2019
Zanaky ny Ray any An-danitra ny zanakay lahy
Aprily 2019


Ny tokantranontsika, ny fianakaviantsika

Zanaky ny Ray any An-danitra ny zanakay lahy

Monina any Arizona, Etazonia ny mpanoratra.

Nisy teny izay tsy ahy akory niditra tao an-tsaiko nanao hoe: “Mieritreritra ve ianao fa tia azy mihoatra ahy?”

Sary
mother and son

Sarin’ny mpanoratra sy ny zanany.

Mangana sy tsy niaina ary nitolona tamin’ny fahafatesana i Hayden, zanaka lahy kely maminay raha vao teraka. Tsy nitomany. Tsy nihetsika.

Rehefa nihazakazaka nihodinkodina ny efitrano fitsaboana ireo dokotera sy ny mpanampy azy dia fantatro fa nisy zavatra tena ratsy. Nanome tsodranon’ny fisoronana haingana an’i Hayden ny vadiko sy ny raiko ary nentina haingana tany amin’ny fitsaboana ireo olana ara-pahasalamana mila fitandremana izy Tsy ela dia nahitana tsy fahatomombanan’ny fo,izay aretina tsy dia fahita firy izy. Tao anatin’ny andro vitsivitsy dia nandalo fandidiana fo maro izy.

Tamin’ny alalan’ny hery mahagaga avy amin’ireo tsodranon’ny fisoronana sy fifadian-kanina, ary ny vavaka dia tafavoaka velona i Hayden na dia teo aza ny zavatra nampoizina hitranga. Heniky ny fifaliana izahay nitondra ny zanakay nody ary nanomboka niara-niaina ny fiainanay vaovao.

Nitondra fifaliana tsy hay refesina teo amin’ny fiainanay i Hayden. Nankamamianay ary tena tianay izy. Saingy rehefa nandeha ny fotoana dia nanomboka natahotra aho sao tsy hitombo araka ny tokony ho izy izy. Na dia efa nanome toky anay aza ireo manampahaizana fa hitombo araka ny tokony ho izy ihany izy, dia mbola nanahy hatrany aho noho ny fahasahiranako manampy ny zanako.

Nianatra izahay mivady mba hahafantatra ny zavatra rehetra azonay ianarana momba ny aretin’i Hayden. Nataonay daholo izay rehetra nampanaovin’ny dokotera anay. Fa mbola tsy nahitana fivoarana hatrany teo aminy.

Nanomboka reraka sy sorena aho. Nitalaho tamin’ny Raiko any An-danitra aho mba hanampy ahy hahita olona afaka manampy an’i Hayden, saingy tsy nisy fanampiana tonga. Niharatsy ny fahasalaman’i Hayden. Nanomboka nifanintona izy. Natahotra izahay. Nieritreritra izahay fa handao anay izy.

Indray alina dia niari-tory aho mba hikaroka valinteny. Nanoratra taratasy ho an’i Hayden aho. Nolazaiko azy ny haben’ny fitiavako azy sy ny hamafin’ny ezaka nataoko mba hanamorana ny fiainany. Nampanantena aho fa handany ny androm-piainako sisa amin’ny fiezahana hahazo ny fanampiana izay ilainy.

Heniky ny fahakiviana sy ny ahiahy aho indraindray. Nandohalika aho ary nangataka ny Ray any An-danitra hoe “Nahoana?” Noheveriko fa nandefa an’i Hayden ho aty amiko Izy satria fantany fa tsy hilavo lefona mihitsy aho hiezaka hanampy ny zanako lahy. Koa nahoana aho no tsy mety mahita valiny? Nahoana ny dokotera vaovao sy ny fitsaboana vaovao rehetra no nitondra fisedrana hafa indray? Tsy tian’ny Ray any An-danitra angaha i Hayden?

Tsy hohadinoiko mandrakizay izany fotoana izany. Nahatsapa fitiavana lehibe nanenika ahy tampoka aho. Nisy teny izay tsy ahy akory niditra tao an-tsaiko nanao hoe: “Jerlyn, mieritreritra ve ianao fa tia azy mihoatra ahy?”

Gaga aho. Toa nijanona ny fotoana. Nirotsaka tamin’ny tavako ny ranomaso, tsy noho ny fahakiviana toy ny teo aloha fa noho ny fanantenana sy fahatakarana ary fitiavana.

Tamin’io fotoana io dia niova ny zava-drehetra. Lasa nanetry tena kokoa aho. Niova ireo fanontaniako. Takatro izao fa tia an’i Hayden amin’ny fitiavana tonga lafatra ny Raiko any An-danitra. Nalefa tety an-tany i Hayden tao anaty vatana izay mifanaraka amin’ny filany sy ireo fahafahany hitombo sy hianatra. Manana ny fahaiza-manaony sy ny fanambiny manokana izy, tahaka ny tsirairay amintsika. Lasa nahafantatra aho fa ireo zaza manana fahasembanana dia zanaka sarobidy sy mamin’ny Ray any An-danitra izay manana iraka nampanaovina azy manokana ety ambonin’ny tany.

Mahazo valin-teny sy fitahiana tsy tapaka izaho sy ny vadiko saingy tonga amin’ny fotoan’ny Tompo izany fa tsy ny anay. Voatarika nankany amin’ny boky, fitsaboana, sekoly, ary mpampianatra tsara izahay mba hanampy an’i Hayden hahomby amin’ny fiainany an-tany. Miezaka mikatsaka ny lalana izay napetraky ny Raintsika any An-danitra ho an’i Hayden izahay fa tsy izay tianay handehanany. Manao izay rehetra azonay atao izahay mba hanampiana an’i Hayden hahatratra ny maha-andriamanitra azy sy hiainany ny fiainana izay novolavolain’ny Ray any An-danitra ho azy. Nihanazava bebe kokoa izao ny fahatakaranay ny drafitry ny Ray any An-danitra ka takatray fa Azy i Hayden talohan’ny nahazoanay azy.