2020
Fanorenana tsara ho amin’ny andro ho avy
Mey 2020


Fanorenana tsara ho amin’ny andro ho avy

Mandritra ireo taona ho avy dia enga anie ka handrisika sy hanentana antsika ireo fanatsarana atao amin’ny tempolin’i Salt Lake.

Tantaran’ny tempolin’i Salt Lake

Andao hiverina any amin’ny tolakandro iray mafana tamin’ny 24 jolay 1847 manodidina ny tamin’ny 2 ora. Taorian’ny dia nandreraka naharitra 111 andro niaraka tamin’ny mpikamban’ny Fiangonana miisa 148 izay anisan’ireo andian’olona voalohany niankandrefana dia tonga tao amin’ny lohasahan’i Salt Lake i Brigham Young, izay Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo tamin’izany fotoana izany sady narary no reraka noho ny fanaviana.

Roa andro taty aoriana raha teo an-dalam-pahasitranana tamin’ny aretiny izy dia nitondra ny ankamaroan’ireo mpikambana tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo sy olona hafa mba hanao fizahana ny toerana. Toy izao no voarakitr’i William Clayton: “Tokony ho iray kilaometatra mahery nianavaratra niala ny tobinay dia tonga teo amin’ny tany marina iray izahay, izay avo sady mitsontsorika tsara miankandrefana.”1

Sary
I Brigham Young eo amin’ny toerana misy ny tempoly
Sary
I Brigham Young manisy marika ny toerana tokony hisy ny tempoly
Sary
Fanisiana marika ny toerana tokony hisy ny tempoly

Teo am-pizahana ilay toerana niaraka tamin’ny andian’olona niaraka taminy dia nijanona tampoka i Brigham Young sady nanatsatoka ny tehany tamin’ny tany ary nilaza hoe: “Eto no hijoro ny tempolin’ilay Andriamanitsika.” Anisan’ireo niaraka taminy ny Loholona Wilford Woodruff, izay nilaza hoe “niditra [tao aminy] toy ny tselatra” ilay teny nolazainy ary nasiany ratsan-kazo teo amin’ny tany hanamarihana ny dian’ilay tehin’ny Filoha Young. 16 hektara no voatondro ho an’ny tempoly ary tapaka fa ho “efamira tsara avaratra & mianatsimo, atsinanana & miakandrefana” no fomba handrafetana ny tanàna miaraka amin’ny tempoly eo afovoany.2

Nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany tamin’ny aprily 1851 dia notohanan’ny mpikamban’ny Fiangonana tamin’ny safidy tokana ny tolo-kevitra hanorina tempoly “ho an’ny anaran’i Jehovah.”3 Roa taona taty aoriana, tamin’ny 14 febroary 1853 dia notokanan’i Heber C. Kimball ilay toerana nandritra ny lanonana iray ampahibemaso izay natrehan’ny Olomasina an’arivony maro, ary nohadiana ny tany hanaovana ny fototry ny tempolin’ny Salt Lake. Volana vitsy taty aoriana, ny 6 aprily dia napetraka ireo vato fehizoro lehiben’ny tempoly ary notokanana tamin’ny lanonana nakotrokotroka izay nahitana andian’olona manofahofa sainam-pirenena, sy mpilalao zava-maneno ary diabe notarihin’ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana nanomboka teo amin’ny tabernakely taloha ka hatreo amin’ny toeran’ny tempoly, izay nanolorana lahateny sy vavaka teo amin’ny tsirairay amin’ireo vato efatra.4

Sary
Fototry ny tempolin’i Salt Lake
Sary
Brigham Young

Tamin’ny lanonam-pihadiana ny fototra dia nampahatsiahivin’ny Filoha Young fa raha vao nametraka ny tongony teo amin’ilay tany izy dia nahita fahitana, tamin’ny nanaovan’izy ireo fizahana an’ilay lohasaha, ka hoy izy: “Tonga dia fantatro [tamin’izay], tahaka ny fahafantarako izany ankehitriny, fa eto no tany hanorenana tempoly, teo anoloako izany.”5

