2019
Fiatrehana zava-doza
Aprily 2019


Mampianatra ny zatovo sy ny ankizy kely

Fiatrehana zava-doza

Sary
icons

Na ho ela na ho haingana ireo ankizy dia ho sendra zava-doza na ao an-tokantrano izany na any lavitra any. Kanefa “na dia ao anatin’ny korontana aza ny tontolo manodidina anao dia afaka mandray ny fitahian’ny fananana fiadanana anaty ianao.”1 Indreto misy zavatra sasantsasany azonao atao hanampiana ny ankizy hahatsapa izany fiadanana izany.

Fahatoniana

Rehefa misy zava-doza mitranga dia mety ho tsapan’ny ankizy ho toy ny misy tsy mety loatra ny tontolo misy azy. Aoka ianao ho ohatra eo amin’ny fahatoniana ho azy ireo. Resaho amim-pahatoniana sy amim-pahatokian-tena ilay olana. Araka izay tratranao dia ataovy hatrany ireo zavatra fanaonao araka ny mahazatra. Ataovy izay azonao atao mba hanohizana ny takarivan’ny mpianakavy, ny fandalinana ny soratra masina, ny vavaka ary ireo fahazarana hafa fanaon’ny fianakaviana. Rehefa mandeha ny fotoana dia afaka mianatra ireo ankizy fa na dia voasembantsembana aza ny tontolon’izy ireo, ny filazantsara dia mamela antsika hisaina momba ny mandrakizay sady afaka manohy miaina sy mitombo.

Fanajana

Manehoa fanajana ny fihetseham-pon’ny ankizy. Henoy ny ankizy ary ekeo ny zavatra tsapany. Asehoy azy ireny fa tena amim-pahamatorana no andraisanao ny ahiahin’izy ireo. Aza terena hiteny izy ireo saingy ampahafantaro azy ireo fa eo foana ianao rehefa vonona ny hiresaka izy ireo. Valio amin-kitsimpo araka ny fahatakaran’izy ireo azy ireo fanontaniana mipoitra. Ampio ireo zanakao hahafantatra fa afaka miresaka foana aminao momba ny tahotra sy ny ahiahiny izy ireo.

Fitarihana

Mety hanontany ireo zanakao hoe “Nahoana Andriamanitra no mamela ireo zavatra ratsy hitranga?” Hazavao fa na ireo fotoana tsara na ireo fotoana ratsy dia sady anisan’ny fiainana no tafiditra ao amin’ny drafitr’ Andriamanitra. Ny olona tsirairay dia avelany hanao araka izay safidiny avy ary indraindray ny olona no manao safidy ratsy izay miteraka fijaliana. Indraindray ny loza dia tsy vokatry ny hadisoan’iza na iza fa ampahany amin’ny natiora fotsiny ihany. Na inona na inona mitranga dia eo ny Ray any An-danitra ho antsika. Miaraka amin’ny fanampiany isika dia mianatra sy mivoatra eny na dia avy amin’ireo zavatra niainana nampijaly aza. Afaka mitodika any Aminy isika mba hahitana fiadanana.

Fampaherezana

Asehoy ny ankizy fa manana hery hanovana zavatra izy ireo amin’ny alalan’ny fanomezana azy ireo fomba hanampiana. Ohatra, afaka manampy manangona ireo tolo-tanana ho an’ireo niharam-boina noho ny loza izy ireo, na mamangy marary na namana naratra iray any amin’ny hôpitaly, na mankahery olona iray miatrika fahafatesan’ny olana ao amin’ny fianakaviana, na mivavaka ho an’ireo sahirana. Tsy afaka ny hamaha ny olana rehetra isika saingy manana fahafahana hanao zava-tsoa maro ary “manao izay hisian’ny fiadanana isika isaky ny manampy hanamaivana ny fahorian’ny hafa.”2

Fankaherezana

Ampahatsiahivo ireo zanakao fa tia azy ireo Andriamanitra sady tianao izy ireo. Aza mandainga fa hoe tsy hisy zava-dratsy hitranga amin’izy ireo, kanefa omeo antoka izy ireo fa ieren-doza izy ireo amin’izao ary hanao izay vitanao rehetra ianao mba hiarovana azy ireo. Omeo antoka izy ireo fa ny Ray any An-danitra dia hanampy azy ireo hisedra izay mety ho fitsapana holalovan’izy ireo.

Rehefa malahelo ny tenanao vokatry ny fahoriana dia tsarovy fa amin’ny farany dia handresy ny ratsy ny tsara. “Mamaky ady amin’ny fahotana isika, … kanefa tsy mila kivy isika,” hoy ny nampianarin’ny Filoha Thomas S. Monson (1927–2018). “Ady izay mety handresentsika izany ary handresy isika amin’izany. Ny Raintsika any An-danitra dia nanome antsika ireo fitaovana ilaintsika mba hanatanterahana izany. Izy no mitantana. Tsy manana na inona na inona atahorana isika.”3

Fanamarihana

  1. “Peace,” Gospel Topics, topics.lds.org.

  2. “Peace,” Gospel Topics.

  3. Thomas S. Monson, “Looking Back and Moving Forward,” Liahona, May 2008, 90.