2019
Mahatsapa tena ho vaovao
Aprily 2019


Mahatsapa tena ho vaovao

Monina any Texas Etazonia ny mpanoratra.

Estonie

Sary

“Misy zavatra nomaniko ho anao!” Hoy i Ema (neny) rehefa naka an’i Rasmus tany an-tsekoly. Niara-nandeha teny amin’ny arabe izy ireo izay feno tranobe marevaka ny sisiny.

“Hihinana Rosolje ve amin’ny sakafo hariva?” Hoy i Rasmus nanantena. Vao tamin’ny herinandro lasa izy ireo no nihinana izany tamin’ny tsingerintaonany fahafito. Saingy afaka mihinana salady betiravy sy ovy miaraka amin’ny trondro alona foana aho!

Nanetsi-doha i Ema nanaiky tamim-pitsikiana. “Nifanena tamina zatovovavy anankiroa aho tany anaty fiara fitateram-bahoaka anio maraina. Misiônera izy ireo. Ho avy hitsidika izy ireo anio alina hiresaka momba ny Fiangonany.”

Niandrandra ambony tamim-pahalianana i Rasmus. Tsy mbola nihaona tamin’ny misiônera mihitsy izy taloha.

Nilalao fiara mpamonjy voina kilalao tao amin’ny efitrano fatoriany izy tamin’ny fahatongavan’ireo misiônera. “Tere! Tere! Salama!” hoy izy ireo niarahaba an’i Ema rehefa niditra ny trano. Nesorin’izy ireo ny kirarony mavesatra ary natsofony ny kapa fanaovana an-trano nomanin’i Ema ho an’ny vahiny. Notarihin’i Ema teo amin’ilay sezalava volomboasary izy ireo. Fa i Rasmus kosa nijanona teo amin’ny varavarana.

Nahatsikaritra azy ilay vehivavy lavalava dia nitsiky. Misoratra hoe Õde Craig (Rahavavy Craig) ny eo amin’ny mari-pamantarana eo amin’ny tratrany. “Nilaza taminay i neninao fa vao avy nankalaza ny tsingerin-taona nahaterahanao ianao” hoy izy. “Nitondra zavatra ho anao izahay.” Nitazona karatra kely iray izy. Nojeren’i Rasmus akaiky izany.

Sarina lehilahy iray izany. Nanao akanjo lava fotsy izany, ary mihinjitra ny tanany.

“Fantatrao ve hoe iza io?” Hoy i Õde Craig.

Tsy fantatr’i Rasmus ny anaran’ilay lehilahy. Tsy mbola nahita io sary io izy taloha. Saingy toa tsara fanahy sy mahery ilay lehilahy. “Mpanjaka angamba io!” Hoy i Rasmus.

Nitsiky avokoa ireo misiônera. “Eny, mpanjaka io! Mpanjakan’ny mpanjaka io! Jesoa Kristy no anarany.” Namoaka boky mifono mangamanga i Õde Craig. “Ary inty misy boky mampianatra momba Azy, dia ny Mormoni Raamat. Ny Bokin’ i Môrmôna.”

Nanomboka namaky ny Bokin’ i Môrmôna isan’andro izy sy i Ema. Nandritra ny fotoana any an-tsekoly dia nandehandeha i Rasmus sy ny iray kilasy aminy ary avy eo nitsotsotra naka aina. Rehefa avy any an-tsekoly dia matetika izy sy i Ema no mihaona amin’ny misiônera. Niresaka tamin’ireo misiônera momba ny zavatra novakin’izy ireo tao amin’ny Bokin’i Môrmôna izy ireo. Indraindray ampihinanin’i Ema kringel, mofo misy kanelina ny rehetra. Mandritra ny faran’ny herinandro izy sy i Ema dia nitaingina bisikileta na nitsangantsangana eny amoron-dranomasina. Indraindray izy ireo dia mandeha ela any anaty ala na eny amin’ny renirano tena tian’izy ireo.

Tamin’ny iray amin’ireo fandehandehanana anaty ala ireo dia nilaza taminy i Ema fa te hatao batisa. Nitsiky Rasmus. Efa nangataka an’i Ema ireo misiônera mba hivavaka momba ny hoe hatao batisa sa tsia. Toa nahazo valiny angamba izy!

“Ary fantatro hoe aiza aho no hatao batisa” hoy izy sady nitsiky. “Aiza ary?”

Nieritreritra momba ny leson’ireo misiônera momba ny batisa i Rasmus. Nampiseho sary naneho an’i Jesoa miaraka amin’i Jaona Mpanao Batisa teo amin’ny renirano izy ireo. …

“Ilay renirano!” hoy izy nihiaka. “Ilay renirano tiantsika indrindra.”

Herinandro taty aoriana i Rasmus dia nijoro teo amoron’ny renirano niaraka tamin’ireo misiônera ary olona vitsivitsy hafa avy tao amin’ny Fiangonana. Vonona ny hatao batisa i Ema. Nandeha tao amin’ny rano izy tahaka ny nataon’i Jesoa. Rehefa nivoaka avy tao izy dia nitsiky. Tian’i Rasmus hotsaroana mandrakizay izany fotoana izany, ilay rano manga, ny voninkazo fotsy teo amin’ny ahi-maitso, ary ny tsikin’ny reniny.

“Manao ahoana izany atao batisa izany?” hoy izy taty aoriana, rehefa nihinana ireo mofomamy nentin’ireo misiônera ny tsirairay.

“Mahafinaritra” hoy izy taminy. “Te hijanona teo amin’ilay renirano mandrakizay aho. Nahatsapa ho vaovao aho!” Nofihininy mafy izy.

“Amin’ny tsingerintaonako manaraka aho dia te hatao batisa tahaka anao sy i Jesoa” hoy izy taminy. “Te hahatsapa ho vaovao koa aho!”