2019
Manao izay hahatonga ny fanompoana hampifalifaly
Aprily 2019


Ireo Fitsipika momba ny fanompoana

Manao izay hahatonga ny fanompoana hampifalifaly

Ny fanompoana am-pitiavana dia sady hitondra fifaliana ho an’ny mpanome no hitondra fifaliana ho an’ny mpandray.

Sary
Jesus with the leper

ILAY BOKA NITENY HOE MISAOTRA, NATAON’I John Steel

Indraindray ny fikatsahantsika fahasambarana eto amin’ity fiainana ity dia mety ho toy ny fihazakazahana eo ambonin’ny karipetra elektrika fihazakazahana iray. Tsy mitsaha-mihazakazaka isika kanefa tsapatsika fa tsy mihetsika eo amin’ny toerana misy antsika. Ho an’ny sasany ny fieritreretana ny hoe manompo ny hafa dia toy ireny fampitomboana bebe kokoa ny zavatra hatao ireny.

Saingy tian’ny Raintsika any An-danitra isika mba hiaina fifaliana ary hoy Izy tamintsika hoe “misy ny olona mba hahazo fifaliana” (2 Nefia 2:25). Ary ny Mpamonjy dia nampianatra fa ny fanompoana ny hafa dia ampahany manan-danja amin’ny fomba hitondrantsika fifaliana eo amin’ny fiainantsika sy eo amin’ny fiainan’ny hafa.

Inona no atao hoe fifaliana?

Ny fifaliana dia nofaritana ho toy ny “fahatsapana fahafinaretana sy fahasambarana lehibe.”1 Ireo mpaminanin’ny andro farany dia nanome fanazavana ny amin’ny hoe aiza no ipoiran’ny fifaliana sy hoe amin’ny fomba ahoana no ahafahana mahazo izany. “[Tsy] misy ifandraisany [firy] amin’ny toe-javatra mitranga eo amin’ny fiainantsika ilay fifaliana tsapantsika ary tena mifandray amin’ny fifantohan’ny fiainantsika izany,” hoy ny Filoha Russell M. Nelson. “… Tonga avy [amin’i Jesoa Kristy] sy noho [ny amin’i Jesoa Kristy] ny fifaliana. Izy no loharanon’ny fifaliana rehetra.”2

Mitondra fifaliana ny fanompoana

Rehefa nihinana tamin’ny voan’ny hazon’aina i Lehia dia feno “fifaliana mitafotafo” ny fanahiny (1 Nefia 8:12). Ny faniriany voalohany dia ny hizara io voa io amin’ireo olon-tiany.

Ny finiavantsika hanompo ny hafa dia afaka ny hitondra io kazarana fifaliana io ao amintsika sy ao amin’izy ireo. Nampianarin’ny Mpamonjy ireo mpianany fa ny voa vokarintsika rehefa mifandray Aminy isika dia hitondra ny fahafenoan’ny fifaliana ho antsika (jereo ny Jaona 15:1–11). Ny fanaovana ny asany amin’ny alalan’ny fanompoana sy ny fikatsahana ny hitondra ny hafa ho eo Aminy dia afaka ny ho zavatra iainana mahafaly tokoa (jereo ny Lioka 15:7; Almà 29:9; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:16; 50:22). Afaka ny hiaina io fifaliana io isika na dia miaina fifanoherana sy fijaliana aza (jereo ny 2 Korintiana 7:4; Kolosiana 1:11).

Naneho tamintsika ny ohatra tonga lafatra ny Mpamonjy fa ireo loharano lehibe indrindra an’ny fifaliana tena marina eto amin’ny fiainana an-tany dia azo amin’ny alalan’ny fanompoana. Rehefa manompo ireo rahalahy sy anabavintsika tahaka ny nataon’ny Mpamonjy isika, omban’ny fiantrana sy fitiavana ao am-pontsika dia afaka ny hiaina fifaliana izay mihoatra ny fahasambarana tsotra fotsiny.

Nampianatra Rahavavy Jean B. Bingham, Filohan’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany fa “rehefa mandray ny [fanompoana] amin’ny fo feno finiavana isika dia ho kely kokoa isika sisa dia ho lasa vahoakan’i Ziona ary hahatsapa fifaliana lehibe isika miaraka amin’ireo izay nampiantsika manerana ny lalana hizorantsika amin’ny maha-mpianatry ny Tompo antsika.”3

Ahoana no ahafahantsika manao ny fanompoana ho mahafalifaly kokoa?

