2019
Zatovo
Aprily 2019


Zatovo

Sary
Nyame S.

Tamin’ izaho nandeha voalohany tany amin’ny Lycée dia nisy zavatra iray nanahirana ahy: rehefa lohahevitra iray vaovao naroso dia hitako sarotra ny mahatakatra izany. Indray takariva dia nivavaka tamin’ny Ray any An-danitra aho mba hanampy ahy hahatakatra sy handresy izany olana izany. Nanam-pinoana aho ary dia afaka nahatakatra tsara kokoa. Nanomboka tamin’izay ny vavaka sy ny finoana dia tafiditra foana ao anatin’ny zavatra ataoko any an-tsekoly sy izay rehetra alehako. Manahirana ny ao amin’ny sekolin-jazalahy noho ireo zavatra feno fahavetavetana ataon’ireo mpianatra. Rehefa mitranga izany dia tonga ao an-tsaiko ny tenin’ny ray aman-dreniko manao hoe: “Aza manao zavatra izay hahatonga ny Fanahy Masina ho lavitra anao.” Feno fankasitrahana an-dreniko aho izay mampahatsiahy ahy foana mba hihaino ny Fanahy Masina. Rehefa manao ny marina isika dia mitahy antsika Andriamanitra.

Nyame S., 16 taona, Ghana