2020
Henoy Izy
Mey 2020


Henoy Izy

Fantatry ny Raintsika fa rehefa manemitra antsika manodidina ny tebiteby sy ny tahotra, dia ny mihaino ny Zanany no hanampy antsika indrindra.

Ry rahalahy sy anabaviko malala, velom-pankasitrahana tokoa aho fa noho ny fampiasana teknôlojia dia afaka miara-mivory sy miara-mivavaka isika amin’ity alahady maraina ity. Fitahiana lehibe ho antsika ny mahalala fa naverina tamin’ny laoniny teto an-tany ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Tao anatin’ny herinandro maromaro izay, dia niaina fanembantsembanana teo amin’ny fiainantsika manokana ny ankamaroantsika. Nanembantsembana ireo zavatra fanao mahazatra ny horohorontany, ny afo, ny tondra-drano, ny valan’aretina, ary ny vokatra naterak’izany, ka nahatonga tsy fahampian’ny tahirin-tsakafo, sy ny zavatra ilaina andavan’andro, ary ny tahirim-bola.

Eo anivon’ireo rehetra ireo dia midera sy misaotra anareo izahay noho ny nisafidiananareo hihaino ny tenin’ny Tompo mandritra izao fotoana mampitebiteby izao amin’ny alalan’ny fiarahanareo aminay mandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany. Ny haizina mihamitombo izay miara-dalana amin’ny fahoriana dia vao mainka mampamiratra kokoa ny fahazavan’i Jesoa Kristy. Eritrereto fotsiny ny zavatra tsara azontsika tsirairay atao mandritra ity fotoana izay iainan’izao tontolo izao fiovana sarotra ity. Ny fitiavanareo ny Mpamonjy sy ny finoanareo Azy dia afaka tsara ny ho fitaovana hitarika olona hahafantatra ny Famerenana amin’ny laoniny ny fahafenoan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Tao anatin’ny roa taona izay dia nihaona tamin’ny an’arivony taminareo manerana izao tontolo izao izaho sy Rahavavy Nelson. Niara-nivory taminareo teny ankalamanjana sy tao amin’ireo efitrano filanonana tany amin’ny trano fandraisam-bahiny izahay. Tany amin’ny toerana tsirairay dia nahatsapa aho fa teo anatrehan’ireo nofinidin’ny Tompo ary nanatri-maso ny fahatanterahan’ny fanangonana an’i Isiraely.

Miaina ao anatin’ny fotoana izay “efa nandrasan’ny razantsika tamin’ny famaizana fatratra”1 isika. Isika no lohalaharana manatri-maso mivantana ny zavatra hitan’ny mpaminany Nefia tao anaty fahitana fotsiny ihany, fa ny “herin’ny Zanakondrin’ Andriamanitra” dia hidina “tamin’ny vahoakan’ny fanekempihavanan’ny Tompo izay naely patrana tamin’ny lafiny rehetra tamin’ny tany; ary nampirongoana azy ho fiadiany ny fahamarinana sy ny herin’ Andriamanitra tamim-boninahitra lehibe.”2

Ianareo, ry rahalahy sy anabaviko, dia isan’ireo lehilahy sy vehivavy ary ankizy izay hitan’i Nefia ireo. Saintsaino anie izany e!

Na aiza na aiza toerana honenanareo na inona toe-javatra iainanareo, dia i Jesoa Kristy Tompo no Mpamonjinareo ary i Joseph Smith izay mpaminanin’ Andriamanitra no mpaminaninareo . Notendrena mialoha talohan’ny nanorenana ny tany izy mba ho mpaminanin’izao fotoampitantanana farany izao, izay fotoana “tsy hisy na inona na inona hotanana”3 ka tsy ho fantatry ny Olomasina. Mitosaka tsy tapaka avy any amin’ny Tompo ny fanambarana mandritra ity dingana mitohin’ny famerenana amin’ny laoniny ity.

Midika inona aminao ny hoe naverina amin’ny laoniny eto an-tany ny filazantsaran’i Jesoa Kristy?