Misy fomba maro hitondrana fifaliana eo amin’ny fanompoantsika. Ireto misy hevitra vitsivitsy:

  1. Takaro ny tanjonao amin’ny fanompoana. Maro ireo antony hanompoana. Amin’ny farany ireo ezaka ataontsika dia tokony hifanaraka amin’ny tanjon’ Andriamanitra mba “[h]anatanteraka ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ny olona” (Mosesy 1:39). Rehefa manaiky ny fanasan’ny Filoha Russell M. Nelson mba hanampy ny hafa eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana isika dia afaka ny hahita fifaliana amin’ny fandraisana anjara amin’ny asan’ Andriamanitra.4 (Ho fampahalalana bebe kokoa ny amin’ny tanjon’ny fanompoana dia jereo ny “Ireo Fitsipika momba ny fanompoana: Ilay tanjona izay hanova ny fomba hanompoantsika,” ao amin’ny Liahona volana janoary 2018.)

  2. Ataovy miompana amin’ny olona ny fanompoana fa tsy resaka andraikitra. Nampahatsiahy antsika matetika ny Filoha Thomas S. Monson hoe: “Aza avela hanan-danja bebe kokoa noho ny olona iray mila tiavina ny olana iray mila vahana.”5 Ny fanompoana dia resaka fitiavana olona fa tsy lisitr’ireo zavatra tokony hatao. Rehefa lasa mitia bebe kokoa tahaka ny nitiavan’ny Mpamonjy isika dia handray bebe kokoa amin’ilay fifaliana izay tonga avy amin’ny fanompoana ny hafa.

  3. Ataovy izay hahatsotra ny fanompoana. Milaza amintsika ny Filoha M. Russell Ballard, Filoha mpisolo toerana an’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe: “Zava-dehibe no tanteraka amin’ny alalan’ny zavatra tsotra sy madinika.… Tahaka ireo poti-bolamena madinika izay voangona mandritra ny fotoana ela ka tonga harem-be, ireo fihetsika kely sy tsotra ataontsika maneho hatsaram-panahy sy fanompoana dia hangonina ka ho tonga fiainana iray heniky ny fitiavana ho an’ny Ray any An-danitra sy ny fanoloran-tena ho amin’ny asan’ Andriamanitra sy Jesoa Kristy, ary ho tonga fahatsapana fiadanana sy fifaliana isaky ny mifanolo-tanana isika.”6

  4. Aza atao mankarary saina ny fanompoana. Tsy andraikitrao ny miasa ho an’ny famonjena ny olona iray. Raharahan’ilay olona sy ny Tompo izany. Ny andraikitsika dia ny mitia azy ireo sy ny manampy azy ireo hitodika amin’i Jesoa Kristy izay Mpamonjy azy ireo.

Sary
Jesus with children

I KRISTY SY IREO ANKIZY AO AMIN’NY BOKIN’I MÔRMÔNA, NATAON’I Del Parson

Aza ampiandrasana ny fifaliana azo avy amin’ny fanompoana

Indraindray ny olona dia miahotra ny hangataka ny fanampiana ilaina, noho izany ny fanolorantsika ny fanampiantsika dia afaka ny ho zavatra ilain’izy ireo mihitsy. Saingy tsy vahaolana koa anefa ny fanerentsika ny hafa hanaiky ny fanampiantsika. Hevitra tsara ny mangataka lalana mialoha ny hanaovantsika fanompoana.

Ny Loholona Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nitantara momba-na reny iray voan’ny kitrotro ary narary koa avy eo ireo zanany. Ilay trano izay mazàna madio tsy misy pentina dia lasa nisavoritaka sy naloto. Nisavovona ny lovia sy ny lamba maloto.

Tamin’ny fotoana izay nahatsapany ho tsy nahita izay hosarangotina indrindra dia nisy rahavavy tao amin’ny Fikambanana Ifanampiana nandondom-baravarana. Tsy niteny ry zareo hoe “Teneno anay raha misy azonay hanampiana.” Rehefa hitan’izy ireo ny toe-draharaha dia nirotsaka nanao asa izy ireo.

“Nalamin’izy ireo sy nodiovin’izy ireo ilay korontana, nitondra fahazavana sy fahadiovana tao amin’ilay tokantrano izy ireo, ary niantso namana iray mba hanatitra vatsy sasantsasany izay tena nilaina. Nony vitan’izy ireo ihany ny asany tamin’ny farany ka nametraka veloma, dia vonton-dranomaso ilay renim-pianakaviana tanora raha nilaozan’izy ireo—ranomasom-pankasitrahana sy ranomasom-pitiavana.”7

Samy nahatsapa fientanam-pifaliana na ny mpanome na ny mpandray.

