2019
Fanasana ho an’i Ricardo
Aprily 2019


Fanasana ho an’i Ricardo

Martin Apolo Cordova

Paraná, Brésil

Sary
stack of invitations

Sary nataon’i Katy Dockrill

Rehefa maheno fiaraha-mientana ataon’ny Fiangonana aho dia manasa olona 10 tsy mpikamban’ny Fiangonana foana mba hanatrika. Izany no nataoko nandritra ny taona maro. Manamboatra fanasana aho ary ataoko anaty valopy fotsy izany dia mivavaka aho mba hotarihin’ny Fanahy. Avy eo dia zaraiko ireo fanasana. Mahalana no tonga daholo izy folo, fa na dia iray fotsiny aza no tonga dia mahatsapa ho nahomby aho.

Taona maro lasa, dia nanomana fanasana folo aho mba hamonjy takariva amorom-patana ho an’ny mpivady. Nozaraiko tamin’ny olona tany am-piasana ny sivy ary nisy anankiray ambiny. Tsy fantatro hoe iza no homeko izany. Minitra vitsy taorian’izay dia nandalo teo amin’ny biraoko i Ricardo, mpisolotena ara-barotra iray. Nahatsapa ho notaomim-panahy hanasa azy aho, na dia efa nandà fanasana avy tamin’ny mpiara-miasa iray mba hanatrika hetsika tany am-piangonany aza izy. Tsy neritreretiko ho liana i Ricardo.

Saingy rehefa nandalo teo amin’ny biraoko indray i Ricardo raha izy hivoaka iny dia tsapako indray ilay fitaomam-panahy. Na izany aza dia nivoaka haingana izy ka tsy nanana fahafahana ny hiresaka taminy aho. Nivavaka aho ny mba hiverenan’i Ricardo raha toa ka tokony hanome azy ilay fanasana aho.

Rehefa vita ny vavaka nataoko dia niverina i Ricardo mba hametraka fanontaniana amiko. Dia hoy aho avy eo: “Ricardo, misy fiaraha-mientana ho an’ny mpivady hatao any am-piangonako. Hizara traikefa momba ny fomba hiainana fiainana sambatra foana isan’andro izahay. Dia hisy fandihizana aorian’izay. Ho tonga ve ianao raha asaiko?”

“Mazava ho azy!” Hoy i Ricardo saingy tsy nandresy lahatra ahy ny valin-teniny.

“Efa nanao ny anjarako aho izay,” hoy aho tany an-tsaiko.

Tonga taloha tany amin’ilay fiaraha-mientana izaho sy ny vadiko mba hiarahaba olona rehefa tonga izy ireo. Tampoka teo dia hitako i Ricardo niaraka tamin’i Regina vadiny. Nampahafantariko ny vadiko sy ireo hafa tonga nanatrika izy ireo. Nandritra ny takariva iray manontolo, dia hita toa finaritra ery i Ricardo sy i Regina. Gaga aho raha nilaza izy fa ho tonga aty am-piangonana izy ireo amin’ny alahady mba hianatra misimisy kokoa.

Tena nianatra misimisy kokoa i Ricardo sy i Regina niaraka tamin’ny zanak’izy ireo anankiroa. Tamin’ny farany dia niditra ho mpikamban’ny Fiangonana izy ireo. Taty aoriana dia nofehezina tany amin’ny tempoly izy ireo. Nilaza tamiko i Ricardo fa efa niresaka momba ny fisarahana izy sy ny vadiny, ary avy eo dia notarihin’ny Tompo teo amin’ny biraoko i Ricardo.

Nanomboka tamin’izay aho dia nangataka Andriamanitra mba hamela ahy noho ny nieritreretako fa tsy hanaiky ny fanasana ataoko i Ricardo. Nianatra aho fa zava-dehibe ny manasa ny olon-drehetra. Tsy ho ampoizinao mihitsy hoe iza no hanaiky ny fanasana.