Midika izany fa azo fehezina ho mandrakizay any amin’ny tempoly ianao sy ny fianakavianao! Midika izany fa noho ianao vita batisa tamin’ny alalan’ny olona iray izay manana fahefana avy amin’i Jesoa Kristy ka noraisina ho mpikamban’ny Fiangonany, dia afaka mianoka ny fananana mandrakariva ny Fanahy Masina ho namanao. Hitarika sy hiaro anao Izy. Midika izany fa tsy ho avela na oviana na oviana ho tsy hisy mpankahery ianao na ho tsy afaka hahazo ny herin’ Andriamanitra hanampy anao. Midika izany fa ny herin’ny fisoronana dia afaka mitahy anao rehefa mandray ireo ôrdônansy ilaina ianao ary manao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra ka manaja izany. Vatofantsika lehibe ho an’ny fanahintsika tokoa ireo fahamarinana ireo, indrindra fa mandritra izao fotoana mampahery vaika ny tafiotra izao.

Ny Bokin’i Môrmôna dia mitantara ny firoboroboana sy ny faharavan’ny sivilizasiôna roa lehibe. Ny tantaran’izy ireo dia maneho fa mora ery ho an’ny ankamaroan’ny olona ny manadino an’ Andriamanitra, sy ny mandà ny fampitandreman’ireo mpaminanin’ny Tompo, ary ny mikatsaka fahefana sy laza, ary ny fahafinaretan’ny nofo.4 Ireo mpaminany teo aloha dia nanambara ombieny ombieny “zavatra lehibe sy mahatalanjona tamin’ny vahoaka …, izay tsy ninoan[’izy ireo], satria tsy hitany.”5

Tsy misy hafa amin’izany ny amin’izao androntsika izao. Nandritra ny taona maro dia zavatra lehibe sy mahatalanjona no re avy eo amin’ireo polipitra voatokana maneran-tany. Ny ankamaroan’ny olona anefa dia tsy mandray ireo fahamarinana ireo, na izany noho izy ireo tsy mahafantatra hoe aiza no ahitany izany6 na noho izy ireo mihaino ireo izay tsy manana ny fahamarinana rehetra, na noho izy ireo nandà ny fahamarinana ka nisafidy ny zavatra ara-nofo.

Fetsy ny fahavalo. Nandritra ny arivo taona maro dia nataony ho toy ny ratsy ny tsara ary ho toy ny tsara ny ratsy.7 Toa mafy sy feno fahasahiana ary mieboebo ny hafatra ampitainy.

Ny hafatra avy amin’ny Ray any An-danitra anefa dia tena mahavariana fa hafa mihitsy. Mifandray amintsika Izy amin’ny fomba tsotra, amim-pahanginana, ary mazava tsara amin’ny fomba mahavariana tokoa ka tsy afaka ny ho diso fandray isika.8

Ohatra, isak’izay nampahafantatra ny Zanany Lahitokana tamin’ny olombelona teto an-tany Izy, dia tamin’ny teny vitsy miavaka tsara no nanaovany izany. Teo amin’ny Tendrombohitry ny Fiovan-tarehy dia hoy Andriamanitra tamin’i Petera sy i Jakoba ary i Jaona hoe: “Ity no Zanako malalako, Izy no henoy.”9 Ireo teniny tamin’ireo Nefita tao Soafeno fahiny dia hoe: “Indro ny Zanako Malalako izay ao Aminy no tena ifaliako, izay tao Aminy no efa nankalazako ny anarako—henoinareo Izy.”10 Ary tamin’i Joseph Smith, tamin’ilay fanambarana mifono hevitra lalina izay nanokatra ity fotoampitantanana ity, dia hoy fotsiny Andriamanitra hoe: “Itỳ no Zanako Malalako. Henoy Izy!11

Ankehitriny ry rahalahy sy anabavy malalako, saintsaino fa tamin’ireo ohatra anankitelo vao nolazaiko ireo, taloha kelin’ny nampahafantaran’ Andriamanitra ny Zanany iny indrindra, dia tao anatin’ny tahotra, ary somary kivy ihany ireo olona resahina.

Natahotra ireo Apôstôly rehefa nahita an’i Jesoa Kristy nohodidinin’ny rahona teo amin’ny Tendrombohitry ny Fiovan-tarehy.

Natahotra ireo Nefita satria vao avy niaina faharavana sy haizim-pito nandritra ny andro maro.

Voagejan’ny herin’ny maizina i Joseph Smith mialoha indrindra ny nisokafan’ny lanitra.

Fantatry ny Raintsika fa rehefa manemitra antsika manodidina ny tebiteby sy ny tahotra, dia ny mihaino ny Zanany no hanampy antsika indrindra.

