2019
Na rivo-doza aza tsy hahasakana anay
Aprily 2019


Na rivo-doza aza tsy hahasakana anay

Koraima Santiago de Jesus

San Juan, Porto Rico

Sary
Couple standing in hurricane aftermath

Sary nataon’i Suzanne Simmons

Fotoana fohy taorian’ny niverenako avy nanao asa fitoriana dia nahazo fanasana hamonjy alim-pandihizana aho. Rehefa tany amin’ilay alim-pandihizana dia very ny findaiko ary nisy zatovolahy iray nanampy ahy hitady izany. Rehefa niresaka izahay dia nahafantatra fa samy misiônera tafaverina avokoa izahay roa ary nifampizara hevitra sy tanjona maro.

Nihanitombo hatrany ny fifandraisanay ary lasa mpifamofo izahay. Nofinofinay ny hoe ho voafehy ao amin’ny Tempolin’i Washington D.C. nialoha ny hikatonan’izany tamin’ny martsa 2018 noho ny fanamboarana. Saingy rehefa nanapa-kevitra ny amin’izany izahay dia nahazo fitsapana. Voalohany dia very asa aho ary tsy nanana fomba hanangonam-bola hanaovana ilay dia ho any amin’ny tempoly. Manaraka izany dia nisy rivo-doza nandona an’i Porto Rico taloha kelin’ny andro hivadianay.

Rehefa namely ilay rivo-doza Maria dia nandrava ilay nosinay tsara tarehy. Nikatona ny mpivarotra. Tsy nisy intsony ny herinaratra. Lasa sarotra hita ny rano sy ny sakafo ary ireo zavatra tena ilaina. Very avokoa ny zavatra rehetra izay nokasainay hampiasaina amin’ny lanonam-panambadianay. Voatery nanafoana ilay lanonana izahay, ary toa tsy maintsy nofoanana koa ny fanambadianay. Voafetra ny fidirana sy ny fivoahana an’i Porto Rico, ary tsy nisy nahafantatra hoe hafiriana. Nanomboka kivy aho, ary heniky ny fisalasalana sy fisafotofotoana.

Indray takariva dia niresaka momba ny zavatra nolalovanay izaho sy ny fofombadiko. Tsy azo antoka ny fandehanana, ary tsy hanana akanjo hanaovana amin’ny lanonana sy ny amin’ny fanambadiana izahay, saingy nanamafy ny Fanahy fa nila natoky ny Tompo izahay. Ny tena manan-danja dia ny famehezana any amin’ny tempoly. Nivavaka izahay mba hahazo fanampiana amin’ny Ray any An-danitra.

Rehefa niverina nisy ny sidina mivoaka an’i Porto Rico dia tsy maintsy nanao drafitry ny sidina vaovao indray izahay ary nandamina daty hanaovana ny famehezana anay indray. Tsy nifandray nandritra ny herinandro maro izahay taorian’ilay rivo-doza, saingy nisy findain’ny namana iray nandeha. Navelany hampiasainay izany mba hiresahana amin’ny any amin’ny tempoly. Afaka nandamina ny zavatra rehetra indray izahay ka dia mbola afaka nofehezina ihany! Herinandro vitsivitsy talohan’ny dianay dia nanolotra kiraro sy akanjo ireo havana sy namana ary nanampy anay hahazo zavatra maro ho an’ny fanambadianay.

Rehefa niditra ny tempoly izahay nony farany dia nohadinoinay ireo tebitebinay. Nifampitantana izahay mba hiara-hiatrika ny hoavinay. Tena afaka milaza aho fa nahatsapa ny tanan’ny Tompo nitantana sy nankahery anay ka isaky ny natoky Azy izahay dia nilamina ny zava-drehetra. Ankehitriny izahay dia manana zanaka lahy mahafinaritra ary izahay dia fianakaviana voafehy ho amin’ny mandrakizay.