Folo taona taty aoriana dia nanome izao faminaniana izao i Brigham Young tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany tamin’ny ôktôbra 1863: “Tiako ny hahita ny tempoly hatsangana amin’ny fomba izay haharetany hatramin’ny Arivotaona. Tsy ity irery ihany no tempoly izay hatsangantsika; hisy an-jatony amin’izy ireny hatsangana sy hotokanana ho an’ny Tompo. Ity tempoly ity no ho fantatra fa tempoly voalohany naorin’ireo Olomasin’ny Andro Farany tety amin’ny tendrombohitra. … Tiako … hijoro eo izany tempoly izany ho tsangambato reharehan’ny finoana, faharetana ary ny asan’ny olomasin’ Andriamanitra tety amin’ny tendrombohitra.”6

Sary
Tempolin’i Salt Lake eo an-dalam-panamboarana
Sary
Tempolin’i Salt Lake eo an-dalam-panamboarana

Rehefa manao jery todika an’io tantara fohy io aho dia talanjona amin’ny maha-mpahita an’i Brigham Young: voalohany, ny fanomezany toky fa araka izay azo atao, tamin’ny fampiasana ny fomba fanorenana nisy tamin’izany fotoana sy toerana izany, dia haorina mba haharitra mandritra ny Arivotaona ny tempolin’i Salt Lake, ary faharoa, ny faminaniany ny fitombon’ireo tempoly ho avy manerana izao tontolo izao, izay hahatratra an-jatony mihitsy.

Fanavaozana ny tempolin’i Salt Lake

Tahaka an’i Brigham Young, dia mikarakara amim-pitandremana lehibe ny tempolin’i Salt Lake sy ireo tempoly hafa rehetra ireo mpaminanintsika ankehitriny. Nandritra ny taona maro ny Fiadidiana Voalohany dia nikaon-doha matetika miaraka amin’ny Episkôpà Mpiahy mba hakana antoka ny fahamafisan’ny fototry ny tempolin’i Salt Lake. Fony aho nanompo tao amin’ny Episkôpà Mpiahy, noho ny fangatahan’ny Fiadidiana Voalohany dia nanao fizahana ankapobeny ny tempolin’i Salt Lake izahay; tafiditra tamin’izany ny fanombantombanana ny hiaka farany indrindra amin’ny fiarovana amin’ny horohoron-tany sy ny teknika fanorenana.

Indro misy ampahany amin’ny fandinihana vita izay natolotra ny Fiadidiana Voalohany tamin’izany fotoana izany: “Tamin’ny fandrafetana sy fanorenana ny tempolin’i Salt Lake dia nampiasaina ny fomba fanorenana tsara indrindra, mpiasa manam-pahaizana manokana, fitaovam-panorenana, sy fanaka ary loharano hafa nisy tamin’izany andro izany. Hatramin’ny fitokanana izany tamin’ny 1893 dia niorina mafy ny tempoly ary natao fanevan’ny finoana sy fanantenana ary fahazavana ho an’ny olona. Nasiam-pitandremana lehibe ny fampandehanana sy ny fanadiovana ary ny fihazonana ny fahatsaran’ny tempoly. Mbola tsara daholo ny vato ivelany sy ireo andry isaky ny rindrina ary ireo andry mpanohana ao anatiny. Nanamafy ny fandalinana natao vao tsy ela fa ny toerana nosafidin’i Brigham Young ho an’ny tempoly dia tany tsara sy manana toetra mafy tsara.”7

Nivoitra avy tamin’ilay fandinihana fa nisy ny fanamboarana sy ny fanatsarana nilaina mba hanavaozana sy hahamaoderina ny tempoly; tafiditra tamin’izany ny faritra eo ivelany sy ireo fitaovana efa lany andro ary ny faritra fanaovana batisa. Na dia izany aza dia nangatahina ihany koa ny fanamafisana ny fiarovana amin’ny horohoron-tany manomboka amin’ny fototry ny tempoly miakatra.

