2019
Lesona telo momba ny fitiavana sy fifaliana ary fiadanana
Aprily 2019


Lesona telo momba ny fitiavana sy fifaliana ary fiadanana

Nosintonina avy amin’ilay lahateny, “Happiness, Deceit, and Small Things,” izay natao nandritra ny fampaherezam-panahy tao amin’ny Brigham Young University ny 5 desambra 2017.

Afaka ny hitondra fiovana lehibe eo amin’ny fiainanao ny manaraka ireo sosokevitra telo ireo ary hanampy anao hahatsapa ireo vokatry ny Fanahy.

Sary
bowl of fruit

Nieritreritra mafy momba ny hoaviko aho fony aho mpianatra tany amin’ny oniversite. Raha vantany fa tonga tao amin’ilay hoavy aho, izany hoe ny fiainana taorian’ny oniversite, dia nianatra lesona telo manan-danja izay nitondra fiovana lehibe teo amin’ny fiainako. Tiako hozaraina aminao ireo lesona telo ireo ary manantena aho fa tsy ho ela tahaka ny nianarako izany no ianaranao azy. Izy ireo dia afaka ny hanampy anao hahita fifaliana lehibe kokoa eo amin’ny fiainana, ary amin’ny farany dia hahazoanao ny fiainana mandrakaizay miaraka amin’ny Rainao any An-danitra.

1. Katsaho ny fahasambarana sy ny fiadanana ary ny Fanahy Masina

Nandritra ny taona faharoa nianarako teny amin’ny oniversite, izany hoe teo ho eo amin’ny enim-bolana niverenako avy nanompo tamin’ny fotoana feno, no nahitako an’i Melinda vadiko. Fantatro avy hatrany fa tiako hovadina i Melinda. I Melinda kosa anefa tsy nahatsapa toy izany. Tsy nitranga izany raha tsy efa dimy taona taty aoriana rehefa nahazo valiny izy nony farany hoe “METY” raha manambady ahy izy.

Nandritra ireo dimy taona ireo dia nisedra ny iray tamin’ireo fitsapana sarotra indrindra teo amin’ny fiainako aho. Fantatro hoe iza no tokony hovadiko, ary ny Fanahy dia namporisika ahy foana ny amin’izany, saingy toa tsy mahatratra izany tanjona izany raha ny fahitako ahy.

Fotoana fohy taorian’ny nahavitan’ny fianarako dia nanapa-kevitra ny handeha hitory ny filazantsara i Melinda. Noheveriko hoe anisan’ny antony nanosika azy handeha ny hanalavitra ahy. Nandritra ny fotoana naha-tany amin’ny sahan’ny misiôna azy dia nisy fotoana aho no ory noho ny fifantohako tamin’ny zavatra tsy nananako. Kanefa nandalina ny soratra masina sy nivavaka isan’andro aho, nanompo tao am-piangonana ary nilofo nanao zavatra izay nitondra ny Fanahy Masina teo amin’ny fiainako.

Indray Alahady vao maraina mamirifiry tao Minneapolis, Minnesota, Etazonia, teo am-pamiliana fiara hanatrika fivoriam-bavaka aho dia nieritreritra hoe: “Tokony ho tena ory aho amin’izao. Tsy mitranga araka izay itiavako azy ny zava-mitranga. Kanefa aho tsy ory. Tsy mampino fa tena mahatsapa tena ho sambatra aho!”

Eny ary, tamin’ny fomba ahoana no mety nahasambatra ahy raha toa aho ka nandalo fitsapana izay tena sarotra tamiko?

Ny valiny dia hita ao amin’ny Galatiana 5:22–23: “Ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana, fahalemem-panahy, fahononam-po.”

Koa satria aho nanao ireo zavatra izay nitondra ny Fanahy teo amin’ny fiainako dia nahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra aho. Nahatsapa fifaliana sy fiadanana aho. Afaka nandalo fitsapana naharitra aho kanefa mbola sambatra ihany.

