomany izy. Izaho koa te hitomany. Ahoana izao hoy i Neny amin’izao korontana izao?

Nampanginiko i John dia nodioviko araka izay tratra ny siramamy. Nesoriko avy tao amin’ilay koba-na mofo ilay fitoeran-tsiramamy dia nosasako. Nofafako hiala teo amin’ny latabatra sy ny gorodona ny siramamy. Saingy tsy nisy na inona na inona azoko natao mba hanaisorana ny siramamy teo amin’ilay koba-mofo.

Nieritreritra ny hamerina hametraka ilay fitoeran-tsiramamy teny ambony talantalana aho. Angamba mety tsy ho tsikaritr’i Neny hoe tsy misy na inona na inona ao anatin’io. Kanefa fantatro fa tsy nety izany. Noho izany dia napetrako teo ambonin’ny latabatra ilay fitoeran-tsiramamy no sady niandry an’i Dada sy i Neny ho tonga tao an-trano aho.

Rehefa tonga tao an-trano izy ireo dia nahatsikaritra avy hatrany ilay fitoeran-tsiramamy i Neny.

Nisento lalina aho. “Saika hanandrana ilay siramamy fotsiny aho. Saingy voadonako hianjera avy teny amin’ny talantalana ilay fitoeran-tsiramamy. Niezaka nanadio izany aho fa tsy afaka nesorina tamn’ilay koba-na mofo ilay izy.” Haingana no nilazako izany raha niondrika nijery ny gorodona aho.

Nangina kely i Neny.

“Mifona aho ,” hoy aho nibitsibitsika.

Nisento i Neny. “Dia ho mamy be izany ny mofo anio alina,” hoy izy. Nitraka aho. Nitsiky kely tamiko izy. “Misaotra nilaza taminay ny zava-nitranga.”

Rehefa nihinana ilay mofo mamy tokoa izahay ny alin’iny dia niresaka momba ny fahamarinan-toetra izaho sy i Dada sy i Neny.

“Manao fahadisoana be dia be ny tsirairay avy amintsika eo amin’ny fiainana,” hoy i Dada. “Kanefa rehefa marin-toetra isika sy miezaka ny mibebaka dia faly ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Hotahina foana isika rehefa marin-toetra, eny na dia toa sarotra aza izany amin’ny voalohany.”

Mbola nalahelo ihany aho fa nanjera ny siramamy. Fantatro fa mety tsy hanana confiture firy izahay amin’ity taona ity noho ny hadisoana nataoko. Kanefa faly aho fa nilaza ny marina. Fahatsapana tsara izany izay tsy azon’ny siramamy omena na dia betsaka toy ny ahoana aza.