2019
Nitsidika an’i Inde ny Loholona Bednar
Aprily 2019


Apôstôly manerana izao tontolo izao

Nitsidika an’i Inde ny Loholona Bednar

Sary
Elder Bednar Visits India

Nandeha niaraka tamin’i Susan Bednar vadiny ny Loholona David A. Bednar mba hizara amin’ny mpikamban’ny Fiangonana tao Inde ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo momba ny an’i Jesoa Kristy. I Inde dia iray amin’ireo tanàna lehibe indrindra maneran-tany. Ary tsy ho ela dia hanana ny tempoliny voalohany izy!

Nandeha tao amin’ny tanànan’i Rajahmundry ny Loholona sy Rahavavy Bednar. Tsy mbola nisy Apôstôly nandeha tany hatrizay.

Nandray tanana ny Loholona Bednar ireo ankizy.

Nandritra ny fivoriana iray tao Hyderabad, dia nisy ankizivavy iray nametraka fanontaniana iray tamin’ny Loholona Bednar.

Faly avokoa ny tsirairay nandre ny fijoroana ho vavolombelon’ny Apôstôlin’ Andriamanitra!

“Arakaraka ny handehanako manerana izao tontolo izao, arakaraka ny hitsidihako firenena, arakaraka ny hianarako zavatra avy amin’olona maro, no ahitako fa mitovy daholo ny olona eran’izao tontolo izao.”

—Loholona David A. Bednar