Ny fananana fitiavana sy fifaliana ary fiadanana eo amin’ny fiainantsika sy eo amin’ny fianakaviantsika ary eo amin’ny fanambadiantsika dia tsy tonga amin’ny alalan’ny fananana trano miezinezina, fiara tsara tarehy, ny hiaka farany tamin’ny fitafiana, fahombiazana amin’ny asa na izay mety ho zavatra izay lazain’izao tontolo izao hoe fahasambarana. Raha ny marina, na dia avy amin’ny Fanahy aza ireo fahatsapana fitiavana sy fifaliana ary fiadanana dia dia tsy voatery hifandray amin’ireo toe-javatra ara-batana iainantsika velively ny fahatsapana azy ireny.

Miangavy anao aho mba hahatakatra fa izaho akory tsy miteny hoe ho sambatra lalandava isika na hoe ireo toe-javatra ara-batana iainantsika tsy hisy ifandraisany na oviana na oviana amin’ny fahasambarantsika. Eny tokoa, raha tsy manandrana ny mangidy isika dia tsy afaka ny hahalala ny mamy (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:39; jereo ihany koa ny Mosesy 6:55).

Mila sahirana isika indraindray. Ambonin’izany, ny sasany amin’ireo toe-tena ara-batana sy ara-pihetseham-po dia mety hiteraka fijaliana lehibe ho antsika ka zary lasa sarotra tokoa ho antsika ny hahatsapa ny Fanahy. Kanefa isika raha milofo ny hanana Fanahy eo amin’ny fiainantsika sy matoky an’ Andriamanitra, dia afaka ny ho sambatra isika amin’ny ankabeazan’ny fotoana.

Avy amin’ny zavatra niainako manokana no ijoroako ho vavolombelona fa marina izany. Hatramin’ny zavatra niainako nandritra ny naha-tany amin’ny sahan’ny misiôna an’i Melinda dia tsikaritro fa raha manao ireo zavatra izay mitondra ny Fanahy eo amin’ny fiainako aho, anisan’izany ny mino sy manaiky fa hitranga araka ny fomba irian’ Andriamanitra ny zava-drehetra dia mazàna aho no sambatra (jereo ny Jakôba 3:2).1

2. Aza mino fahatsapana hosoka

Sary
bowl of fake fruit

I Satana dia manana zavatra hosoka amin’ny zavatra rehetra ataon’ Andriamanitra mba hampisavorovoroana ny saintsika sy hamitahana antsika. Na dia eo aza ireo andrana ataon’i Satana mba handresen-dahatra antsika ny amin’ny mifanohitra amin’izany dia mampianatra antsika ny Mpamonjy fa “ny hazo ratsy tsy [afaka] mamoa voa tsara” (3 Nefia 14:18). Koa satria i Satana dia hazo ratsy, dia tsy afaka ny hanao izay hahatsapantsika “fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana, fahalemem-panahy [ary] fahononam-po” izy (Galatiana 5:22–23). Saingy i Satana kosa dia maniry ny hampaory antsika (jereo ny 2 Nefia 2:27).

Inona ary noho izany no ataon’i Satana? Miezaka ny hamitaka antsika izy.

Nisy namako iray, iray tamin’ireo olom-boafidy, no voafitaka. Nanao asa fitoriana ny filazantsara ilay namako ary misiônera tena niavaka. Rehefa nody avy tamin’ny asa fitoriana nataony izy dia nanam-paniriana ny hanao ireo zavatra kely rehetra izay nitondra ny Fanahy teo amin’ny fiainany sy nampatanjaka azy nandritra ny fanompoany. Ary nisy fotoana izy nanao izany.