Ny fiorenan’ny tempoly

Araka ny mety efa tsaroanareo dia niditra an-tsehatra tamin’ny antsipiriany mihitsy ny Filoha Brigham Young tamin’ny fanorenana ny fototry ny tempoly tamin’ny voalohany, izay nampety tsara ny tempoly hatry ny nahavitany 127 taona lasa izay. Ilay fanamafisana ny fiarovana amin’ny horohoron-tany vao naroso ho an’ny tempoly dia hampiasa teknôlôjia fampisarahana ny fototra amin’ny vataben’ny trano, izay tsy azo neritreretina akory tamin’ny fotoana nanorenana izany. Io no heverina fa hiaka farany indrindra amin’ny teknôlôjia fiarovana amin’ny horohoron-tany.

Sary
Drafitra amin’ny fanavaozana tempoly
Sary
Drafitra amin’ny fanavaozana tempoly

Io teknôlôjia io, izay vao novolavolaina vao tsy ela, dia manomboka ao amin’ny fototra iorenan’ny tempoly, ka manome fiarovana mafy amin’ny fahasimbana ateraky ny horohoron-tany. Raha fintinina dia manamafy orina ny tempoly izany mba hijoro tsy ho voahozongozona, na dia iharan’ny horohoron-tany aza ny tany sy ny tontolo manodidina izany.

Ny fanavaozana ny tempoly izay hampiasa io teknôlôjia io dia nambaran’ny Fiadidiana Voalohany tamin’ny taon-dasa. Teo ambany fitarihan’ny Episkôpà Mpiahy dia nanomboka volana vitsy lasa izay ny asa , tamin’ny janoary 2020. Vinavinaina ho vita afaka efa-taona eo izany.

Ataovy azo antoka ny fototra iorenanao manokana

Rehefa mandinika ireo efa-taona manaraka amin’ny fiainan’ity tempolin’i Salt Lake tsara sy bevoninahitra sy ambony ary mahatalanjona ity aho dia tsy fotoana fikatonana no fahitako izany, fa fotoana fanavaozana kosa! Torak’izany koa dia mety hanontany tena isika hoe: “Amin’ny fomba ahoana no hitaoman’ity fanavaozana ny tempolin’i Salt Lake ity antsika hiaina fanavaozana, na fanamboarana, na famelombelomana, na famerenana amin’ny laoniny ara-panahy?”

Ny fanaovana fandinihan-tena lalina dia mety haneho fa isika sy ny fianakaviantsika koa dia hahita tombontsoa raha hanaovana asa fanamboarana sy fanavaozana, toy ny fanamafisana ny fiarovana amin’ny horohoron-tany! Afaka manomboka izany dingana izany isika amin’ny fanontaniana hoe:

“Tahaka ny ahoana ny fototra iorenako?”

“Inona avy no ao anatin’ireo vato fehizoro matevina sy maharitra ary matanjaka izay mandrafitra ny fototra iorenako manokana, izay iorenan’ny fijoroana ho vavolombelona ananako?”

“Inona avy ireo singa fototry ny toetrako ara-panahy sy ara-pihetseham-po izay hanome fahafahana ahy sy ny fianakaviako hijanona ho mafy sy tsy ho voahozongozona, ka hahatohitra mihitsy ireo horohoron-tany mahery vaika sy misafotofoto izay azo antoka fa hitranga amin’ny fiainanay?”

Ireo tranga ireo, izay azo oharina amin’ny horohoron-tany, matetika dia sarotra fantarina mialoha ary samy manana ny heriny rehefa tonga, miaina ao anatin’ny fanontaniana na fisalasalana, miatrika fahoriana na zava-tsarotra, mamaha ireo fandikan-dalana manokana nataon’ny tena miaraka amin’ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana, ny mpikambana, ny fotopampianarana, na ny fitsipika mifehy. Ny fiarovana tsara indrindra hanoherana an’ireo dia ao anatin’ny fototra ara-panahy iorenantsika.

