2019
Hazakazaka lavitr’ezaka ny fiainana: zatovo any Gresy
Aprily 2019


HAZAKAZA-DAVITRA ny fiainana

Ankehitriny ireto zatovo Olomasin’ny Andro Farany ireto dia miaina any amin’ny toerana izay nonenan’ny Paoly Apôstôly tamin’ny vaninandron’ny Testamenta Vaovao. Ary miaina araka ny teniny izy ireo.

Sary
Bryana

“Nianatra aho fa ny filazantsara dia mitovy na aiza na aiza. Tamin’izaho niaina tany ivelany no nianatra nifantoka amin’ireo fahamarinan’ny filazantsara sy nahatsapa ny Fanahy toy izay ho variana amin’ny kolontsaina.”— Bryana W., 15 taona

Sary
Marie

“Nosoratako teo amin’ny fitaratro ny teny hoe tsarovy mba hahatsiarovako ireo zava-drehetra nitranga tamin’ity taona ity: ny RTM, ny lasin’ny Zatovovavy, ny seminera. Manampy ahy hahatsiaro izany hoe avy aiza aho.” —Marie H., 17 taona

Sary
Lizzie

“Fantatro fa rehefa manatrika seminera aho dia afaka mahatsapa fahafaham-po noho ny fahafantarako fa manao izay tokony hataoko aho ary fantatro fa HILAMINA ny zava-drehetra.” —Lizzie T., 17 taona

Sary
Loukia

Tany amin’ny lasin’ny Zatovovavy i Loukia C., 15 taona, no nijoro ho vavolombelona voalohany ary natao batisa avy eo.

Sary
Haig

“Ny ampahany tiako indrindra tamin’ny RTM dia ny fanatanjahantena sy ny dihy ary ny fivorian’ny vondrona, izay fampaherezam-panahy sy fampahatsiahivana atao isa-maraina. Nanampy ahy ho lasa afaka manampy sy ho manam-paharetana bebe kokoa izany ary nanampy ahy ho tia ny soratra masina bebe kokoa.” —Haig T., 14 taona

Sary
Alexis

“Tany amin’ny RTM no nanombohanay ho lasa vondrona iray ary nampatanjaka anay izany. Nanampy tamin’ny famolavolana sy ny fitondrana fiovana tamin’ireo fandaharam-pianaran’ny zatovo tany Gresy izany satria ankehitriny izahay dia lasa nifankahafantatra tsara lavitra kokoa.” —Alezis H., 18 taona

Sary
Irini

“Ny fihirana teny ambonin’ny sehatra tamin’ny RTM no iray tamin’ireo zavatra maneho herim-po indrindra vitako ary iray tamin’ireo fotoana niavaka indrindra nananako hatrizay. Ankehitriny aho dia nianatra ny maha-manan-danja antsika eto amin’ity tontolo tsara tarehy ity.” —Irini S., 17 taona

Sary
Winifred

“Tany amin’ny lasin’ny Zatovovavy aho dia nianatra fa ny fiainana dia toy ny hazakaza-davitra. Nanampy ahy nampitombo ny finoako ny fahafantarako fa isika dia afaka mitozo eo amin’ny lalana marina toy ireny hoe manao hazakaza-davitra ireny isika. Izany traikefa izany dia manampy ahy hampitombo ny fijoroana ho vavolombelona ananako sy hitohy hanam-pinoana ary hijanona eo amin’ny lalana marina.” —Winifred K., 14 taona

Sary
Pavlos

“Tena tiako mihitsy ny nahita hoe tahaka ny ahoana izany hodidinin’ny zatovo izay mitovy finoana amin’ny tena izany. Tsapako ho nanana fifandraisana tamin’ny fomba niavaka izany izahay rehetra, mihoatra ny hoe mifankahafantatra fotsiny.”—Pavlos K., 15 taona

Sary
Joshua

“Faly aho fa nanana fahafahana nihaona tamina zatovo hafa izay miaina ny zavatra mitovy amin’ny iainako isan’andro.” —Joshua K., 17 taona

Sary
Olivia

“Ny RTM sy ny lasin’ny Zatovovavy dia ahatsapana zavatra mitovy na aiza na aiza alehanao eran’izao tontolo izao. Tiako ny lasin’ny Zatovovavy izay kelikely satria mora kokoa ny fifandraisana.” —Olivia H., 15 taona