Saingy hitany fa ireo namany, izay misiônera niverina ny ankamaroany, dia tonga nivavaka isaky ny Alahady kanefa rehefa ivelan’ny Fiangonana izy ireo dia niaina ny fiainan’izao tontolo izao. Toa sambatra ny fahitana azy ireo. Nanao zavatra “mahafinaritra” izy ireo. Ary ny fiainan’izy ireo dia toa tsy nitaky asa be toy ny azy.

Nitsahatra tsikelikely izy tamin’ny fanaovana ireo zava-madinika izay nitondra tanjaka ara-panahy ho azy nandritra ny asa fitoriana ny filazantsara nataony. Mbola nanana fijoroana ho vavolombelona izy kanefa nolazainy tamiko fa raha nataony ny fandinihana dia izao: “Raha manatrika ireo fivoriam-piangonana fotsiny aho dia TSY MANINONA, izany hoe ieren-doza aho.” Na izany aza anefa hoy izy dia “Malaindaina ara-panahy aho”.2 Rehefa niaina araka ny fanaon’izao tontolo izao izy, nirona tamin’ny safidy ratsy iray ho amin’ny iray hafa dia tsy ela dia bevohoka.

Nitondra voka-dratsy teo aminy nony farany ireo safidy ratsy nataony. Tsy sambatra izy ary fantany izany. Soa ihany fa niaiky ilay namako fa voafitaka ka nibebaka izy.

Ny tantarany dia maneho fa na dia ireo olona tsara indrindra amintsika aza dia afaka ny ho voafitaka. Ho fanampin’izany, ny tantarany dia mampianatra fa isika dia tsy maintsy mailo hatrany amin’ny fitaka. Manao izany isika amin’ny alalan’ny fanaovana ireo zavatra madinika izay mitondra ny Fanahy eo amin’ny fiainantsika.

Faly aho milaza aminao fa ankehitriny dia sambatra ilay namako, sy milofo mitandrina ireo didy ary mavitrika ara-batana sy ara-panahy ao amin’ny filazantsara.

Miseho amin’ny fomba maro ny fitak’i Satana. Vitsivitsy fotsiny no holazaiko.

Mandresy lahatra antsika i Satana mba hanao lohalaharana ireo zavatra ara-nofo mihoatra ireo zavatra ara-panahy. Azontsika fantarina raha toa ireo laharam-pahamehantsika ka tsy araka ny tokony ho izy rehefa mahatsapa isika hoe impiry isika no miteny hoe “Be atao na vizana loatra aho amin’izao raha ______________.” Fenoy ny banga amin’ny hoe: ho any amin’ny tempoly, na hanompo, na handalina sy handinika ny soratra masina, na hanatanteraka ny antsoko, na ny hivavaka aza.

Ny antony iray hahatsapantsika tena ho be atao dia noho i Satana miasa mafy mba handrebirebena antsika. Mampiasa ireo smartphone eny am-pelatanantsika, ny fampielezam-peo ao anatin’ny fiarantsika, sy ny fahitalavitra ao an-tokantranontsika ary zavatra hafa maro be izy mba hamerezan-dia tsy tapaka antsika saika amin’ny fotoana rehetra. Vokatr’izany dia mahatsapa tena ho be atao mihoatra ny tena izy isika.

Vokany iray hafa aterak’io fandrebirebena io ny hoe mihena tsikelikely hatrany ny fandinihana ataontsika. I Satana dia miasa mba handrebirebena antsika satria fantany fa ny fandinihana, indrindra ireo soratra masina dia mitondra ho amin’ny fiovam-po sy fanambarana lehibe kokoa.

Ao koa ny zavatra iray hafa izay isan’ireo famitahan’i Satana izay miseho amin’ny alalan’ny fiheverana fa ireo fihetsika miseho ivelany ataontsika dia manan-danja kokoa noho ireo antony mandrisika antsika. Rehefa tsy manana antony tsara manosika antsika mba hanao zavatra ara-panahy isika dia tsy afaka ny hiaina ny fifaliana avy amin’ny filazantsara. Vokatr’izany dia manomboka ho lasa toy ny enta-mavesatra ny fitandremana ireo didy ary fantatr’i Satana fa raha vitany ny mahatonga antsika hahatsapa toy izany dia tsy ho ela isika dia hitsahatra tsy hanao ireo zavatra izay fantatsika fa tokony hataontsika.