Satria rehefa mikatsaka ny hihaino, tena hihaino, ny Zanany isika dia ho voatarika hahafantatra izay tokony hatao na inona na inona toe-javatra misy.

Ny teny voalohany indrindra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana dia ny hoe mihainoa.12 Ny dikan’izany dia hoe “mihaino ombam-pikasana hankatò.”13 Ny hoe mihaino dia midika hoe “Henoy Izy,” mihaino izay lazain’ny Mpamonjy ary avy eo dia manaraka ny toroheviny. Ao amin’ireo teny roa ireo hoe: “Henoy Izy,” dia manome antsika lamina ny Tompo hahazoana fahombiazana sy fahasambarana, ary fifaliana eto amin’ity fiainana ity. Tokony hihaino ny tenin’ny Tompo isika, hitandrina azy ireny, ary hanaraka izay nolazainy antsika!

Eo am-pikatsahantsika ny ho mpianatr’i Jesoa Kristy dia vao mainka tokony ho avy amin’ny nahim-po kokoa ny ezaka ataontsika hihainoana Azy . Mila ezaka an-tsitrapo sy tsy tapaka ny famenoana ny fiainantsika isan’andro amin’ny teniny sy ny fampianarany, ary ireo fahamarinany.

Tsy azontsika atao tsotra izao ny miantehitra amin’ireo fampahalalana izay sendra antsika ao amin’ny tambazotra ifaneraserana. Noho ireo teny an-davitrisany ao amin’ny internet sy ny fiainana ao anatina tontolo hipoky ny dokam-barotra sy sovohan’ny fahavalo hatrany amin’ezaka feno tabataba sy mitera-doza, dia aiza no azontsika aleha raha hihaino Azy?

Afaka mitodika any amin’ny soratra masina isika. Ny soratra masina dia mampianatra antsika momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany, ny halehiben’ny Sorompanavotany, ary ny drafitra lehiben’ny fahasambarana sy ny fanavotan’ny Raintsika. Ny filomanosana isan’andro ao amin’ny tenin’ Andriamanitra dia zava-dehibe ho an’ny fiavotana ara-panahy, indrindra fa ao amin’izao andro hisian’ny fiovana sarotra tsy mitsaha-mitombo izao. Rehefa mivoky amin’ny tenin’i Kristy isan’andro isika, dia ny tenin’i Kristy no hanambara amintsika ny fomba hiatrehana ireo zava-tsarotra izay tsy noheverintsika mihitsy ho atrehana.

Afaka Mihaino Azy ao amin’ny tempoly ihany koa isika. Ny tranon’ny Tompo dia tranon’ny fianarana. Mampianatra araka ny fombany manokana ny Tompo any. Ny ôrdônansy tsirairay atao any dia mampianatra momba ny Mpamonjy. Ianarantsika any ny fomba hanokafana ny voaly sy hifandraisana mazava kokoa amin’ny lanitra. Ianarantsika any ny fomba hitenenana ny fahavalo sy hampiasana ny herin’ny fisoronan’ny Tompo mba hampatanjahana antsika sy ireo olona tiantsika. Akory ny tokony haha dodona antsika tsirairay avy hitady fialofana any.

Rehefa hoesorina ireo fameperana mandalo noho ny COVID-19, dia miangavy aho ny hanandaminanareo fotoana tsy tapaka hitsaohana sy hanompoana ao amin’ny tempoly. Ny minitra tsirairay amin’izany fotoana izany dia hitahy anareo sy ny fianakavianareo amin’ny fomba izay tsy misy na inona na inona ankoatra izany hahavita izany. Makà fotoana hisaintsainana ny zavatra renareo sy tsapanareo rehefa manatrika ao. Angataho ny Tompo hampianatra anareo ny fomba hanokafana ny lanitra mba hitahiana ny fiainanareo sy ny fiainan’ireo olona tianareo sy tompoinareo.

Raha toa ka tsy mbola azo atao aloha izao ny mitsaoka any amin’ny tempoly, dia manasa anareo aho hampitombo ny fandraisanareo anjara amin’ny tantaram-pianakaviana, anisan’izany ny fikarohana tantaram-pianakaviana sy ny fampidirana anarana faobe. Mampanantena aho fa rehefa mampitombo ny fotoana andehananareo any amin’ny tempoly sy anaovanareo tantaram-pianakaviana ianareo dia hampitombo sy hanatsara ny fahafahanareo mihaino Azy.

