2019
Rehefa kivy ianao
Aprily 2019


Rehefa kivy ianao

Mitsimbadimbadika ny fiainana. Indraindray isika rehefa ketraka dia manontany tena hoe inona ary izao no ataon’ Andriamanitra, nahoana ny Ray be fitiavana no mamela izao zavatra izao hitranga? Izany toe-javatra sarotra izany dia mety hahatonga antsika hanontany hoe: “Mba tena miraharaha ahy manokana tokoa ve Andriamanitra?”

Amin’ny toe-javatra tahaka izany dia hitako nanampy ireto soratra masina ireto:

  • Salamo 8:4–5: “Inona moa ny olona, no ahatsiarovanao azy? … Fa efa nataonao ambany kely noho Andriamanitra izy, ary efa nosatrohanao voninahitra sy fiandrianana.”

  • Jaona 10:14: Nandritra ny fiainana teto an-tany i Jesoa dia nilaza ny tenany ho “Mpiandry ondry tsara” ary nampiany hoe, “fantatro ny Ahy.”

  • Mosesy 1:39: Iray amin’ireo soratra masina tiako indrindra izy ity, izay nanambaran’ny Tompo tamin’ny Mpaminany Joseph Smith hoe: “Fa indro izao no asako sy voninahitro—ny manatanteraka ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ny olona”—izay manamafy ny firaharahiany antsika tsirairay.

  • Lioka 7:11–16: Tsy vitan’ny hoe mampianatra antsika momba ny herin’ny Mpamonjy manoloana ny fahafatesana ihany ity tantara ity, izay fampahatsiahivana tsara amin’izao vanim-potoan’ny Paska izao, fa ho ahy dia ohatra tsara ny amin’ny firaharahiany antsika tsirairay izany. Amin’ny fahagagana rehetra nataon’i Jesoa dia vitsy no feno fitiavana sy fangorahana toy ny fanompoany an’ilay mpitondratena tao Naina. Araka ny nozaraiko tao amin’ny lahatsoratro (jereo ny pejy 12), io tantara io dia maneho ny firaharahian’ny Mpamonjy sy ny fitiavany antsika tsirairay.

Keith Wilson

Mpampianatra ao amin’ny Oniversiten’ i Brigham Young