Sary
Irene

“Tsy mpikamban’ny Fiangonana aho saingy izaho kosa dia tonga isan-kerinandro amin’izay ahafahako. Tiako be ny foto-kevitra ijoroan’ireo zatovovavy.” —Irene C., 14 taona

Sary
youth in Greece

V`olana vitsivitsy lasa izay ny kilasin’ny seminera iray no nivory teo amin’ny Havoana Marsa, akaikin’i Atena ao Gresy, toerana izay nanaovan’i Paoly Apôstôly toriteny mahery vaika (jereo ny Asan’ny Apostoly 17:22–34). Niresaka momba ny fiantraikan’ny seminera teo amin’ny fiainany ireo mpianatra ary anisan’izany ireo fampianaran’i Paoly.

“Mampiaina ny Testameta Vaovao ny mipetraka eto Gresy,” hoy i Alexis H., 18 taona. “Tian’ny raiko ny mijery ireo toerana rava isan-karazany izay nampianaran’i Paoly ary hizara soratra masina iray na hitantara aminay tantara iray momba ny toerana nitrangan’ilay tantara izy.”

Tahaka ny niatrehan’i Paoly fahasarotana tamin’ny androny, ireo tanora eto Gresy ihany koa dia miatrika olana ara-piaraha-monina sy ara-pôlitika ary ara-toe-karena. Ireo fihaonamben’ny Zatovo sy ny lasin’ny Zatovovavy dia hetsika tsy fahita firy eto Gresy ary mety ho mananosarotra ny manatrika seminera. Na dia eo aza ireo fahasarotana ireo sy ny hafa, ny zatovo ao Gresy dia mampihatra ilay fankaherezan’i Paoly mba ho “maharitra amin’ny amin’ny fanahy iray ka miray fo hiara-miezaka hampandroso ny finoana ny filazantsara” (Filipiana 1:27).

Ny hoe miaina ao Gresy dia midika fa ireto zatovo mpikambana ireto dia afaka mankafy ny toetr’andro mafana, ny moron-tsiraka, sy ny sakafo ary ny dihy. Tena ankafizin’izy ireo ihany koa ny mihaona. Rehefa mihaona mandritra ny seminera sy ireo fiaraha-mientan’ny sampana izy ireo dia lasa mafy orina kokoa amin’ny finoana sy amin’ny finamanana.

Seminera eo amin’ny Havoana Marsa

Sary
Seminary students

Andiana mpianatra seminera eo anoloan’ny trano fiangonan’i Atena.

Sary nahazoana lalana avy tamin’i Leeann Heder

Tamin’ny nanombohan’ ny seminera tany Gresy taona vitsivitsy lasa izay dia tsy nahitana mpianatra afa-tsy dimy monja tao. Mihaona in-telo isan-kerinandro izy ireo izay atao ny maraina ka ny sasany dia manatrika amin’ny alalan’ny fifandraisan-davitra amin’ny alalan’ny internet. Mihaona ihany koa izy ireo isaky ny Alarobia tolakandro manao seminera arahina fiaraha-mientana iray avy eo. Lasa nifanakaiky bebe kokoa izy ireo ary lasa fahazavana ho an’ny naman’izy ireo izay mahita ny ohatra asehon’izy ireo. Rehefa mametraka fanontaniana ny naman’izy ireo dia entin’ireo zatovo manatrika seminera sy fiaraha-mientana ifampizarana izy ireo.

Nisy zatovolahy antsoina hoe Pavlos K. 15 taona nilaza hoe: “Ny fanatrehana seminera dia fomba tsara iray hanombohana ny andro ary manampy ahy ho matanjaka hatrany. Manampy ahy hifantoka amin’ny maha-ohatra ho an’ny hafa ahy izany. Izany dia manampy ahy hanomboka ny andro amin’ny fieritreretana momba an’i Jesoa Kristy.”

