2020
Mianatra avy amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany
Mey 2020


Avia, hanaraka Ahy

Mianatra avy amin’ireo hafatra avy amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany

Ny fampianaran’ireo mpaminany velona sy ireo mpitarika hafa maneran-tany ao amin’ny Fiangonana dia manome fitarihana tena tsara rehefa mikatsaka ny handray anjara ao amin’ny asan’ny Tompo isika. Ny alahady faharoa sy fahefatra isam-bolana, dia mifidy hafatra iray avy amin’ny fihaonambe mba hifanakalozana hevitra ny fiadidian’ny kôlejy sy ny Fikambanana Ifanampiana, izay mifototra amin’ireo zavatra ilain’ireo mpikambana sy amin’ny fitarihana avy amin’ny Fanahy. Indraindray mety hanolotra hafatra iray koa ny eveka na ny filohan’ny tsatòka. Amin’ny ankapobeny ireo hafatra avy amin’ireo mpikambana ao amin’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo no tokony tena hamafisin’ireo mpitarika. Kanefa azo ifanakalozana hevitra daholo izay mety ho hafatra avy amin’ny fihaonambe farany indrindra.

Ireo mpitarika sy mpampianatra dia tokony hitady fomba hamporisihana ireo mpikambana hamaky mialoha ny fivoriana ilay hafatra voafidy.

Mba hahazoana fampahalalana bebe kokoa mikasika ireo fivoriana an’ny kôlejin’ny loholona sy ny Fikambanana Ifanampiana dia jereo ny Boky Torolanana 2: Fitantanana ny Fiangonana, 7.8.1, 9.4.1, ChurchofJesusChrist.org.

Lamina enti-mampianatra

Ireto fanontaniana manaraka ireto dia afaka manampy ireo mpampianatra rehefa manao drafitra hampianatra hafatra iray avy amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana izy ireo.

  1. Inona no tian’ny mpandahateny hotakarinay? Inona avy ireo fitsipiky ny filazantsara ampianariny? Nahoana izany no manan-danja ho an’ny kôlejy na ny Fikambanana Ifanampiana misy anay?

  2. Inona no soratra masina nampiasain’ilay mpandahateny mba hanohanana ny hafany? Misy soratra masina hafa azonay vakina ve izay hampahalalina ny fahatakaranay? (Mety afaka mahita vitsivitsy ianao ao anatin’ireo fanaramarihana any amin’ny faran’ny hafatra.)

  3. Inona avy ireo fanontaniana azoko apetraka izay hanampy ireo mpikambana hisaintsaina ilay hafatra? Inona avy ireo fanontaniana izay hanampy azy ireo hahita ny maha-manan-danja ilay hafatra eo amin’ny fiainan’izy ireo sy ny an’ny fianakavian’izy ireo ary eo amin’ny asan’ny Tompo?

  4. Inona no zavatra hafa azoko atao mba hanasana ny Fanahy ao anatin’ny fivorianay? Inona no zavatra azoko ampiasaina mba hampivelarana ny fifanakalozan-kevitra, tafiditra ao anatin’izany ny tantara, ny fifanahafana, ny mozika ary ny zava-kanto ara-tsary? Inona no nampiasain’ilay mpandahateny?

  5. Moa ve nanolotra fanasana ilay mpandahateny? Ahoana no ahafahako manampy ireo mpikambana hahatsapa ny faniriana mba handray andraikitra eo anatrehan’ireo fanasana ireo?

Hevitra mikasika ireo asa azo atao

Misy fomba maro azo anampiana ireo mpikambana mba hianatra avy amin’ireo hafatra avy amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany. Misy ohatra vitsivitsy ireto. Mety manana hevitra hafa izay hahomby kokoa ho an’ny kôlejy na ny Fikambanana Ifanampiana misy anao ianao.

  • Mifankalo hevitra ao anatina vondrona. Zarazarao ho vondrona kely maromaro ireo mpikambana ary omeo ampahany samihafa avy ao amin’ilay hafatra avy amin’ny fihaonambe ny vondrona tsirairay mba hovakina sy hifanakalozana hevitra. Dia angataho ny vondrona tsirairay mba hizara izay zavatra nianarany. Na afaka manorina vondrona ahitana olona nandalina ampahany samihafa ianao, dia avelao izy ireo hifampizara ny zavatra nianaran’izy ireo.

