2020
Hafatra fanokafana
Mey 2020


Hafatra fanokafana

Tokony hikatsaka isika, amin’ny fomba rehetra ananantsika, mba hihaino an’i Jesoa Kristy, izay miteny amintsika amin’ny alalan’ny hery sy ny asan’ny Fanahy Masina.

Ry rahalahy sy anabavy malalako, miarahaba anareo izahay tonga soa eto amin’ity Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2020 izay manan-tantara ity, ary mijoro eto anoloanareo aho ato amin’ity efitrano tsy misy mpanatrika ity noho ny antony izay fantatrareo.

Tamin’izaho nampanantena anareo tamin’ny fihaonambe maneran-tany ôktôbra 2019 hoe ho “mendrika ny hotsaroana” sy “tsy ho hay hadinoina” ity fihaonambe aprily ity dia tsy nanampo aho hoeny miresaka mivantana amin’ny vondron’olona latsaky ny folo no hahatonga ity fihaonambe ity ho tena mendrika ny hotsaroana sy tsy ho hay hadinoina ho ahy! Kanefa ny fahafantarana fa mandray anjara amin’ny fampitana elektrônika ianareo sy ny nihiran’ny amboaram-peo ilay hira “It is well with my soul” dia mitondra fankaherezana ho an’ny fanahiko.

Araka ny efa fantatrareo dia noferana tanteraka ny fanatrehanaity fihaonambe maneran-tany ity noho ny ezaka ataontsika mba ho olom-pirenena vanona maneran-tany sy hanao izay rehetra azontsika atao hamerana ny fihanaky ny COVID-19. Nisy fiantraikany lalina manerana an’izao tontolo io tsimokaretina io. Nitondra fiovana teo amin’ny fivoriam-piangonantsika sy ny asa fitoriana ary ny asa atao any amin’ny tempoly ihany koa izany mandritra ny fotoana maharitra.

Na dia mikasika ny tsimokaretina mahery vaika iray aza ny famerana misy ankehitriny, dia mihoatra lavitra noho ity valan’aretina ity ireo fitsapana eo amin’ny fiainan’ny tsirairay. Mety ho avy amin’ny voina na loza voajanahary na ratram-po tsy nampoizina ny fitsapana amin’ny hoavy.

Ahoana no ahafahantsika maharitra amin’ny fitsapana toy izany? Nilaza tamintsika ny Mpamonjy hoe “raha efa miomana ianareo dia tsy hatahotra.”1 Mazava ho azy fa afaka manao tahirin-tsakafo sy rano ary vola isika. Kanefa dia manan-danja toy izany koa ny filantsika mameno ny trano fitehirizantsika ara-panahy amin’ny finoana sy fahamarinana ary fijoroana ho vavolombelona.

Ny tena katsahantsika indrindra amin’ny fiainana dia ny miomana ny hihaona amin’ilay Mpahary antsika. Ataontsika izany amin’ny fiezahana isan’andro ny ho lasa mitovy kokoa amin’i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika.2 Ary manao izany isika rehefa mibebaka isan’andro sy mandray ny heriny manadio sy manasitrana ary mampatanjaka. Avy eo isika dia afaka mahatsapa fiadanana sy fifaliana maharitra, na dia mandritra ny fotoana mampihotakotaka aza. Izany indrindra no antony nitalahoan’ny Tompo tamintsika mba hitsanganantsika amin’ny toerana masina ary “tsy hoesorina” .3

Amin’ity taona ity, dia mankalaza ny faha-200 taonan’ny tranga manan-danja indrindra teo amin’ny tantaran’izao tontolo izao isika, dia ny fisehoan’ Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy Zanaka Malalany tamin’i Joseph Smith izany. Nandritra izany fahitana miavaka izany dia nanondro an’i Jesoa Kristy Andriamanitra Ray ary niteny hoe: “Itỳ no Zanako Malalako. Henoy Izy!”4

Izany fitaomana natao tamin’i Joseph izany dia natao ho antsika tsirairay. Tokony hikatsaka isika, amin’ny fomba rehetra ananantsika, mba hihaino an’i Jesoa Kristy, izay miteny amintsika amin’ny alalan’ny hery sy ny asan’ny Fanahy Masina.

Ny tanjon’ity fihaonambe ity sy ny fihaonambe maneran-tany rehetra dia ny hanampy antsika hihaino Azy. Nivavaka izahay ary manasa anao hivavaka mba hitafotafo ny fiarahan’ny fanahin’ny Tompo amintsika hany ka ho afaka ianao ny haheno ireo hafatry ny Mpamonjy natao manokana ho anao, hafatra izay hitondra fiadanana ho an’ny fanahinao. Hafatra izay hanasitrana ny fonao maratra. Hafatra izay hanazava ny sainao. Hafatra izay hanampy anao hahafantatra ny tokony hatao rehefa mandroso mamakivaky ireo fotoana feno fisafotofotoana sy fitsapana ianao.

Mivavaka izahay mba ho mendrika ny hotsaroana sy tsy ho hay hadinoina ity fihaonambe ity noho ireo hafatra izay horenesinao, sy ireo filazana tsy manam-paharoa izay hambara, ary ireo traikefa izay anasana anao mba handray anjara.

Ohatra, amin’ny famaranana ny fivoriana alahady maraina dia hanao fivoriambe masina isika rehefa hitarika anareo aho hanao ilay fihobiana masina Hosana. Mivavaka izahay mba hisongadina ao amin’ny ara-panahinareo ny fiarahantsika maneho amin’ny firaisam-peo maneran-tany ny fankasitrahantsika lalina an’ Andriamanitra Ray sy ny Zanaka Malalany amin’ny fiderana Azy ireo amin’izany fomba miavaka izany.

Amin’izany traikefa masina izany isika dia hampiasa mosara fotsy madio. Raha tsy manana ianao dia afaka manofahofa tanana fotsiny. Aorian’ilay fihobiana Hosana ny daholobe dia hanamba-peo amin’ny amboaram-peo amin’ny fihirana ny “Fanahin’ny Ray”.5

Ry rahalahy sy anabaviko malala, ho lafatra ity fihaonambe ity. Hiavaka ity taona ity rehefa tena mifantoka amin’ny Mpamonjy sy ny filazantsarany naverina amin’ny laoniny isika. Ny tena vokatra maharitra izay manan-danja indrindra amin’ity fihaonambe manan-tantara ity dia ny fiovam-pontsika sy ny fanombohantsika mikatsaka ny hihaino Azy mandritra ny androm-piainantsika.

Tonga soa eto amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2020! Fantatro fa mieritreritra mafy ny amintsika Andriamanitra Raintsika any An-danitra sy i Jesoa Kristy Zanany. Hiaraka amintsika mandritra ny fanatanterahana ireto roa andro feno voninahitra ireto Izy ireo rehefa mikatsaka ny hanakaiky Azy ireo kokoa sy hanaja Azy ireo isika. Amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.