2019
Ilay akanjo bà tsy hita
Aprily 2019


Ilay akanjo bà tsy hita

Monina any Utah, Etazonia ny mpanoratra.

“Izaho Tompo dia hamela izay tiako havela heloka, fa takiana aminareo kosa ny hamela ny olon-drehetra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:10).

Sary

“Neny a, tsy hita ny akanjo bàko!” Hoy i Brad. Efa fotoana tokony handehanana hody avy nivavaka tamin’izay saingy tsy nety hitan’i Brad ny akanjo bàny teo amin’ny fipetrahan-damba.

“Azonao antoka ve fa teo no nanantonanao azy?’ Hoy i Neny nanontany.

“Eny. Teto mihitsy no nisy azy.” Manga sy mena mazava no lokon’ny akanjo bà an’i Brad. Fahatsiarovana lehibe ilay izy.

“Angamba mety nisy nanova toerana ilay izy. ‘Ndao savaina ny trano rehetra,” hoy i Dada.

Nandeha nizarazara nijery ireo efitrano hafa rehetra i Neny sy i Dada ary i Brad. Nojeren’izy ireo tao amin’ilay baoritra fasiana ireo entana very sy hita tao amin’ny trano fiangonana, tao amin’ny kilasin’ny sekoly Alahady, sy ny efitrano fianaran’ny Kilonga, ary teny amin’ny fiantonan’akanjo bà rehetra. Nosavain’izy ireo eny na dia tany amin’ny efitrano fivoahana aza saingy tsy hitan’izy ireo ilay akanjo bà.

“Angamba mety lasan’ny olona tsy nahy ilay izy. Azoko antoka fa hisy hamerina iny amin’ny herinandro vantany vao misy mahatsikaritra hoe tsy azy,” hoy i Dada.

“Mandra-pahita azy aloha dia azonao anaovana ilay akanjo bànao taloha,” hoy i Neny.

Nikentrona i Brad. Tsy tiany ilay akanjo bàny taloha. Sady manify no vasoka ary kely aminy. Tiany tokoa ilay akanjo bàny mena sy manga fa ohatra ireny mahery fo ireny ny fahitana azy rehefa manao izany.

“Mety hitan’ny olona ho mahafinaritra angamba ny akanjo bàko dia nangalariny,” hoy i Brad anakampo. Ahoana no hitrangan’izany any am-piangonana? Tokony ho marin-toetra daholo ny olon-drehetra. Tsy avelan’i Brad moramora foana izay nangalatra an’iny. Nanana drafitra izy. Ny alahady manaraka dia hanara-maso tsara izy hahitany izay olona nanao ny akanjo bàny. Avy eo dia ho alainy izany sady hivazavaza izy hoe “Ho aiza ianao ry mpangalatra!” Hanenina tsara izy tamin’ny nakany izany.

Tsy andrin’i Brad izay hahatonga ny alahady hanatanterahany ny drafiny. Saingy nafana loatra ny alahady herin’iny ka tsy nisy nanao akanjo bà, dia torak’izany koa ny alahady nanaraka izany.

Ny alahady taorian’izay i Brad dia kaodikaody nijerijery ny ankizilahy rehetra tao amin’ny Kilonga sady nanontany tena hoe iza no nangalatra ny akanjo bàny. Sao dia mba ilay ankizilahy lava be iny? Na mety ho vehivavy koa. Nahatsapa ho toy ireny tsy afaka ny hahatoky an’iza na iza ireny izy. Tsy tiany ilay fahatsapana nananany.

Taorian’ny fivoriam-piangonana dia nivoaka haingana i Brad nijery ireo fianakaviana nanao akanjo bàn’izy ireo. Kanefa tsy hitany na taiza na taiza ny akanjo bàny. Niverenany nojerena mihitsy aza tao amin’ilay baoritra fasiana ireo entana very sy hita … fa tsy tao ny akanjo bàny. Fa mba aiza ary izy izay?

Teny an-dalana hody dia nieritreritra drafitra vaovao i Brad. Hivavaka izy. Fantany fa ny Ray any An-danitra dia afaka mahita ireo zavatra very. Tamin’izany alina izany izy dia nivavaka sady niteny hoe “Ray any An-danitra ô, mba lazao ahy re hoe iza no naka ny akanjo bàko. Tiako ny hiverenany amiko.”

Niandry izay mety ho anaran’ilay mpangalatra na ny tarehiny ho tonga ao an-tsainy i Brad. Kanefa nanomboka nieritreritra momba an’i Carl namany izy. Mazàna no i Carl no miara-mipetraka aminy ao amin’ny Kilonga. Miara-mihanihany sy mihomemy be izy ireo. Saingy efa herinandro vitsivitsy izay i Carl no tsy tonga nivavaka. Nalahelo azy i Brad.

Dia ahoana raha i Carl no naka ilay akanjo bà? Mety ho natahotra ny ho any am-piangonana angamba izy izao fa nihevitra izy fa tsy ho naman’i Brad intsony. Tian’i Brad hiverina hivavaka indray i Carl. Nanapa-kevitra i Brad fa raha nalain’i Carl ny akanjo bàny dia tsy hivazavaza azy izy. Havelany ny helony.

Niakatra teo am-pandriana i Brad ary nahatsapa tena ho maivana kokoa.

Ny alahady manaraka tao amin’ny Kilonga dia tsy tao i Carl fa nisy ankizilahy vaovao iray tonga. Nanao karavato mitsipika mena sy manga izy.

“Tsara kosa ilay karavato an,” hoy i Brad, nipetraka teo akaikin’ilay ankizilahy vaovao. “Ohatran’ireny olona mahery fo ireny no fahitana anao amin’ilay izy.”

Nitsiky ilay ankizilahy.

Nitsiky koa i Brad. Tsy nitady mpangalatra intsony izy. Nitady namana izy.