2019
Fizarana vaovao ho an’ny ankizy ao amin’ny Liahona
Aprily 2019


Amin’ny endrika nomerika ihany

Fizarana vaovao ho an’ny ankizy ao amin’ny Liahona

Manomboka amin’ny 2019 ny pejy ho an’ny ankizy ao amin’ny Liahona dia hisy fiovana telo lehibe:

  • Fizarana iray mitokana. Amin’izao ireo ankizy dia hahita bebe kokoa tantara sy zavatra atao izay manorina finoana ao amin’ny pejy ho an’ny ankizy, izay antsoina hoe Namana. Ny Liahona dia mbola hahitana lahatsoratra ho an’ny olon-dehibe sy tanora ary zatovo hatrany.

  • Pejy misimisy kokoa. Ny fitomboan’ny pejy izay nianga avy amin’ny 14 pejy ka lasa 24 pejy dia midika fa hisy tantara sy zavatra atao ary hevitra bebe kokoa hampianarana ny ankizy any an-trano sy ao amin’ny Kilonga. (Ireo hevitra enti-mampianatra dia mifanaraka amin’ireo loharanom-pitaovana vaovao Avia, hanaraka Ahy .)

  • Taratasy vaovao. Ilay taratasy sakaizan’ny ankizy dia mora hetezana sy mora lokoina ary mora anaovana sary.

Ny Namana dia ho tafiditra ao amin’ny famandrihana ny Liahona sady tsy misy sarany amboniny haloa ary alefa miaraka amin’izany gazetiboky izany. Amin’izao aloha dia tsy azo afarana mitokana ny Namana.

Izay rehetra mahazo ny Liahona dia afaka mandray anjara amin’ny fanomezana fahafahana ny ankizy hahazo ny Namana. Ireo izay tsy manan-janaka any an-trano dia afaka manome izany ny zafikeliny, na namana na mpiara-belona, na mpitarika ao amin’ny Kilonga, izay afaka manome izany an’ny ankizy iray ao amin’ny paroasy na sampana.

Raha hanao famandrihana na haka iray mba hatao fanomezana dia mandehana ao amin’ny store.lds.org, na resaho ny foibe fanapariahana akaiky anao, na miresaha amin’ny mpitambokin’ny paroasy na sampana misy anao.

Ampahafantaro an’ny Liahona ny fomba fampiasanao ilay boky vaovao Namana any an-trano sy any am-piangonana amin’ny fandefasana email any amin’ny liahona@ldschurch.org.