Rehefa mitombo tanjaka sy firaisan-kina ny zatovo dia tonga ireo fitahiana sy fahafahana. Ohatra, tamin’ny 2017 dia nanana fahafahana izy ireo nanatrika ny Ry Tanora, Mahereza (RTM), fihaonambe iraisam-paritra ho an’ny tanora. Ireo zatovovavy ihany koa dia nandray anjara tamin’ny lasin’ny Zatovovavy voalohany indrindra teto Gresy. Vokatr’izany dia vao mainka nifanakaiky bebe kokoa izy iray vondrona ary nisy zatovovavy anankiroa niditra ho mpikamban’ny Fiangonana.

Ry Tanora Mahereza: Fihaonambe iraisam-pirenena

Sary
youth spelling out youth theme at FSY

Ao amin’ny fivoriamben’ny RTM, manonona ny teny hoe “mangataka” ao amin’ny Jakoba 1:5.

Ny fihaonambe natao tao Alemanina dia nampifandray zatovo Olomasin’ny Andro Farany manerana an’i Eoropa. Ireo tanora avy ao Gresy sy Kiprosy dia avy tany amin’ny kilometatra maro ary nisy fiantraikany lalina teo amin’izy ireo ny zavatra niainany tamin’ilay fihaonambe. Ho an’i Maximos A., 14 taona, “ny zavatra nisongadina indrindra nandritra ny RTM dia ny fotoana nizaranay ny fijoroanay ho vavolombelona anananay. Nahatsapa ny Fanahy avokoa ny rehetra ary izany dia nitaona ahy hampitombo ny ahy manokana.”

“Tamin’ny voalohany dia zatovo efatra fotsiny no hoe handeha,” hoy i Loukia C, 15 taona, “saingy tamin’ny farany dia nisy 15 no nanatrika, izay isa betsaka indrindra, anisan’izany ny namana tsy mpikambana niisa 3.”

“Tena tsara loatra ny hoe tafaraka amin’ny toerana iray izay misy filazantsara iraisana ary koa hoe tsy maningana amin’ny olona manodidina anao ianao. Niray hina izahay ary nitovy ny Fanahy tsapanay. Nanampy ahy ireny zavatra ireny.”

“Tsy mpikambana ny raiko ary tsy hamela ahy ho any amin’ny RTM na hatao batisa izy,” hoy i Jesiana, 16 taona. “Saingy rehefa nifady hanina ho ahy ireo mpikambana tao amin’ny sampana dia niresaka tamin’ny raiko ny renibeko. Rehefa izany dia nalefany nandeha aho!”

Tany amin’ny RTM izy dia niaina fisantaran-javatra maro, toy ny hoe “ny fandraisana anjara tamin’ny lesona sy ireo fiaraha-mientana ary ny fijoroana ho vavolombelona dia nanampy ahy hahatakatra hoe ahoana marina izany mahatsapa ny Fanahy Masina izany. Tsy mbola nahatsapa ny Fanahy toy izany aho taloha ary tena faly sy mientanentana be aho. Izany no fotoana voalohany nizarako ny fijoroana ho vavolombelona ananako.”

Sary
youth at FSY

Ankoatra ny fivokisana ara-panahy dia afaka nitsotsotra sy niala voly niaraka ihany koa ireo zatovo tamin’ny fihaonambe. I Haig T., 14 taona dia avy any Kiprosy no tonga nanatrika ny fihaonambe. “Nianatra ny hahay mifandray aman’olona sy hanana finamanana tena izy ary ny mba hiala voly aho na dia ao anatin’ny fotoan-tsarotra aza.”

Ny lasin’ny Zatovovavy

Sary
young women at Marathon Greece

Hazakaza-davitra nataon’ireo zatovovavy tao Gresy.

Nitondra vokany nitovy tamin’izany ny lasin’ny Zatovovavy. Zatovovavy roa ambin’ny folo no nihaona tamin’ny mpitarika azy ireo teo akaikin’ny toerana fiadiana ny amboaran’ny hazakaza-davitra. Telo andro no niarahan’izy ireo nianatra ny mba ho toky sy andry ho an’ny tsirairay avy amin’ny tanjaka sy ny fampaherezana.

