2019
Mandeha tsara ny fandraharahana
Aprily 2019


Fitahiana avy amin’ny fizakan-tena

Miroborobo ny orinasa

Noho ny zavatra nianaran’i Teddy Reyes tao amin’ny kilasin’ny fizakan-tena. Raha nikatona ho an’i Teddy ny varavarana iray dia vetivety dia nisy varavarana iray hafa nisokatra ho azy.

Sary
couple preparing food

SARY NATAON’I RAUL SANDOVAL

Amin’y 4 maraina ao Santo Domingo, République Dominicaine, ary efa mifoha sahady i Teddy Reyes ary efa miasa. Be zavatra atao izy androany hihazonana ny asany izay efa mandroso tsara. Manomboka manapaka voatabia sy mofo izy. Dia manao ilay saosiny miavaka izy.

Mandra-pahatonga ny amin’ny 6 maraina dia mpiasa anankiroa no tonga manampy azy, dia mihahaingana ny fikarakarana. Tonga ny amin’ny 8 ora dia efa nahavita sandwich 300 izy ireo, nofonosina tsirairay tamin’ny famonosana vita amin’ny plastika ary natao anaty kitapo. Mpiasa enina indray no tonga ary lasa nandeha nivarotra ny ekipa iray manontolo.

Amin’ny 9 ora dia lafo avokoa ny sandwich rehetra afa-tsy vitsivitsy ihany, telo na efatra izay nampirimin’i Teddy hohanin’ny ekipany.

Mandeha tsara ny asa ho an’i Teddy. Saingy tsy mora foana ny zava-drehetra hatrizay. Eny tokoa, tao anatin’ny dimy taona lasa dia tsy afaka nahita asa maharitra nifanaraka tamin’ny karazan’asa nilofosany izy, dia ny an’ny mpisolovava izany.

Koa tamin’ny fomba ahoana no niovan’i Teddy avy tany amin’ny fanomezana torohevitra olona nankany amin’ny fivarotana sandwich? Mazava ho azy fa nitaky asa mafy betsaka izany saingy nitaky fampiharana tamim-pitandremana ireo fitsipika nianarany tao amin’ireo kilasy nomena tamin’ny alalan’ny ezaka ataon’ny sampan-draharaha misahana ny fizakan-tena an’ny Fiangonana.

Ny fahaverezan’ny asany

Dimy taona lasa izay dia tsara ny fiainan’i Teddy. Nanana asa tsara tamin’ny naha-mpisolovava azy izy, vao tsy ela izy no nanambady, ary nanao batisa ny vadiny izy. “Saingy nanana olana izahay” hoy izy “dia very ny asako.”

Tao anatin’ny efa-taona nanaraka izay dia sahirana i Teddy nitady asa. “Misy asa betsaka azoko natao saingy tsy nisy olona te hanakarama ahy. Nanandrana nanomboka asa hafa ho an’ny tenako aho, saingy tsy nahomby izany.”

Nanana asa tsara i Stephany vadiny, saingy tsy ampy handoavana ny faktiora ny karamany irery. Tsy ela dia nanan-janaka izy mivady. Faly izy ireo saingy niha-nanify ny toe-bolan’izy ireo. Lasa ny tranon’izy ireo. Tsy maintsy namidy ny fiarany ary nampiasainy daholo ny tahiriny rehetra. Tsy maintsy nifindra tamin’ny trano kely iray an-drenin’i Stephany izy ireo nony farany.

Saingy tsy nilavo lefona i Teddy. Tsy ela dia nisy zava-mahasoa tsy nampoizina nitranga.

Ny herin’ny fizakan-tena

Rehefa avy sahirana nandritra ny taona maro i Teddy dia nahafantatra fa fotoana tamin’izay mba hisian’ny fiovana.

“Nanapa-kevitra ny hanaraka ireo fampianarana ao amin’ny fizakan-tenan’ny Fiangonana aho” hoy izy. “Efa henoko ny momba izany fa nihevitra foana aho hoe tsy natao ho ahy izany. Neritreretiko ho fanaovana zavatra samirery fotsiny izany. Tena nahafinaritra ireo kilasy.”

