2019
Mitarika ahy ve Andriamanitra?
Aprily 2019


Ho an’ny tanora

Mitarika ahy ve Andriamanitra?

Sary
young adult standing by train

Feno safidy lehibe ny fiainantsika: ny lalana arak’asa, ny olona hovadina, ny sekoly hianarana, sns. Feno ahiahy andavanandro ihany koa ny fiainantsika: fisafidianana ny fomba tsara hampiasana ny fotoantsika, fiezahana mahatakatra fotopampianarana, ary fitadiavana fiadanana eo anivon’ny fitsapana. Ao anatin’izany rehetra izany isika dia mila fanambarana ho an’ny tena manokana. Saingy indraindray dia mety ho sarotra ny mahafantatra ny fomba handraisana izany sy ny fomba hamantarana izany rehefa azontsika. Rehefa tsy maharay valiny isika na rehefa tsy azontsika izany dia mety hanontany tena isika hoe: “Ny Fanahy ve ilay teo sa ny eritreritro?” “Nahoana aho no nentanim-panahy hanao izany nefa tsy nahomby?” “Nahoana aho no toa mahatsapa fa tsy mamaly ny vavaka ataoko Andriamanitra?”

Soa ihany fa ao amin’ny “Fandraisana fanapahan-kevitra: Fahafahana misafidy sa fanambarana” (pejy 44) i Erin dia mizara ny tantarany momba ny fanambarana ho an’ny tena manokana rehefa tsy maintsy nandray fanapahan-kevitra mampiova fiainana izy. Matoa Andriamanitra te hitarika antsika, dia te hanampy antsika ihany koa Izy hianatra hiantehitra amin’ny fahafahantsika misafidy mba hanao safidy tsara.

Ny fianarana ny fomba firesahan’ny Fanahy Masina aminao manokana dia ampahany iray hafa manan-danja amin’ny fandraisana sy famantarana ny fanambarana. Mety ho samy hafa izany ho antsika tsirairay. Ao amin’ny pejy 48 dia maro ireo tanora mizara ny fomba nahazoany fanambarana.

Ao anatina lahatsoratra nomerika i Aspen dia manazava fa ny fanambarana ho an’ny tena manokana dia mitaky ny “Fanatanjahana ireo hozatrao ara-panahy.”

Mety havesatra be ny mieritreritra ny hoavy, ary mety hampatahotra mihitsy. Indrindra fa rehefa tanora ianao. Saingy rehefa tsaroako nitarika ny fiainako Andriamanitra taloha dia manome herim-po ahy izany mba handroso sy hanao zavatra sy hatoky fa mbola hanome ahy ny fitarihana izay ilaiko hatrany Izy eo amin’ilay lalana.

Amim-panajana,

Katie Sue Embley