2019
Amin’ny maha-zatovovavy ahy dia tokony hifantoka bebe kokoa amin’ny fianarana sy asa ve aho sa amin’ny fahatongavana ho vady sy reny?
Aprily 2019


Amin’ny maha-zatovovavy ahy dia tokony hifantoka bebe kokoa amin’ny fianarana sy asa ve aho sa amin’ny fahatongavana ho vady sy reny?

Sary
education vs motherhood

Fantatsika fa “ny fianakaviana no fototry ny drafitry ny Mpahary” ary “ny reny no tompon’ andraikitra voalohany amin’ ny fikarakarana ny zanany.”1 Ary fantatsika ihany koa fa noho ny antony tsara maro samihafa, ny lehilahy sy ny vehivavy dia notoroan’ny mpaminany hevitra mba hianatra.2 Ankoatra izany dia fantatsika fa vehivavy maro no no mila miditra na te hiditra eo amin’ny sehatry ny asa.

Nilaza ny Filoha Dallin H. Oaks, mpanolotsaina voalohany ao amin’ ny Fiadidiana Voalohany, fa ho an’ny vehivavy dia tsy eo amin’ny fianakaviana sy ny fianarana sy ny asa no mipetraka ny safidy. “Ny fotoana no tokony hosafidiantsika” hoy izy. “Ary mikatsaka ny aingam-panahy avy amin’ny Tompo sy ny fampianaran’ireo mpanompony isika rehefa manao izany.”3

Manaova drafitra hahafahana mianatra, ary manaova drafitra hananana fianakaviana. Afaka manao drafitra ny hanana asa ihany koa ianao. Ao anatin’izany rehetra izany dia ny fanarahana ny drafitry ny Ray any An-danitra sy ny fikatsahana ny sitrapony no tokony hifantohanao.

Fanamarihana

  1. “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao,” familyproclamation.lds.org.

  2. Jereo ny Jeunes, soyez forts (2011), 9.

  3. Dallin H. Oaks, Tafasiry mivantana hiarahana amin’ny Loholona Oaks sy ny Loholona Ballard (hetsika ho an’ny tanora tokan-tena maneran-tany, 19 nôv. 2017), broadcasts.lds.org.