Mety ho tahaka ny ahoana ny vato fehizoro ara-panahin’ny fiainantsika manokana sy ny fianakaviantsika? Izany dia mety ho ireo fitsipika tsotra sy sarobidin’ny fiainana ny filazantsara: vavaka ataon’ny mpianakavy, fandalinana ny soratra masina, tafiditra amin’izany ny Bokin’i Môrmôna, ny fandehanana any amin’ny tempoly ary ny fianarana ny filazantsara amin’ny alalan’ny Avia, hanaraka Ahy sy ny takarivan’ny mpianakavy. Ny loharanom-pitaovana hafa manampy amin’ny fanamafisana orina ny fototra ara-panahinao dia ny Fanekem-pinoana, ny fanambarana ho an’ny fianakaviana, ary ny “Ilay Kristy Velona.”

Ho ahy ireo fitsipika ao anatin’ireo fanontaniana resahina mandritra ny fandraisana ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly dia manome fototra matanjaka iorenana ara-panahy, indrindra fa ireo fanontaniana efatra voalohany. Raisiko ho vato fehizoro ara-panahy izy ireo.

Mazava ho azy fa mahazatra antsika ireo fanontaniana ireo, izay novakin’ny Filoha Russell M Nelson tsirairay tamintsika tamin’ny fihaonambe maneran-tany farany teo.

  1. Moa ve ianao manana finoana an’ Andriamanitra, Ray Mandrakizay, sy ny Zanany, Jesoa Kristy ary ny Fanahy Masina ary manana fijoroana ho vavolombelona momba azy ireo?

    Sary
    Ny Andriamanitra
  2. Moa ve ianao manana fijoroana ho vavolombelona momba ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy sy ny anjara asany amin’ny maha-Mpamonjy sy Mpanavotra Azy?

    Sary
    Ny Sorompanavotan’ i Jesoa Kristy
  3. Moa ve ianao manana fijoroana ho vavolombelona mikasika ny Famerenana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny laoniny?

    Sary
    Ny Famerenana amin’ny laoniny
  4. Moa ve ianao manohana ny Filohan’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ho mpaminany sy mpahita ary mpanambara, ary ho hany olona eto an-tany nahazo lalana hampiasa ireo fanalahidin’ny fisoronana rehetra?8

    Sary
    Mpaminany

Hitanareo ve ny azonareo handinihana ireo fanontaniana ireo ho singa manan-danja amin’ny fototra iorenanareo manokana izay manampy anareo hanorina sy hanamafy izany? Nampianatra an’ireo efesiana i Paoly ny amin’ny fiangonana iray izay “natsangana teo ambonin’ny fanorenan’ny Apostoly sy ny mpaminany, ary Kristy Jesoa no fehizoro indrindra; ao aminy no hirafetan’ny rafitra rehetra, mitombo tsara ho tempoly masina ho an’ny Tompo.”9

Sary
Ny tempoly manana fototra matanjaka tsara

Ny iray amin’ireo fifaliana lehibe indrindra eo amin’ny fiainako dia ny mahafantatra ireo mpikamban’ny Fiangonana manerana izao tontolo izao izay ohatra velon’ny finoana an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany ka mahazo aingam-panahy avy amin’izany. Manana fototra mafy iorenan’ny tenany manokana izy ireo izay manome fahafahana azy ireo hahatohitra horohoron-tany amin’ny fahatakarana tsy azo hozongozonina, na dia eo aza ny ratram-pony sy ny fanaintainany.

Mba hanehoana izany amin’ny zavatra tena iainana manokana dia vao tsy ela aho no nandray fitenenana tamin’ny fandevenana ny renim-pianakaviana sy vady tsara sy mavitrika ary tanora iray (sady naman’ny fianakavianay). Mpilalao baolina kitra mavitrika tao amin’ny diviziôna voalohany izy tamin’izy nahafantatra sy nanambady ilay vadiny izay mpianatra ho mpitsabo nify. Nanan-janaka vavy tsara tarehy sady matotra raha ny taonany izy ireo. Tao anatin’ny herim-po lehibe no niadivany tamin’ny karazana homamiadana samihafa nandritra ny enin-taona izay sarotra be. Na dia teo aza ny alahelo ara-pihetseham-po sy ara-batana tsy tapaka izay niainany dia natoky ny Rainy any An-danitra be fitiavana izy ary matetika no ampiasain’ireo mpanaraka azy ao amin’ny tambazotra ifaneraserana ilay filazany hoe: “Hain’ Andriamanitra ny antsipirian-javatra rehetra.”

