2019
Ireo mpaminanintsika sy apôstôlintsika
Aprily 2019


Ireo mpaminanintsika sy apôstôlintsika

Sary
Our Prophets and Apostles

Mitarika Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany amin’ny alalan’ireo mpaminany sy apôstôly i Jesoa Kristy. Vakio ny mombamomba azy ireo etsy ambany. Avy eo dia tapaho ireo sary ao amin’ny pejy N23 ary apetaho eo amin’ny toerany ao amin’ilay tabilao. Asio scotch eo an-tampon’ny sary tsirairay mba hahafahanao manainga izany hamakiana ny zavatra ao ambaniny!

Filoha Russell M. Nelson

Filoha faha-17 an’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany

  • Mpandidy fo

  • Nianatra fiteny maromaro, anisan’izany ny Mandarin

  • Manana zanaka 10: 9 vavy ary 1 lahy

Filoha Dallin H. Oaks

Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ ny Fiadidiana Voalohany

  • Mpanadio toerana fanamboarana radiô no asany voalohany

  • Lasa mpisolovava sy mpitsara tao amin’ny Fitsarana Avon’i Utah

  • Efa avy filohan’ny Oniversiten’i Brigham Young

Filoha Henry B. Eyring

Mpanolotsaina Faharoa ao amin’ny Fiadidiana Voalohany

  • Nilalao basket tao amin’ny sekoly ambaratonga faharoa

  • Nianatra momba ny fizìka tamin’ny rainy tamin’ny solaitraben’ny fianakaviany

  • Filohan’ny Ricks College, izay lasa BYU–Idaho ankehitriny

Filoha M. Russell Ballard

Filoha mpisolo toerana an’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo

  • Nahazo anaram-bositra hoe “ra-eveka” tany amin’ny oniversite noho ny fitsipika ambony izay niainany

  • Nanana fivarotana fiara

  • Nanao asa fitoriana tany Angleterre sy filohan’ny misiôna tany Toronto, Kanada

Loholona Jeffrey R. Holland

Ao amin’ ny Kôlejin’ ny Apôstôly Roambinifololahy

  • Misiônera mpiara-mitory tamin’ny Loholona Cook tany Angletera

  • Niasa tao amin’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana

  • Filohan’ny BYU

Loholona Dieter F. Uchtdorf

Ao amin’ ny Kôlejin’ ny Apôstôly Roambinifololahy

  • Nitsoa-ponenana indroa tamin’ny fahazazany

  • Efa avy kapitenin’ny fiaramanidina

  • Tia manao ski miaraka amin’ny zanany sy ny zafikeliny

Loholona David A. Bednar

Ao amin’ ny Kôlejin’ ny Apôstôly Roambinifololahy

  • Mpiaro vodilaharana tao amin’ny ekipa mpilalao baolina kitra amerikana tao amin’ny sekoliny

  • Rehefa avy nanao asa fitoriana tany Alemana izy dia nanao batisa an-drainy ho lasa mpikamban’ny Fiangonana

  • Efa avy filohan’ny Ricks College, rehefa lasa BYU–Idaho izany

Loholona Quentin L. Cook

Ao amin’ ny Kôlejin’ ny Apôstôly Roambinifololahy

  • Nahazo fijoroana ho vavolombelona rehefa avy nandalina ny soratra masina sy nivavaka niaraka tamin’ny zokiny lahy

  • Nahita ilay ho vadiny nandritra ny fampisehoana talenta iray tany amin’ny Lycée

  • Mpitarika tao amin’ny Fiangonana tany Philippines sy ireo Nosin’i Pacifique

Loholona D. Todd Christofferson

Ao amin’ ny Kôlejin’ ny Apôstôly Roambinifololahy

  • Nanamboatra mofo vita tao an-trano ho an’ny fiainakaviany mandra-pahalehibeany

  • Nandray anjara tamin’ny famerenana ny tantaran’ny Havoan’i Kômôrà tao New York tamin’ny fahatanorany

  • Mpisolovava talohan’ny niantsoana azy ho Apôstôly

Loholona Neil L. Andersen

Ao amin’ ny Kôlejin’ ny Apôstôly Roambinifololahy

  • Lehibe tao amin’ny toeram-piompiana ombivavy be ronono iray tao Idaho, Etazonia

  • Nanao asa fitoriana sy filohan’ny misiôna tany Frantsa

  • Miteny frantsay, pôrtogey, espaniôla ary anglisy

Loholona Ronald A. Rasband

Ao amin’ ny Kôlejin’ ny Apôstôly Roambinifololahy

  • Efa filohan’ny misiôna tao New York City, Etazonia

  • Ny teny filamatra tiany dia: “Ny olona no tena zava-dehibe”

  • Nanokana ny trano an’ny Olomasin’ny Andro Farany voalohany tany amin’ny Repoblika Tchèque

Loholona Gary E. Stevenson

Ao amin’ ny Kôlejin’ ny Apôstôly Roambinifololahy

  • Nanao asa fitoriana ny filazantsara tany Japana ary avy eo dia filohan’ny misiôna tany

  • Nanorina orinasa tamin’ny fanamboarana sy fivarotana fitaovana fanatanjahan-tena

  • Efa evekan’ny Fiangonana manontolo

Loholona Dale G. Renlund

Ao amin’ ny Kôlejin’ ny Apôstôly Roambinifololahy

  • Ny anarany hoe Gunnar dia midika hoe “miaramila be herim-po”

  • Nifindra niaraka tamin’ny fianakaviany avy tany Utah nankany Suède fony izy 11 taona

  • Dokotera mpitsabo fo

Loholona Gerrit W. Gong

Ao amin’ ny Kôlejin’ ny Apôstôly Roambinifololahy

  • Tia biby, anisan’izany ny penguins

  • Tia mihaona amin’ny olona amin’ny firenena rehetra

  • Ny tantaram-pianakaviany dia ahitana rakitra hatrany amin’ny Dragona Gong Voalohany tamin’ny 837 taorian’i J.K.

Loholona Ulisses Soares

Ao amin’ ny Kôlejin’ ny Apôstôly Roambinifololahy

  • Avy any Brésil ary nanao asa fitoriana tany sy filohan’ny misiôna tany Portugal

  • Nahafantatra ny Fiangonana niaraka tamin’ny fianakaviany fony izy mbola zazalahy

  • Efa nanomboka vonona hanao asa fitoriana fony izy 12 taona