Mamitaka antsika ihany koa i Satana mba hino fa ny fifaliana sy ny fahasambarana dia tonga avy amin’ny fananana fiainana mora na avy amin’ny fialam-boly foana foana fotsiny. Tsia, tsy avy amin’izany no iavian’ny fifaliana sy ny fahasambarana. Raha ny marina dia tsy misy ny fifaliana na fahasambarana raha tsy misy zavatra horesena (jereo ny 2 Nefia 2:11, 23).

Ny famitahan’i Satana farany holazaiko dia ny hoe miezaka ny handresy lahatra antsika izy fa ny faharatsiana sy ireo fahafinaretana mandalo miaraka amin’izany dia fahasambarana tokoa. Fantatr’i Satana fa farafaharatsiny amin’ny fotoana hisian’izany dia misy ireo fahatsapana na fihetseham-po sasany mety (1) hanao izay hieritreretantsika fa mahatsapa ireo vokatry ny Fanahy isika, (2) hanakona ireo faniriantsika hahatsapa ireo vokatry ny Fanahy ireo, na (3) ho zary raisintsika ho fahatsapana mpisolo toerana azo ekena.

Ohatra, maka fanahy antsika i Satana mba hikatsaka ny filan’ny nofo eo amin’ny toeran’ny fitiavana. Mety hosarihany ho amin’ny fientanentanana isika toy izay ho amin’ny fifaliana maharitra. Ezahany ny hamerezan-dia antsika toy izay hanome antsika fiadanana. Ataony izay haha-mpanamarin-tena sy haha-entanim-po antsika sy ny hahatonga antsika ho mpanara-drenirano izay zavatra rehetra heverin’izao tontolo izao fa mety indrindra toy izay ho mpanetry tena, sy mpankatò tsy tapaka ary olona mifantoka ara-panahy araka ny tokony ho izy. Ireo fakam-panahiny dia mety hahatonga antsika hisavorovoro ka hitarika antsika hihevitra avy eo fa hitondra fahasambarana ny tsy fitandremana ireo didy.

3. Ataovy ireo zava-madinika

Mazàna no ireo zava-bitika no mitondra ny Fanahy eo amin’ny fiainantsika, sy miaro antsika tsy ho voafitaka ary amin’ny farany dia manampy antsika hahazo hery hitandremana ireo didy sy hanana ny fiainana mandrakizay. Ny Mpamonjy dia nampianatra io fitsipika io an’ireo loholon’ny Fiangonana tao Kirtland, Ohio nanao hoe: “Koa aza ketraka amin’ny fanaovan-tsoa fa mandatsaka ny fanorenan’ny asa lehibe ianareo. Ary avy amin’ny zavatra madinika no hivoahan’izay lehibe” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:33).

Nahoana ireo zava-madinika no tena manan-danja? Ao amin’ny andininy manaraka ny Mpamonjy dia nanazava fa “mitaky ny fo sy ny saina marisika ny Tompo” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:34). Nahoana ny Mpamonjy no nampifandray ny fanaovana ireo zava-madinika amin’ny fo sy saina marisika? Satria amin’ny fanaovana tsy tapaka ireo zava-madinika isika dia manolotra ny fontsika sy ny saintsika an’ Andriamanitra ary ny fanaovana izany dia manadio sy manamasina antsika (jereo ny Helamàna 3:35).

Izany fanadiovana sy fanamasinana izany dia manova ny toetrantsika, tsikelikely, mba hahatonga antsika ho tahaka ny Mpamonjy bebe kokoa hatrany. Izany ihany koa dia mahatonga antsika ho mora mandray bebe kokoa ireo fitaoman’ny Fanahy Masina izay mahatonga antsika tsy ho mora ho voafitaka kokoa.

