2019
Fanambarana manokana ho an’ny tena manokana
Aprily 2019


Ho an’ny Tanora

Fanambarana manokana ho an’ny tena manokana

Ahoana no hanavahanao ny fanambarana ho an’ny tena manokana amin’ny eritreritrao fotsiny?

Sary
woman reading book

Hosodoko nataon’i Brian Kershisnik

Miaina ao anaty tontolo feno fahafahana isika. Manana ny fahalalahana hisafidy samirery ny asantsika, ny fianarantsika, izay ho vadintsika, ny toerana ipetrahantsika ary ny maro hafa tsy voatanisa isika. Tena fitahiana tokoa izany ho an’ny vanim-potoana iainantsika. Kanefa etsy an-danin’izany dia vao mainka manasarotra ireny safidy ireny izany satria sarotsarotra kokoa ny mandray fanapahan-kevitra rehefa maro loatra ireo lalana sy ireo fahafahana izay mitarika ho amin’ireo zavatra tsara. Amin’ny fomba ahoana no hisafidianantsika rehefa maro ireo fahafahana tsara? Rehefa mahatsapa tena ho very sy misavorovoro saina ianao ao anatin’izany fanapahan-kevitra maro mampisavorovoro izany dia fantaro fa te hitarika anao ny Ray any An-danitra. Afaka misafidy ny lalana marina ianao ary mandray ireo valim-panontaniana katsahinao raha manaraka ny feony. Fantaro ny fomba firesahany aminao, matokia Azy, araho ny mpaminany, manàna faharetana, raiso amin’ny lafy tsarany ny zava-mitranga, ary manàna finoana ka amin’ny farany dia hovoasarika eo amin’ny lalana marina ianao.

—Vira Vashchenko, Kyiv, Ukraine

Nandritra ny fiainako manontolo dia nitarika ahy ny Tompo, ary fantatro fa ny zava-bitako rehetra dia noho ny Aminy sy ny fitarihany. Na dia amin’ny fotoana izay iheverako aza hoe mandeha irery aho, amin’ny farany, dia ampahafantariny ahy sy ataony tsapako fa teo mandrakariva Izy ho ahy. Izany no antony nandraisako fanapahan-kevitra ny hanohy handroso amim-pinoana na dia mahatsapa tena hoe mandeha samirery aza aho. Ho ahy dia misy fotoana tsy mazava foana ny lalan-kizorako ary tsy hitako mandrakariva ny zava-miandry ahy amin’ny hoavy, saingy mahatsapa foana aho fa nanao safidy tamim-pahatokiana ary avy eo dia manomboka mahita ny fahazavana aho ary mahita ny tanan’ Andriamanitra eo amin’ny fiainako. Fantatro fa tia antsika ny Raintsika any An-danitra sy i Jesoa Kristy Zanany ary vonona ny hitarika antsika Izy ireo saingy andrasan’Izy ireo amintsika ihany koa ny hametrahantsika ny fitokiantsika amin’izy ireo ary ny hanaovantsika asa mifanaraka amin’ny fitaomana avy amin’ny Fanahy raisintsika.

—Indhira Mejia, Repoblika Dominikana

Rehefa nihalehibe aho dia nianatra ny fomba niresahan’ny Fanahy tamiko. Miresaka amiko amin’ny alalan’ny eritreritra tsotra ny Fanahy. Nitaky fanazarana nisinisy izany mba hahatonga ahy ho zatra, kanefa mazàna ny Fanahy no tonga amiko ao amin’ny toerana mangina, tahaka ny rehefa mamily fiara ho any am-piasana aho. Fantatro fa tsy ny eritrerito izany satria matetika ny Fanahy no manome ahy fitaomam-panany tampoka rehefa tsy nieritreritra momba ilay lohahevitra akory aza aho.

—Clarissa Mae Taylor, Utah, Etazonia

Araka ny eritreritro dia iray amin’ireo fomba mahagaga indrindra tsy maintsy fehezintsika ny fahafahantsika mamantatra ilay bitsika malefaky ny Fanahy Masina. Ny fandalinana amim-pahazotoana ny soratra masina no nanosika ahy ho lasa mahay mifehy izany bebe kokoa. Hatramin’izay aho dia nino fa ny olona izay mikatsaka amim-pahazotoana dia hahita; ary ireo misterin’ Andriamanitra dia hovelabelarina aminy amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina (jereo ny 1 Nefia 10:19). Raha lazaina amin’ny teny hafa dia raha tiako ny hamantatra ny Fanahy dia tsy azoko atao ny mamela ny tenako hotarihan’ny eritreritra tsy manjary na ireo olana andavanandro, kanefa ho solon’izany dia mila mirotsaka amin’ny asa aho ary tsy mifantoka amin’ny fanirian’ny tenako manokana aho. Mitranga izany rehefa afaka mamantatra bebe koa ny Fanahy aho satria vonona ho amin’izany aho! Tahaka ny tsy ahafahan’ny sambo iray mamakivaky mora foana ny oram-baratra iray no tsy ahafantsika maheno ny Fanahy raha mifantoka amin’ireo ahiahim-piainana izay tsy voafehintsika isika.

—Emmanuel Borngreat Dogbey, Accra, Ghana

Sary
couple

Ao amin’ny fianakaviana kelinay dia mahafantatra ny Fanahy izahay noho ny fiadanana izay tsapanay, indrindra fa izaho sy ny vadiko miaraka. Rehefa ny eritreritray fotsiny izany, dia tsy tsapanay na oviana na oviana hoe mety izany zavatra izany, tsy maintsy misy ahiahy na tahotra foana ao ambadik’izany. Saingy rehefa fanambarana izany dia mahatsapa fiadanana hatrany izahay, eny na dia miezaka ny manamarin-tena aza izahay ary na dia toa tsy misy takatray aza ny zava-drehetra any am-boalohany. Rehefa manaraka an-tsakany sy an-davany ilay fanambarana izahay dia hitanay hatrany fa mizotra miadana sy mandeha misosa ny zava-drehetra. Izany no fotoana ifampijerenay sady miteny hoe “Hay, mazava amin’izay!”

—Maryana Wright, Utah, Etazonia

Na dia mety ho amin’ny fomba maro samihafa aza no handraisantsika fanambarana ho an’ny tena manokana dia misy zavatra iray izay tsy azo isalasalana fa marina: miresaka matetika amintsika Andriamanitra. Ilaintsika fotsiny ny manam-piniavana ny hanao ezaka mba hampitomboana ny fahafahantsika mamantatra sy mandre ny feony. Araka ny torohevitry ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Mivavaha amin’ny anaran’i Jesoa momba ny zavatra manahirana ny sainareo, ny tahotrareo, ny fahalemenareo, eny, ny zavatra tena irin’ny fonareo. Dia mihainoa avy eo! Soraty ny eritreritra izay tonga ao an-tsainareo. Raketo an-tsoratra ny zavatra tsapanareo ary araho asa izay bitsihin’ny Fanahy aminareo fa tokony hataonareo. Rehefa mamerimberina izany dingana izany ianareo isan’andro, isam-bolana, ary isan-taona, dia-hitombo ny fahaizanareo mampihatra ny fitsipiky ny fanambarana-” (“Fanambarana ho an’ny Fiangonana, fanambarana ho an’ny fiainantsika,” Liahona, mey 2018, 95).