2019
Mahita an’i Dada mihira
Aprily 2019


Mahita an’i Dada mihira

Maria Oka

Californie, Etazonia

Sary
watching choir singing

Sary nataon’i Allen Garns

Vao efa-bolana sy tapany no nitoriako ny filazantsara tao amin’ny misiônan’i Honolulu, Hawaii, Etazonia no nisy fihetsehan’aretina tamiko ka hita avy eo fa voan’ny androbe aho. Ireo volana nanaraka izany dia nomban’ny fandehanana matetika tany amin’ny hôpitaly sy fitiliana tsy hita isa ary fihinanana fanafody vaovao hisorohana ny fiantraikany mahasorena [aterak’ilay aretina androbe].

Hatramin’izay dia nifantoka be tamin’ny asa fitoriana ny filazantsara aho ka tsy nahatsapa tena ho manin-te-hody, kanefa hatramin’ilay fotoana nampihetsika ahy dia narary ny foko. Nalahelo ireo ray aman-dreniko aho ary nahatsapa tena ho irery na dia voahodidina olona mahafinaritra sy mikarakara aza. Tsy te hody aho fa te hahatsapa fiadanana.

Rehefa nomen’ny filohan’ny misiônako alalana aho dia niresaka an-telefaonina tamin’ireo ray aman-dreniko momba ny fitsaboana ahy. Ny raiko izay vao nahatanteraka ny nofinofiny hatramin’izay niainany, dia ny fidirana ao amin’ny Amboaram-peon’ny Tabernakely ao Temple Square, dia nanome toky ahy fa hihira faran’izay tsara ho ahy izy mandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany izay hiantomboka ny andro manaraka io.

Ny ampitso marainan’io aho dia nivavaka tamin’ny foko manontolo mba hanana ny fiadanana izay tena nilaiko fatratra. Efa nandray valina fanontaniana manokana nandritra ny fihaonamben’ ny Fiangonana aho taloha ary natoky aho fa mbola afaka ny handray fitarihana indray. Rehefa nanomboka ny fihaonamben’ny Fiangonana dia nihira ny “Chers enfants, sur vous Dieu veille” ny amboaram-peo (Cantiques, no. 190). Tao anatin’ireo minitra voalohany dia hitako teo amin’ny efijerin’ny fahitalavitra ny raiko. Nitifitra azy akaiky teo amin’ny tarehiny naharitra ny fakantsary.

Nanganohano ny masoko raha nahatsapa fiadanana lehibe aho nanenika ahy. Fantatro fa tia ahy Andriamanitra. Fantany tsara ny zavatra nilaiko tamin’io andro io, dia ny fanomezan-toky tsotra fa tsy lavitra Izy ary fantany aho. Nahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra aho ary koa ny an’ny fianakaviako, sy ireo mpiara-mitory tamiko, ary ny an’ny filohan’ny misiônako. Raha toa ka tokony hahatsapa ho notambesaran-javatra aho, izao kosa aho dia nahita fahafahana iray mba hanatonana ny Tompo bebe kokoa.

Tsy niala ilay olako ara-pahasalamana. Voatery nandao mialoha ny sahan’ny misiônako aza aho saingy fantatro fa teo Andriamanitra ary tiany aho. Izany tokin’aina izany dia nanaraka ahy hatrany namakivaky fitsapana bebe kokoa ary nanome fanantenana ahy tao amin’ireo fotoan-tsarotra indrindra. Ny hafa mety hieritreritra izany ho toy ny fifandrifian-javatra fa izaho kosa dia mahafantatra fa ny fahitana ny raiko nihira momba ny fitiavan’ Andriamanitra dia fahagagana madinika tamin’ny fotoana nanahirana ahy.