Fony aho tao amin’ny taona famaranana tany amin’ny lycée dia ny raiko no nampianatra seminera ahy tao an-tranonay. Satria ny Bokin’i Môrmôna no lohahevitra tamin’izany taona izany dia nanapa-kevitra ny raiko fa hamaky manontolo izany miaraka izahay, dia mifampiresaka ny zavatra nianaranay. Teo am-pamakianay ny raiko dia nametraka fanontaniana izay nahatonga ahy hisaina ny zavatra izay novakianay ka hazavainy amiko ireo zavatra izay tsy takatro. Mbola tsaroaka ny nianarako momba ny Mpamonjy sy nahatsapako fa tena namangy ireo Nefita Izy ary izaho dia afaka ny ho voavela amin’ny fahotako tokoa noho ny Sorompanavotana nataony.

Ireo fotoam-pamakiana soratra masina niaraka tamin-draiko ireo no fiantombohan’ny fifotorako tao amin’ny soratra masina. Nahatsapa zavatra aho teo am-pamakianay. Ary angamba ny manan-danja kokoa dia niova ireo faniriako sy ireo antony manosika ahy hanao zavatra, ary ireo fihetsiko. Naniry ho lasa olona tsaratsara kokoa aho. Nanomboka nahita ny zavatra naha-voafitaka ahy aho. Nibebaka matetika kokoa aho. Rehefa nifarana ny taona voalohany nianarako tao amin’ny oniversite dia lasa namaky soratra masina isan’andro aho.

Tamin’izany fotoana izany, ny Filoha Ezra Taft Benson (1899–1994) no nanasa ireo mpikamban’ny Fiangonana hamaky ny Bokin’i Môrmôna sy hampihatra ny zavatra nianaran’izy ireo.3 Noho izany, ho fanampin’izay mety ho zavatra hafa novakiko dia faharafakeliny aho mamaky zavatra avy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna.

Sary
fruit and scriptures

Nandritra ny fotoana nitoriako ny filazantsara no nianarako ny tena fomba fandalinana sy ny fivokisana amin’ny soratra masina. Tsy vitan’ny hoe nahatsapa ny Fanahy Masina fotsiny aho rehefa mamaky fa sady nanomboka nahatsapa fifaliana ihany koa rehefa mikaroka valim-panontaniana ho an’ireo olako sy ny an’ireo naman’ny Fiangonana nampianariko ao amin’ny soratra masina.

Taorian’ny asa fitoriana ny filazantsara nataoko dia nanohy nivoky isan’andro tamin’ny soratra masina aho. Satria nanasa ny Fanahy Masina teo amin’ny fiainako io fanao io dia nandray ny fitarihany aho mba hanampy ahy hampiasa ny fotoako tamim-pahombiazana. Vokatr’izany dia nahomby kokoa aho tany am-pianarana ary avy eo teo amin’ny sehatry ny asa. Lasa mora kokoa ny mandray fanapahan-kevitra tsara. Nivavaka bebe kokoa aho ary nazoto kokoa tamin’ny fanatanterahana ireo antsoko. Tsy namaha ireo olako rehetra ny fivokisana tamin’ny soratra masina isan’andro saingy moramora kokoa ny fiainana.

Ny volana aogositra 2005, ny Filoha Gordon B. Hinckley (1910–2008) dia namoaka fanamby ny mba hamakiana na hamerenana mamaky ny Bokin’i Môrmôna mialoha ny faran’ny taona.4 Koa satria moa aho efa namaky ny Bokin’i Môrmôna isan’andro rahateo, dia efa tany amin’ny Etera na Môrônia aho. Noho izany aho rehefa nahavita namaky izany herinandro na roa herinandro taty aoriana dia hoy aho hoe efa nahavita ny fanamby nomen’ny Filoha Hinckley izany aho.

