2019
Reykjavík, Islande
Aprily 2019


Tafaorina eto ny Fiangonana

Reykjavík, Islande

Sary
reykjavik

I Reykjavík, renivohitr’i Islande izay ahitana orin-trano mareva-doko, miaraka amin’ny tendrombohitra Esja rakotra oram-panala eo aoriana, no mandray anao ao amin’ny nosy iray izay mihoatra ny 1609 km miala ny tanibe Eoropeana. I Reykjavík izay nozanahan’ny Vikings voalohany tamin’ny taona 874 taorian’i Jesoa Kristy no ivon’ny kolontsaina, sy ny toe-karena, ary ny fitondram-panjakan’i Islande. Izy ihany koa no iray amin’ireo tanàn-dehibe faran’izay madio, sy maitso, ary misy fandriampahalemana indrindra maneran-tany.

Ireo Islandey roa voalohany dia natao batisa tany Danemarka tamin’ny 1851. Tsy ela taorian’izay dia niverina tao Islande izy ireo ary tamin’ny 1853 no nitsangana ny sampana voalohany. Ankehitriny dia ahitana mpikambana mananika ny 300 isa sy sampana telo ao Islande: ny iray ao Reykjavík, ny iray ao Akureyri, ary ny iray ao Sellfoss. Ny tempoly akaiky indrindra dia ao Londres, Angletera, izay 1894 km miala an’i Reykjavík.

Na dia vitsy aza ny isan’ireo mpikambana dia tsy mitsaha-mitombo ny Fiangonana. Na dia eo aza ireo olana ateraky ny fitokana-monina sy ny fandikana ireo loharanom-pitaovan’ny Fiangonana sy ny haratsin’ny toetr’andro ary ireo sakana ara-kolontsaina, dia nampanantena ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana fa indray andro any i Islande dia ho ohatra ho an’ny firenen-kafa. Nitsidika an’i Islande ny Filoha Hinckley (1910–2008) ary nampahatsiahy ireo mpikambana fa izy ireo dia “vahoaka manana -tanjaka sy hery ary fahafahana ny hanao zavatra- lehibe” (“Wonderful to Have Sweet, Good Land,” Church News, Sept. 21, 2002, 10).

  • Ny Misiônan’i Islande dia tafatsangana tamin’ny 1894 saingy natsahatra ny asa fitoriana tamin’ny 1914. Lasa tafiditra tao anatin’ny Misiônan’i Danemarka Copenhague i Islande tamin’ny 1975.

  • Tamin’ny 1977, ny Loholona Joseph B. Wirthlin (1917–2008), izay mpikambana iray tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo tamin’izany, dia nanokana tamin’ny fomba ôfisialy an’i Islande ho amin’ny fitoriana ny filazantsara.

  • Tamin’ny taona 1981 no namoahana ny Bokin’i Môrmôna tamin’ny fiteny Islandey, fiteny izay tsy misy manana na aiza na aiza maneran-tany.