2019
Ny fomba lehibe indrindra nanehoana ny fitiavan’ Andriamanitra
Aprily 2019


Ny teny farany

Ny fomba lehibe indrindra nanehoana ny fitiavan’ Andriamanitra

Avy amin’ny lahateny iray tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana tamin’ny aprily 1988.

Amin’ny alalan’ny fanomezana ny fitarihana ilaintsika mba hivoarana sy hahatrarana ny olona tokony hahatongavantsika no hanehoan’ Andriamanitra ny fitiavany antsika. Izy izay mahafantatra betsaka indrindra momba antsika, ny zava-bitantsika, sy ireo fahafahana mandrakizaintsika dia nanome antsika torohevitra sy didy ao anatin’ireo boky torolalana, dia ireo soratra masina izany. Rehefa takatsika sy arahintsika ireny torolalana ireny dia manana tanjona sy misy dikany ny fiainantsika. Mianatra isika fa ny Mpahary dia tia antsika ary maniry ny hahasambatra antsika. Tamin’ny alalan’ny fanehoana tsy manam-paharoa io fitiavan’ Andriamanitra io ho antsika no nandefasany an’i Jesoa Kristy, Zanany Lahitokana.

“Fa toy izao no nitiavan’ Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.

“Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka ho amin’ izao tontolo izao hanameloka izao tontolo izao, fa mba hamonjeny izao tontolo izao” (Jaona 3:16–17).

Teraka teto an-tany i Jesoa Kristy. Niaina fiainana tonga lafatra Izy ary tamin’izany no nanaovany ohatra mba harahintsika. Nampianariny ny mpianany hoe: “Izaho no fahazavan’izao tontolo izao: izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin’ny maizina, fa hanana ny fahazavan’aina” (Jaona 8:12).

Enga anie isika ka hanomomboka hahatakatra ny halalalin’ny fitiavany antsika rehefa saintsainintsika fa Izy dia nanolo-tena ny hanao sorona sy hijaly noho ireo fahotantsika hangovitra noho ny fangirifiriana sy hivoa-dra amin’ny mason-koditra rehetra, ary hijaly na vatana na fanahy” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:18).

Amin’izao Paska izao dia ‘ndeha isika hanolotra fisaorana miavaka an’ Andriamanitra noho ny Sorompanavotana sy ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy Zanaka malalany tamin’ny maty. Noho ny Aminy, sy avy Aminy ary amin’ny alalany no ahafahana mamadika ity toetra mety maty ity ho amin’ny toetra maharitra, fiainana tonga lafatra izay mahatonga fifaliana tsy hay lazaina.

Ny zava-mahatalanjona rehetra ao amin’ny zava-boahary dia fahitana amin’ny ampahany ny heriny masina sy ireo fanehoany ny fitiavany. Kanefa miandry antsika ny fahagagana lehibe indrindra amin’ny fahagagana rehetra. Hitranga izany rehefa hitsangana amin’ny maty avy ao am-pasana isika, amin’ny alalan’ny heriny, ho amin’ny tontolo iray vaovao, toerana izay hiarahantsika Aminy sy ny Raintsika any An-danitra mandrakizay, raha mendrika isika.

Sary
infographic about President Ballard