Voalohany dia niditra tao amin’ny vondrona manaraka ny “Finances personnelles” (Teti-bolan’ny tena manokana) izy. Avy eo izy dia niditra tao amin’ny vondrona “Lancer mon entreprise et la développer” (manangana sy mampiroborobo ny orinasako). Tsy vitan’ny hoe nanampy an’i Teddy tamin’ny fahaizany ny asa fandraharahana ny mpiray kilasy taminy fa nanampy azy hivoatra ara-panahy ihany koa.

“Nanova ny zava-drehetra ny fanatrehana ireo kilasy ireo” hoy izy. “Nanapa-kevitra ny hanao izay rehetra nampianarina aho. Ary niova avy hatrany ny teti-bolako. Nanomboka nandoa fahafolonkarena feno sy nivavaka isan’andro, nandalina ny soratra masina ary nampihatra finoana aho. Dia nisy ny fiovana, nanomboka nanangom-bola aho ary nihazona ny andro sabata ho masina. Nitahy ahy avokoa ny fitsipika tsirairay.”

Tao amin’ny vondrony “Lancer mon entreprise et la développer” i Teddy dia nianatra ny fomba hamantarana ny zavatra mety hahasoa an’ireo mpanjifa eo amin’ny toerana misy azy. Rehefa nanombantombana ny zavatra tadiavan’ny olona izy, dia nanomboka nirotsaka ny fitaomam-panahy. Tia sandwiches vao vita ny olona ao amin’io faritra io, fa tian’izy ireo ihany koa ny manafatra izany, ka aterina any aminy.

“Toeram-pisakafoanana maro no manana ny saosy mampiavaka azy izay mahatonga ny sakafony hiavaka” hoy i Teddy. “Koa nanao ny saosiko manokana aho!”

Mampiroborobo ny Orinasany

Tamin’ny andro nanombohan’i Teddy ny orinasany dia nanao sandwich 30 izy.

“Telopolo minitra taorian’izay aho dia efa nody,” hoy izy. “Nanomboka gaga ny vadiko rehefa nahita ahy teo amin’ny sezalava. Nanontany ahy izy hoe inona sahady no nataoko tato an-trano, tsy tokony mbola eny am-pivarotana sandwich ve aho? Efa lafoko daholo izy ireo!”

Tao anatin’ny herinandro vitsivitsy manaraka izany, dia nanatona ireo orinasa sy sekoly teo an-toerana aho. Maro ireo vonona hividy ireo sandwich ataony, ary dia nanomboka niroborobo ny orinasany. Nianatra haingana ny fomba fikarakarana legioma mba hateza izy. Hainy tsara ihany koa hoe mitana hafiriana ilay saosiny miavaka. Manafatra sy maka mofo izy isaky ny hariva. Mividy legioma mora izy isaky ny sabotsy, mora vidy saingy mbola ho tsara ny alatsinainy.

Tsy ela izy dia nisy nanafatra karazana sandwich manokana, ary sandiwich be dia be mihitsy aza rehefa misy hetsika manokana. Nila fanampiana izy ary nanomboka naka mpiasa.

Tamin’ny alalan’ny fametrahana fifandraisana tsara tamin’ireo sekoly sy orinasa teo an-toerana dia nanorina vondron’ny mpanjifa mavitrika sy mahatoky i Teddy. Tao anatin’ny efa-bolana dia nanana mpiasa valo izy ary nahalafo sandwich 300 isan’andro, dimy andro ao anatin’ny herinandro. Tena mahomby ny ekipan’ny varony ka nahalafo sandiwch foana izy ireo mandritra ny fahavaratra rehefa mikatona ny sekoly. Izao i Teddy dia vonona ny hanitatra.

Noho ny fanatrehany ireo kilasin’ny fizakan-tena dia nahazo fitaomam-panahy izy ka nanana hevitra ny hanangana orinasa manao sandwich. “Noho io fitarihana avy amin’ny Fiangonana io sy ireo fitahiana voaraiko” hoy izy “dia manana fijoroana ho vavolombelona matanjaka aho momba ny Fiangonana sy i Jesoa Kritsy.”