  • Mamaly fanontaniana. Asao ireo mpikambana mba hamaly fanontaniana tahaka ireto manaraka ireto mikasika ny hafatra avy amin’ny fihaonambe: Inona avy ireo fahamarinana momba ny filazantasara izay hitantsika ao amin’io hafatra io? Ahoana no ahafahantsika mampihatra ireo fahamarinana ireo? Inona avy ireo fanasana natolotra sy fitahiana nampanantenaina? Inona no ampianarin’izany hafatra izany antsika mikasika ny asa tian’Andriamanitra hataontsika?

  • Mizara teny nindramina. Asao ireo mpikambana mba hizara teny nindramina avy ao amin’ilay hafatra avy amin’ny fihaonambe izay mamporisika azy ireo hanatanteraka ny andraikitr’izy ireo eo amin’ny asa famonjena. Amporisiho izy ireo mba handinika ny fomba ahafahan’izy ireo mizara ireo teny nindramina ireo mba hitahiana olona, tafiditra ao anatin’izany ireo olon-tiana sy ireo olona izay anaovan’izy ireo fanompoana.

  • Mizara lesona ampiasana ohatra azo tsapain-tanana. Angataho mialoha ny mpikambana vitsivitsy mba hitondra zavatra avy any an-trano izay azon’izy ireo ampiasaina mba hampianarana mikasika ilay hafatra avy amin’ny fihaonambe. Angataho ireo mpikambana mba hanazava ny ifandraisan’ireo zavatra ireo amin’ilay hafatra.

  • Manomana lesona iray mba ho ampianarina any an-trano. Angataho ireo mpikambana hiasa tsiroaroa mba hanomana lesona iray ho an’ny takarivan’ny mpianakavy izay mifototra amin’ilay hafatra avy ao amin’ny fihaonambe. Ahoana no fomba ataontsika mba hahatonga ilay hafatra ho manan-danja ho an’ny fianakaviantsika? Ahoana no ahafahantsika mizara io hafatra io amin’ny olona izay anaovantsika fanompoana?

  • Mizara ireo zavatra niainana. Miaraha mamaky teny maro nambara tao amin’ilay hafatra avy amin’ny fihaonambe. Angataho ireo mpikambana mba hizara ohatra avy ao amin’ny soratra masina sy avy amin’ny fiainan’izy ireo izay maneho na manamafy ilay fotopampianarana nampianarina tao anatin’ireo teny nambara ireo.

  • Mianatra soratra masina iray. Asao ireo mpikambana mba hamaky soratra masina iray izay nolazaina tao amin’ilay hafatra avy amin’ny fihaonambe. Angataho izy ireo mba hifanakalo hevitra mikasika ny fomba anampian’ireo fampianarana ao amin’ilay hafatra azy ireo mba hahatakatra tsara kokoa ilay soratra masina.

  • Mitady valiny. Mamoròna fanontaniana vitsivitsy mialoha ny fotoana izay azo valina amin’ny alalan’ny fampiasana ilay hafatra avy amin’ny fihaonambe. Mifantoha amin’ireo fanontaniana izay manosika ny fieritreretana lalina na ny fampiharana ireo fitsipika ao amin’ny filazantsara (jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 31–32). Dia avelao ireo mpikambana mba hifidy fanontaniana iray ary hitady valiny ao anatin’ilay hafatra. Asao izy ireo mba hifanakalo hevitra ao anatina vondrona kely maromaro mikasika ireo valiny hitan’izy ireo.

  • Mitady andian-teny. Asao ireo mpikambana mba handinika ilay hafatra avy amin’ny fihaonambe ka hitady ireo andian-teny izay manan-danja amin’izy ireo. Angataho izy ireo hizara ireo andian-teny sy ny zavatra nianaran’izy ireo avy amin’izany. Nahoana no manampy antsika hanatanteraka ny asan’ny Tompo ireo fampianarana ireo?

  • Mamorona zavatra. Asao ireo mpikambana mba hanamboatra sary na karatra fanamarihana pejy izay ahitana teny fohy manentana ny fanahy avy ao amin’ilay hafatra avy amin’ny fihaonambe. Omeo fahafahana hizara ny zavatra nataony izy ireo.