Kinanjo avy eo dia tonga namangy ny fianakavianay ny mpampianatra isan-tokantrano iray. Nanontaniany ahy izy hoe aiza ho aiza aho amin’ny fanatanterahana ny fanasan’ny Filoha Hinckley.

Nambarako azy fa tsara vintana aho fa efa nanomboka namaky ny Bokin’i Môrmôna mialoha ny fanambin’ny Filoha Hinckley. Avy eo dia tamim-panamarinan-tena no nilazako fa efa vitako ny asa.

Soa ihany fa nanana fomba fijery hafa ny mpampianatra ahy isan-tokantrano. Rehefa nahitsiny tamin-kalem-panahy aho dia nibitsika tamiko ny Fanahy fa marina ny an’ilay mpampianatra ahy isan-tokantrano.

Tamin’izay aho dia lasa namaky toko roa isan’andro mba hamita izany indray rehefa mifarana ny taona. Rehefa nampitomboiko ny habetsahan’ny famakiako ny Bokin’i Môrmôna dia tsikaritro fa nisy hery bebe kokoa tonga teo amin’ny fiainako. Nanana fifaliana bebe kokoa aho. Nazava kokoa ny fomba fahatakarako zavatra. Voa mainka aho nibebaka matetika kokoa. Naniry ny hanompo sy hanampy ny hafa aho. Lasa tsy mora nandairan’ny fitaka sy ny fakam-panahin’i Satana aho. Tiako bebe kokoa ny Mpamonjy ahy.

Tamin’ny volana nôvambra tamin’io taona io aho no nantsoina ho evekan’ny paroasinay. Ny nahavitako ny fanambin’ny Filoha Hinckley dia nanomana ahy ho amin’io antso io. Hatramin’izay aho nahatsikaritra fa arakakaraka ny maha-be atao ahy na any am-piasana na ao am-piangonana no ilako mandalina soratra masina bebe kokoa, indrindra indrindra fa ny Bokin’i Môrmôna.

Afaka mahazo fitahiana sy hery toy izany eo amin’ny fiainanao ianao raha mivoky amin’ny soratra masina isan’andro ihany koa. Mampanantena anao aho fa raha mivoky amin’ny soratra masina isan’andro ianao, indrindra indrindra fa ny Bokin’i Môrmôna, dia hanasa ny Fanahy eo amin’ny fiainanao ianao ary ho lasa hivavaka isan’andro ho azy, sy hibebaka matetika ary ho lasa mora kokoa aminao ny handeha any am-piangonana sy handray ny fanasan’ny Tompo isan-kerinandro.

Mijoro ho vavolombelona aho fa rehefa manao ireo zava-madinika sy matoky ny Tompo ianao dia hahita fitiavana sy fifaliana, fiadanana ary fahasambarana na inona na inona toe-javatra iainanao. Mijoro ho vavolombelona ihany koa aho fa azo atao izany noho ny sorona nataon’i Jesoa Kristy. Izay zavatra tsara rehetra dia avy Aminy avokoa (jereo ny Môrônia 7:22, 24).

Fanamarihana

  1. Rehefa mafy orina ao amin’ny finoana an’i Kristy isika dia afaka mivoky amin’ny fitiavan’ Andriamanitra na manao ahoana na manao ahoana ny toe-javatra iainantsika.

  2. Fanamarihana sy rakitsoratra tamin’ny tafa sy dinika eo am-pelatanan’ny mpanoratra.

  3. Jereo ny Ezra Taft Benson, “A Sacred Responsibility,” Ensign, May 1986, 77–78; jereo ihany koa ny “The Book of Mormon—Keystone of Our Religion,” Ensign, Nov. 1986, 4–7.

  4. Jereo ny Gordon B. Hinckley, “First Presidency Message: A Testimony Vibrant and True,” Ensign, Aug. 2005, 2–6.