“Tamin’izaho 12 taona,” hoy i Loukia, “no nandeha nivavaka voalohany dia faly be aho saingy tsikaritro avy eo fa izaho irery no tao amin’ny sokajin-taona nisy ahy. Ankehitriny, roa taona aty aoriana dia manana zatovovavy be dia be izahay ary sambany izahay no afaka nanao lasin’ny Zatovovavy.” Rehefa mihaona izy ireo dia hoy izy “tsapako hoe inona no atao hoe Olomasin’ny Andro Farany. Rehefa miaina ny filazantsara isika dia misy hazavana manodidina antsika.”

Sary
young women holding flag

Lasin’ny Zatovovavy, 2017, voalahany indrindra tao Gresy.

Ho an’i Bryana W., 15 taona, ny RTM sy ny lasin’ny Zatovovavy dia nanampy azy hisokatra sy hiresaka amin’ny hafa. “Mifindrafindra matetika ny fianakaviako ka sarotra ho ahy ny hanana fifandraisana amin’ny hafa noho izaho saro-kenatra,” hoy izy. “Saingy noho izaho lasa nifanakaiky tamin’ireo vondrona nisy anay tany amin’ny RTM dia nanana namana tena tsara aho. Nandritra ilay fotoan’ny fijoroana ho vavolombelona dia nizara ireo fahatsapanay avy izahay ary tsapako tamin’izay fa nahatsapa ny zavatra tsapako ihany koa ny hafa.”

Tsaroan’i Marie H., 17 taona, ny lohahevitry ny lasy: “Hazakaza-davitra ny fiainana fa tsy hazakazaka mitaky hafainganam-pandeha.” Ireo zatovovavy sy ireo mpitarika azy ireo dia nifampiresaka ny amin’ny maha-zava-dehibe ny faharetana sy ny famitana ny hazakazaka, hoy izy. “Nampahatsiahy ahy izany fa izaho dia afaka maharitra, sy mandeha amin’ny hafainganam-pandeha izay azo tohizana amin’ny fotoana maharitra sy mifantoka eny amin’ny faritra tokony hahatongavana. Amin’izany aho dia afaka ny manatanteraka ireo zavatra asain’ny Ray any An-danitra ataoko.”

Sary
young woman at girls camp

“Nitondra fanahin’ny fiadanana sy ny hatsarana ny fijerevana ny fiposahan’ny masoandro.” —Lizzie T.

Iray tamin’ireo ampahany tsara indrindra tamin’ny lasy ny fampaherezam-panahy tamin’ny fiposahan’ny masoandro teny amoron-dranomasina tamin’ny maraina farany tamin’ny lasin’izy ireo. Hoy i Lizzie T., 17 taona hoe “Nentinay ny soratra masinay ary nanao ny fampaherezam-panahy izahay no nitazana ny masoandro miposaka. Nahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra izahay. Famaranana tsara ho an’ny fotoana nifampizaranay izany.”

Miomana am-pahatokiana hiatrika ny hoavy

“Tamin’ny RTM sy ny lasin’ny Zatovovavy no nianarako zavatra be dia be tokoa momba ny filazantsara sy ny fomba ahafahan’izany manampy ahy eo amin’ny fiainako,” hoy i Irini S., 17 taona. “Nahazo namana be dia be aho sady nianatra ny maha-zava-dehibe ny fanehoana ny hevitro sy ny fahatsapako. Nahatsapa lalina ny Fanahy Masina sy ny fitiavan’i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika aho.”

Nampantanjaka ny fahatokian-tenany hoy izy ny naha-voahodidina Olomasin’ny Andro Farany azy. “Talohan’ny RTM aho dia tsy afaka nahita ny hatsarana sy ny hamevan’ireo zavatra nataon’ Andriamanitra ho antsika sy ireo drafitra izay mbola hataony ho antsika.”

“Tsy tokony ho voasariky ny olona na zavatra hafa manodidina antsika izay mitady ny hisintona antsika tsy hiaina ny filazantsara isika,” hoy i Manasseh A., 17 taona. “Na aiza na aiza dia mitovy ny filazantsara ka tokony hiezaka hatrany isika hanao safidy tsara.”

Ary na any Gresy izany na any amin’ny toeran-kafa eto amin’izao tontolo izao, ny fiarahana eo amin’ny lalana dia manome antsika fahafahana hiray hina ao amin’ny fanahy.