Tao amin’ny zavatra iray nosoratany teny amin’ny tambazotra ifaneraserana dia nanoratra izy fa nisy olona nanontany azy hoe: “Ahoana no mbola anananao finoana eo anatrehan’ireo zavatra rehetra izay mandratra fo manodidina anao?” Novaliany tsara toy izao: “Satria ny finoana no manampy ahy mamakivaky ireo fotoana maizina ireo. Ny hoe manana finoana dia tsy midika hoe tsy misy zavatra ratsy hitranga. Ny fananana finoana dia manome fahafahana ahy hino fa mbola hisy mazava indray . Ary izany hazavana izany dia hihahamiratra satria efa nandalo fotoan-tsarotra aho. Na dia efa nandalo fotoana maloka maro aza aho nandritra izay taona maro izay dia efa nahita hazavana mihoatra izany aho. Nahita fahagagana aho. Nahatsapa anjely aho. Nahafantatra aho fa nikarakara ahy ny Raiko any An-danitra. Tsy nisy niainako izany rehetra izany raha toa ka mora ny fiainana. Mety tsy ho fantatra ny hoavin’ity fiainana ity, saingy ny finoako dia fantatra. Raha misafidy ny tsy hanana finoana aho dia misafidy ny handeha fotsiny ao amin’ny haizina. Satria raha tsy misy ny finoana dia tsy misy afa-tsy ny haizina no tsapa.”10

Ny fijoroana ho vavolombelona tsy azo hozongozonina nananany momba ny finoana an’i Jesoa Kristy, tao amin’ireo teny nolazainy sy ny zavatra nataony, dia aingam-panahy ho an’ny hafa. Na dia nalemy aza ny vatany dia nankahery ny hafa izy ho lasa mafy kokoa.

Mieritreritra ireo mpikamban’ny Fiangonana maro hafa mpiady toa an’io rahavavy io aho, izay mandeha isan’andro am-pinoana, miezaka ny ho marina sy mpanara-dia matanja-tsaina an’i Jesoa Kristy, ilay Mpamonjy antsika. Mianatra momba an’i Kristy izy ireo. Mitory an’i Kristy izy ireo. Miezaka manaraka ny ohatra nasehony izy ireo. Na mora na sarotra ireo zavatra niainany tamin’ny androm-piainany dia mafy orina sy tsy azo hozongozonina ny fototra iorenany ara-panahy.

Izy ireo no ireo fanahy mavitrika izay mahatakatra ny tena dikan’ny tonon’ilay fihirana manao hoe “Fototra mafy orina ny finoanao” ary “amin’ny Mpamonjy no fialofa[ny].”11 Tsy haiko ny haneho ny fankasitrahako noho ny fahafantarako ireo nanomana fototra iorenana ara-panahy izay mendrika ny antsoina hoe Olomasina sy izay matanjaka sy azo antoka ka afaka ny hijoro manoloana ireo fahasarotana maro amin’ny fiainana.

Tsy inoako hoe misy teny azontsika ampiasaina ka mahalaza ny maha-zava-dehibe ny fototra mafy orina toy izany eo amin’ny fiainantsika manokana. Na dia mbola kely aza ireo ankizintsika ao amin’ny Kilonga dia mianatra izy ireo rehefa mihira io fahamarinana io manao hoe:

Ny hendry dia mailo … nanorina trano … ambony vatolampy,

Raha misy ranonorana.

Nilatsaka ary tsy nijanona, nitondra riaka

Dia tsy rava ry zareo.12

Ny soratra masina dia manamafy io fotopampianarana fototra io. Nampianatra ireo vahoaka tao Amerika ny Mpamonjy hoe:

“Ary raha manao mandrakariva ireo zavatra ireo ianareo, dia hotahiana ianareo, satria miorina eo ambonin’ny vatolampiko ianareo.