Maheno Azy mazava kokoa ihany koa isika rehefa manatsara ny fahaizantsika mamantatra ny bitsiky ny Fanahy Masina. Tsy mbola nisy fotoana mihoatra noho ny amin’izao ankehitriny izao ny hoe tsy maintsy hamantarana kokoa ny fomba hiresahan’ny Fanahy aminareo. Ao amin’ny Ny Andriamanitra dia ny Fanahy Masina no mpampita hafatra. Izy no hitondra eritreritra ao an-tsainareo izay tian’ny Ray sy ny Zanaka ho voarainareo. Izy no Mpampionona. Hitondra fahatsapana fiadanana ao am-ponareo Izy. Mijoro ho vavolombelona ny amin’ny fahamarinana Izy ary hanamafy izay marina rehefa mandre sy mamaky ny tenin’ny Tompo ianareo.

Havaoziko indray ny fiangaviako anareo mba hanao izay rehetra tokony hatao mba hampitomboana ny fahafahanareo ara-panahy mandray fanambarana ho an’ny tenanareo manokana.

Ny fanaovana izany dia hanampy anareo hahafantatra ny fomba handrosoana eo amin’ny fiainanareo, sy ny zavatra atao mandritra ny fotoan-tsarotra, ary ny fomba hamantarana sy hialana amin’ny fakam-panahy sy ny fitaky ny fahavalo.

Ary farany dia mihaino Azy isika rehefa manaraka ny tenin’ireo mpaminany sy mpahita ary mpanambara. Mijoro ho vavolombelona momba Azy foana ireo Apôstôlin’i Jesoa Kristy izay voatendry. Manoro ny lalana izy ireo eo am-pamakivakiantsika ny sangodim-panina maha-valaketraky ny fiainantsika eto an-tany.

Inona no hitranga rehefa mihaino sy mitandrina ary manaraka amin’ny nahim-po kokoa izay nolazain’ny Mpamonjy sy izay lazainy amin’izao fotoana izao amin’ny alalan’ny mpaminaniny ianareo? Mampanantena aho fa hotahiana amin’ny hery lehibe kokoa ianareo hahafahana miatrika ny fakam-panahy sy ny ady ary ny fahalemena. Mampanantena fahagagana aho eo amin’ny fanambadianareo, sy ny fifandraisan’ny mpianakavy, ary ny asanareo andavanandro. Ary mampanantena aho fa hitombo ny fahafahanareo mahatsapa fifaliana na dia mitombo aza ireo zavatra mampisafotofoto eo amin’ny fiainanareo.

Ity fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2020 ity no fotoana hankalazantsika ny tranga iray izay nanova izao tontolo izao. Teo am-piandrandrantsika ny fankalazana ny faha-200 taonan’ny Fahitana Voalohany, ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nisaintsaina izay azontsika atao hankazalana araka ny tokony ho izy ity tranga tsy manam-paharoa ity.

Izany fisehoan’ Andriamanitra izany no nahatonga ny fiantombohan’ny Famerenana amin’ny laoniny ny fahafenoan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy sy nanomboka ny fotoampitantanan’ny fahafenoan’ny fotoana.

Nanontany tena izahay raha toa ka tokony hisy tsangambato iray hafa hatsangana. Saingy rehefa nodinihanay ny fiantraikan’izany Fahitana Voalohany izany manokana ara-tantara sy maneran-tany, dia nentanim-panahy izahay hamorona tsangambato tsy vita amin’ny granita na vato fa amin’ny teny—teny mandrafitra fanambarana manetriketrika sy masina—voasoratra, tsy hosokirina eo amin’ny “vato fisaka” fa hosokirina kosa eo amin’ny “vato fisaka nofon’”ny fontsika.14

Hatramin’ny nanorenana ny Fiangonana dia miisa dimy monja ireo fanambarana navoaka, ka ny farany tamin’ireo dia “Ny Fianakaviana: Fanambara ho an’izao tontolo izao,” izay nampahafantarin’ny Filoha Gordon B. Hinckley tamin’ny 1995.

