2019
Rehefa miverina any Aminy aho
Aprily 2019


Raha toa miverina aho

Amim-pitiavana = 90

Sary
When I Return to Him

1. ‘Lay Mpiandry ondry dia tia

‘reo zanak’ ondriny.

Tadiaviny ireo very,

antsoiny tsirairay.

Mihaino Azy izy ireo,

Manatona Azy koa,

Ka raisiny am-pitiavana

Raha toa miverina.

2. Ilay Mpamonjy dia tia

ireo madininy.

Tadiaviny aho raha very,

Na alina na andro.

Hihaino ny Mpamonjy aho,

Hanatona Azy koa,

Ho raisiny am-pitiavana aho

Raha toa miverina.

3. Ilay Mpamonjy hanoro ahy

hoe aiza no haleha.

Raha sendra ka mania aho,

Hoavelany aho re.

Ka hihaino ny Mpamonjy aho,

Hoafoiko ny otako,

Ho feno fifaliana aho

Raha toa miverina.