2019
Fanomezana lehibe avy amin’ Andriamanitra
Aprily 2019


Avy amin’ny Fiadidiana Voalohany

Fanomezana lehibe avy amin’ Andriamanitra

Avy amin’ny “Isaorana Andriamanitra,” Liahona, mey 2012, 77–80.

Sary
Gods Great Gift
Sary
Jesus Is My Savior

Indray andro izaho sy Rahavavy Nelson dia nahita trondro avy amin’ny faritry ny zanapehintany tao anaty aquarium. Nilomano haingana sy nivezivezy mandroso sy miverina ireo trondro mazava loko ary amin’ny habeny sy endriny samihafa. Nanontaniako ny mpiasa iray teo akaiky teo hoe: “Iza no manome sakafo an’ireto trondro mahafinaritra ireto?”

“Izaho” hoy izy.

Dia nanontany aho avy eo hoe: “Efa mba nisaotra anao ve ireo trondro ireo?”

“Tsia!” hoy izy.

Ny olona sasany dia tahaka ireo trondro ireo. Tsy mahafantatra an’ Andriamanitra sy ny fahatsarany amin’izy ireo izy ireo. Tena ho tsara kokoa ny zava-miseho raha toa isika ka tonga saina amin’ ilay hery sy fitiavan’ Andriamanitra ary maneho izany fankasitrahana izany Aminy.

Feno fankasitrahana noho i Jesoa Kristy

Nalefan’ny Ray any An-danitra mba ho teraka ety an-tany i Jesoa Kristy Zanany Lahy. Nataony izany satria tia antsika fatratra tokoa Izy.

Tonga mba hanavotra antsika i Jesoa.

Noho ny Sorompanavotany, dia afaka ny hitsangana amin’ny maty isika aorian’ny fahafatesana.

Noho ny Sorompavotany dia afaka miverina miara-miaina amin’ny Ray any An-danitra indray isika.

Nanazava i Jesoa hoe:

“Izaho no fananganana ny maty sy fiainana; izay mino Ahy na dia maty aza mbola ho velona indray. Ary izay rehetra velona ka mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay” (Jaona 11:25–26).

Izany no hafatra mahafinaritry ny Paska!

I Jesoa Kristy no Mpamonjy Ahy

Nitsangana tamin’ny maty tamin’ny marainan’ny Paska i Jesoa. Vakio ireo fehezan-teny hitadiavana ny zavatra efa nataony ho antsika. Lokoy toy ny taramasoandro isaky ny avy mamaky fehezan-teny ianao. Dia lokoy ny ambin’ilay sary.

  • Nijaly tao Getsemane sy teo amin’ny hazofijaliana i Jesoa mba hanavotra antsika amin’ny fahotantsika.

  • Maty i Jesoa ary nitsangana tamin’ny maty mba hanampy antsika mba hanavotra antsika amin’ny fahafatesana.

  • Nanolotra antsika ny Fanasan’ny Tompo i Jesoa mba hanampiana antsika hahatsiaro Azy.

  • Nampianatra antsika mba hamela ny hafa i Jesoa.

  • Nasehon’i Jesoa antsika ny hatsaran-toetra.

  • Noho i Jesoa dia hitsangana amin’ny maty avokoa isika rehetra aorian’ny fahafatesana.