Voleo fifaliana ao amin’ny fiainanao

Arakaraka ny hambolentsika fifaliana sy fiadanana ary fahasambarana ao amin’ny fiainantsika no hahafahantsika bebe kokoa mizara amin’ny hafa rehefa manompo isika. Tonga avy amin’ny alalan’ny Fanahy Masina ny fifaliana (jereo ny Galatiana 5:22 sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11:13). Zavatra mila angatahantsika am-bavaka (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 136:29) sy angatahantsika mba hisy eo amin’ny fiainantsika izany. Indreto misy sosokevitra vitsivitsy mba hambolena fifaliana eo amin’ny fiainantsika manokana:

  1. Isao ireo fitahiana azonao. Diniho ny fiainanao dia soraty ao amin’ny diarinao ireo zavatra izay nitahian’ Andriamanitra anao.8 Jereo sy fantaro ireo zavatra tsara manodidina anao rehetra.9 Mariho ireo zavatra izay mety hanakana anao tsy hahatsapa fifaliana ary soraty ireo fomba hahafahanao mamaha na mahatakatra azy ireny bebe kokoa. Mandritra ity vanim-potoan’ny Paska ity dia makà fotoana hikatsahana fifandraisana lehibe kokoa amin’ny Mpamonjy (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:36).

  2. Zaro ny sainao mba ho tony ka hifantoka sy hahatsikaritra ary hanaiky ireo fahatsapanao amin’ny fotoana hitrangan’izany. Ny fifaliana dia afaka ny ho hitanao amin’ireo fotoana manginan’ny fisaintsainana.10 Henoy tsara ireo zavatra izay mitondra fifaliana ho anao (jereo ny 1 Tantara 16:15). Indraindray dia mety ilaina ny misintaka amin’ny haino aman-jery mba hanazaranao ny sainao mba ho tony ka hifantoka sy hahatsikaritra ary hanaiky ireo fahatsapanao amin’ny fotoana hitrangan’izany.11

  3. Sorohy ny fampitahana ny tenanao amin’ny hafa. Voalaza fa mandroba ny fifaliana ny fampitahana ny tena amin’ny hafa. I Paoly dia nampitandrina fa ireo “izay midera tena, na hampitaha ny tenanay aminy; [dia] tsy hendry” (2 Korintiana 10:12).

  4. Mikatsaha fanambarana ho an’ny tena manokana. Nampianatra toy izao ny Mpamonjy: “Raha mangataka ianao dia handray fanambarana miampy fanambarana, fahalalana miampy fahalalana, mba hahafantaranao ireo mistery sy ireo zavatra mitondra fiadanana—izay mitondra fifaliana, izay mitondra fiainana mandrakizay.” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:61).

Fanasana mba hanao asa

Ahoana no ahafahanao mampitombo ny fifaliana eo amin’ny fiainanao amin’ny alalan’ny fanompoana?

Fanamarihana

  1. “Joy,” en.oxforddictionaries.com

  2. Russell M. Nelson, “Fifaliana sy fahavelomana ara-panahy,” Liahona, nôv. 2016, 82.

  3. Jean B. Bingham, “Manompo tahaka ny ataon’ny Mpamonjy,” Liahona, mey 2018, 107.

  4. Jereo ny Russell M. Nelson, “Eo am-pandrosoantsika miaraka,” Liahona, aprily 2018, 4–7.

  5. Thomas S. Monson, “Mahita fifaliana ao anatin’ilay dia,” Liahona, nôv. 2008, 86.

  6. M. Russell Ballard, “Mahita fifaliana amin’ny alalan’ny asa fanompoana feno fitiavana,” Liahona, mey 2011, 49.

  7. Jereo ny Dieter F. Uchtdorf, “Miaina ny filazantsara amim-pifaliana,” Liahona, nôv. 2014, 120–123.

  8. Jereo ny Henry B. Eyring, “O Remember, Remember,” Liahona, Nov. 2007, 67.

  9. Jereo ny Jean B. Bingham, “Ka ho tanteraka ny fifalianareo,” Liahona, nôv. 2017, 87.

  10. Jereo ny Dieter F. Uchtdorf, “Ny amin’ireo zavatra izay manan-danja indrindra,” Liahona, nôv. 2010, 21.

  11. Jereo ny Gary E. Stevenson, “Fanakona-masoandro ara-panahy,” Liahona, nôv. 2017, 46.