2019
“Izany no fiainana!”
Aprily 2019


“Izany no fiainana!”

Richard J. Anderson

Utah, Etazonia

Sary
man working on car

Sary nataon’i John Kachik

Nody tara aho indray alina rehefa avy nanao tafa sy dinika maromaro tamin’ny naha-eveka ahy. Tena reraka aho. Nandrera-tsaina ny asa nandritra ny herinandro maro, ary ny andraikitra ao amin’ny fianakaviana sy tao am-piangonana dia nahatonga ahy hahatsapa tena ho tsy mahavita izay angatahina amiko.

Tamin’izay takariva izay dia tsy maintsy nanamboatra ny fiarako mba hahafahako tonga tany am-piasana ny ampitso marainan’io aho. Rehefa nanaovako ny akanjo fiarovako dia nivadika ho mpanamboatra fiara izaho ilay eveka teo. Nandry teo amin’ny tany mangatsiakan’ny fitoeran’ny fiara aho tao ambanin’ilay fiara ary nanomboka niasa. Nahoana moa aho no tsy maintsy vonton-katsiaka sy reraka ary mandratra tanana nefa efa niasa mafy tamin’io andro io? Lasa tsy nanana faharetana aho ary nanomboka nitalaho am-bavaka tamin’ny Ray any An-danitra.

“Mety ho afaka manampy ahy kely ve Ianao?” Hoy aho. “Miezaka manao izay tsara indrindra azoko atao aho mba ho ray sy vady ary eveka tsara, ary miaina ireo didy. Tsy hanompo tsara kokoa ve aho raha mba afaka maka aina kely? Mitalaho re, mba ampio aho hahavita an’ity mba hahafahako mamonjy fandriana.”

Tampoka teo dia nisy teny anankitelo mazava sy miavaka tsara tonga tao an-tsaiko: “Izany no fiainana!”

“Inona?” Hoy ny navaliko.

Dia tonga indray ireo teny ireo: “Izany no fiainana!”

Dia nanomboka nameno ny saiko sy ny foko ny fahatakarana rehefa tonga fanintelony ireo teny ireo: “Izany no fiainana!” Nitondra hafatra ho an’ny fanahiko ireo teny ireo. Ilay hoe “fiainana” dia ny fiainana an-tany, ary izaho dia niaina fotoam-pitomboana izay natao mba hanampiana ahy ho tonga ilay olona tian’ny Ray any An-danitra hahatongavako. Toy ny nilaza tamiko izany ny Fanahy hoe: “Nanantena ity fiainana an-tany ity ho tsisy olana ve ianao?” Rehefa nitsangana avy tamin’izany tany nangatsiaka izany aho dia tsy nitovy ny tamin’ny teo aloha intsony.

Arakaraka ny fihetsitsika manoloana ny fitsapana no mety hahitantsika azy ireny ho toy ny fanomezana avy amin’ny Ray any An-danitra be fitiavana. Manome fahafahana antsika Izy mba hiatrika ireo fitsapana mba hahafahantsika mianatra mitodika any Aminy. Rehefa ataontsika izany dia voatahy isika amin’ny fianarana sy ny fitomboana ara-panahy.

Ireo teny ireo izay tonga tao an-tsaiko tamin’io alina mangatsiaka teo amin’ny tany tao amin’ny fitoeran’ny fiarako io dia nitahy ahy nandritra ny 35 taona mahery. Miezaka mafy aho mba tsy handanindany ireo fotoana hitsapana ahy. Hitako toy ny fahafahana hianatra zavatra izay tsy ho nianarako tamin’ny fomba hafa mihitsy ny fitsapana.