“Saingy na zovy na zovy no manao mihoatra na latsaka ireo dia tsy miorina eo ambonin’ny vatolampiko izy, fa miorina kosa eo amin’ny fanorenana fasika; ary rehefa mirotsaka ny orana sy tonga ny riaka, ary mifofofofo ny rivotra, ary mamely azy, dia hianjera izy, ary misokatra sahady ny vavahadin’ny helo handray azy.”13

Tena fanantenan’ireo mpitarika ato amin’ny Fiangonana ny hoe ireo fanavaozana lehibe hatao amin’ny tempolin’i Salt Lake dia hanatanteraka ilay fanirian’i Brigham Young “hahita ny tempoly hatsangana amin’ny fomba izay haharetany hatramin’ny arivotaona.” Mandritra ireo taona ho avy dia enga anie ka handrisika sy hanentana antsika, isam-batan’olona na fianakaviana, ireo fanatsarana hatao amin’ny tempolin’i Salt Lake, ka hahatonga antsika ihany koa, raha atao an’ohatra, “hatsangana amin’ny fomba izay haharitra hatramin’ny arivotaona.”

Manao izany isika rehefa manatanteraka ny zavatra nampanaovin’i Paoly Apôstôly hoe “hihary fanorenana tsara ho an’ny tena[ntsika] ho amin’ny andro ho avy, mba hihazona[ntsika] ny tena fiainana.”14 Mivavaka mafy aho mba ho azo antoka sy tsy azo hozongozonina ny fototra iorenantsika ara-panahy, mba ho lasa vato fehizorontsika lehibe ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika momba ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy sy ny anjara asany amin’ny maha-Mpamonjy sy Mpanavotra antsika Azy, Izy izay ijoroako ho vavolombelona amin’ny anarany, dia i Jesoa Kristy izany, amena.

Fanamarihana

  1. Diarin’i William Clayton, 26 jolay 1847, Tahirim-bokin’ny tantaran’ny Fiangonana, Salt Lake City.

  2. Jereo ny “At the Tabernacle, Presidents Woodruff and Smith Address the Saints Yesterday Afternoon,” Deseret Evening News, Aug. 30, 1897, 5; “Pioneers’ Day,” Deseret Evening News, July 26, 1880, 2; Wilford Woodruff journal, July 28, 1847, Church History Library, Salt Lake City.

  3. “Minutes of the General Conference of the Church of Jesus Christ of Latter-day Saints, held at Great Salt Lake City, State of Deseret, April 6, 1851,” Deseret News, 19 apr. 1851, 241.

  4. Jereo ny “The Temple,” Deseret News, 19 feb. 1853, 130; “Minutes of the General Conference,” Deseret News, 16 apr. 1853, 146; “Minutes of the General Conference,” Deseret News, 30 apr. 1853, 150.

  5. “Address by President Brigham Young,” Millennial Star, 22 apr. 1854, 241.

  6. “Remarks by President Brigham Young,” Deseret News, 14 ôkt. 1863, 97.

  7. Famelabelarana momba ny tempolin’i Salt Lake nataon’ny Episkôpà Mpiahy tamin’ny Fiadidiana Voalohany, ôkt. 2015.

  8. Jereo ny Russell M. Nelson, “Lahateny famaranana,” Liahona, nôv. 2019, 121.

  9. Efesiana 2:20–21.

  10. Fampielezana amin’ny tambazotra ifaneraserana nataon’i Kim Olsen White.

  11. “Fototra mafy orina,” Fihirana sy hiran’ny ankizy, pejy 12.

  12. “Ny hendry sy ny adala,” Bokin-kiran’ny ankizy, 132; ny fanamafisana tany am-piandohana dia nesorina teto.

  13. 3 Nefia 18:12–13; nampiana fanamafisana.

  14. 1 Timoty 6:19; nampiana fanamafisana.