Raha mandinika io fotoana manan-danja teo amin’ny tantaran’izao tontolo izao io izahay ankehitriny mbamin’ny didin’ny Tompo hanangonana an’i Isiraely ho fanomanana ny Fiavian’i Jesoa Kristy fanindroany, izahay, Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia mamoaka izao fanambarana manaraka izao. Mitondra ny lohateny hoe “Ny Famerenana amin’ny Laoniny ny Fahafenoan’ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy: Fanambarana ho an’izao tontolo izao nandritra ny fankalazana ny faha-roanjato taona” izany. Nosoratan’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Filankevitry ny Apôstôly Roambinifolo ao amin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany izany. Natao tamin’ny aprily 2020 izany. Ho fiomanana ho amin’ny anio dia noraketiko teo aloha tao amin’ny Alakely Masina, toerana nahitan’i Joseph Smith voalohany ny Ray sy ny Zanaka, ity fanambarana ity.

“Izahay dia manambara amin’ny fomba manetriketrika fa Andriamanitra dia tia ny zanany any amin’ny firenena rehetra manerana izao tontolo izao. Nomen’ Andriamanitra Ray antsika ny fahaterahana masina, sy ny fiainana tsy manam-paharoa, ary ny sorona fanavotana tsy misy fetran’ny Zanaka Malalany, dia i Jesoa Kristy. Nitsangana indray sy nandresy ny fahafatesana tamin’ny alalan’ny herin’ny Ray i Jesoa. Izy no Mpanavotra antsika, sy Ohatra arahintsika, ary Mpanavotra antsika.

“Roanjato taona lasa izay, ny maraina mahafinaritra iray nandritra ny lohataona tamin’ny 1820, raha nikatsaka ny hahafantatra izay fiangonana hidirana ho mpikambana i Joseph Smith zatovo, dia nandeha tany an’ala akaikin’ny fonenany lavidavitry ny tanàn-dehiben’i New York Etazonia izy mba hivavaka. Nanana fanontaniana mikasika ny famonjena ny fanahiny izy ka natoky fa hitarika azy Andriamanitra.

“Amim-panetrentena no hanambaranay fa ho valin’ny vavaka nataony, dia niseho tamin’i Joseph Andriamanitra Ray sy ny Zanakalahiny, Jesoa Kristy ka nanokatra ny -famerenana amin’ny laoniny ny zava-drehetra- (Asan’ny Apostoly 3:21) araka ny efa nambara mialoha tao amin’ny Baiboly. Nianatra izy tao amin’io fahitana io fa taorian’ny fahafatesan’ireo Apôstôly voalohany dia tsy nisy teto an-tany intsony ny Fiangonan’i Kristy tamin’ny andron’ny Testamenta Vaovao. Ho fitaovana lehibe amin’ny fiverenan’izany i Joseph.

“Ambaranay fa teo ambany fitarihan’ny Ray sy ny Zanaka dia nisy iraka avy any an-danitra tonga mba hanome toromarika an’i Joseph sy hanorina indray ny Fiangonan’i Jesoa Kristy. Namerina tamin’ny laoniny ny fahefana hanaovana batisa asitrika ho famelana ny fahotana i Jaona Mpanao Batisa efa nitsangana tamin’ny maty. Namerina tamin’ny laoniny ny adidin’ireo apôstôly sy ireo fanalahidin’ny fahefan’ny fisoronana ny telo tamin’ireo Apôstôly Roambinifolo voalohany, dia i Petera, sy i Jakoba, ary i Jaona. Nisy hafa tonga ihany koa, anisan’izany i Elia, izay namerina tamin’ny laoniny ny fahefana hampifamatotra mandrakizay ny fianakaviana ao anatin’ny fifandraisana maharitra mandrakizay izay manan-kery any ankoatry ny fahafatesana.

“Mbola hijoroanay ho vavolombelona ihany koa fa nomena an’i Joseph Smith ny fanomezam-pahasoavana sy herin’ Andriamanitra handikana rakitsoratra fahiny: ny Bokin’i Môrmôna—Testamenta iray hafa momba an’i Jesoa Kristy. Ireo pejy ao amin’io lahatsoratra masina io dia ahitana tantaran’ny asa fanompoana manokana nataon’i Jesoa Kristy teo anivon’ireo vahoaka tao amin’ny Ilabolantany Andrefana tsy ela akory taorian’ny Fitsanganany tamin’ny maty. Izany dia mampianatra ny tanjon’ny fiainana sy manazava ny fotopampianaran’i Kristy, izay ivon’izany tanjona izany. Amin’ny maha-soratra masina mpiara-dia amin’ny Baiboly azy, ny Bokin’i Môrmôna dia mijoro ho vavolombelona fa ny olombelona rehetra dia zanakalahy sy zanakavavin’ny Ray any An-danitra be fitiavana, fa Izy dia manana drafitra masina ho an’ny fiainantsika, ary ny Zanakalahiny, Jesoa Kristy, dia miteny ankehitriny toy ny tamin’ny andro fahiny.

“Ambaranay fa Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, naorina tamin’ny 6 aprily 1830, no Fiangonan’i Kristy tamin’ny andron’ny Testamenta Vaovao naverina tamin’ny laoniny. Ity Fiangonana ity dia mifototra mafy orina amin’ny fiainana tonga lafatr’ilay fehizorony, dia i Jesoa Kristy, sy ny Sorompanavotany tsy manam-petra ary ny Fitsanganany tamin’ny maty ara-bakiteny. Niantso Apôstôly indray i Jesoa Kristy ary nanome azy ireo ny fahefan’ny fisoronana. Manasa antsika rehetra izy hanatona Azy sy ny Fiangonany, mba handray ny Fanahy Masina, sy ireo ôrdônansin’ny famonjena, ary mba hahazo fifaliana maharitra.

“Roanjato taona izay no lasana hatramin’ny nampanombohan’ Andriamanitra Ray sy ny Zanaka Malalany, Jesoa Kristy, an’ity Famerenana amin’ny laoniny ity. Olona an-tapitrisa maro manerana izao tontolo izao no nanaiky ny fahalalana momba ireo tranga efa nambara tamin’ny faminaniana ireo.

“Ambaranay amim-piravoravoana fa mandroso amin’ny alalan’ny fanambarana mitohy ilay Famerenana amin’ny laoniny nampanantenainy. Tsy ho toy ny teo aloha intsony izao tontolo izao, rehefa -hanangona ny zavatra rehetra ho iray ao amin’ i Kristy- (Efesiana 1:10) Andriamanitra.

“Amim-panajana lalina sy fankasitrahana, amin’ny maha- Apôstôliny anay no anasanay ny rehetra hahafantatra, tahaka ny ahafantaranay, fa misokatra ny lanitra. Ambaranay fa ampahafantarin’ Andriamanitra ny sitrapony ho an’ireo zanakalahy sy ireo zanakavavy malalany. “Mijoro ho vavolombelona izahay fa ireo izay mandalina ombam-bavaka ny hafatry ny Famerenana amin’ny laoniny sy manao asa amim-pinoana dia ho voatahy amin’ny fahazoana fijoroana ho vavolombelona an’ny tenan’izy ireo manokana momba ny maha-avy amin’ Andriamanitra izany sy ny tanjon’izany, dia ny manomana an’izao tontolo izao ho amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Tompo sy Mpamonjintsika Fanindroany izay efa nampanantenaina.”15

Ry rahalahy sy anabaviko malala, izany no fanambarana ataontsika mandritra ny fankalazana ny faha-roanjato taonan’ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ao amin’ny fahafenoany. Nadika tamin’ny fiteny 12 izany. Hanaraka tsy ho ela ireo fiteny hafa. Ho hita avy hatrany izany ao amin’ny tranonkalan’ny Fiangonana, izay ahazoanareo ny tahadikan’izany. Halalino manokana sy miaraka amin’ny fianakavianareo sy namanareo izany. Saintsaino ireo fahamarinana ary eritrereto ny fiantraikan’ireo fahamarinana ireo eo amin’ny fiainanareo raha toa ka handre, sy hihaino azy ireny ianareo, ary hanaraka ireo didy sy fanekempihavanana izay miaraka amin’izy ireny.

Fantatro fa i Joseph Smith no mpaminany voatendry mialoha izay nofidin’ny Tompo hanokatra ity fotoampitantanana farany ity. Tamin’ny alalany no namerenana tamin’ny laoniny ny Fiangonan’ny Tompo teto an-tany. Nofehezin’i Joseph tamin’ny rany ny fijoroany ho vavolombelona. Tena tiako izy ary tena omeko voninahitra!

Velona Andriamanitra! I Jesoa no Kristy! Naverina tamin’ ny laoniny ny Fiangonany! Izy sy ny Rainy, izay Raintsika any An-danitra, dia miahy antsika. Mijoro ho vavolombelona ny amin’izany aho amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.