2020
Ny fomba hitahian’ny fisoronana an’ireo zatovo
Mey 2020


Ny fomba hitahian’ny fisoronana an’ireo zatovo

Omena fahafahana isika hanompo tahaka ny anjely, hitory ny filazantsara any amin’ny kaontinanta rehetra eto an-tany ary hanampy olona hanatona an’i Kristy.

Ry rahalahy sy anabavy, tena feno fankasitrahana aho miresaka aminareo amin’izao takariva manan-tantara izao momba ny fanomezana masin’ny fisoronana sy ny heriny mahatalanjona hitahiany ireo zatovo amin’izao fotoam-pitantanana izao. Mivavaka aho mba hampian’ny Fanahy hampianatra fahamarinana na dia eo aza ny tsy fahatanterahako.

Nampatsiahy ireo mpihazona ny Fisoronana Aharôna ny Fiadidiana Voalohany hoe “miaina amin’ny andro feno fahafahana sy fanamby ianareo, andro izay namerenana amin’ny laoniny ny fisoronana. Manana ny fahefana hanatanterahana ny ôrdônansy ao amin’ny Fisoronana Aharôna ianareo. Rehefa mampiasa izany fahefana izany amim-bavaka sy am-pahamendrehana ianareo dia hitahy tokoa ny fiainan’ireo izay manodidina anareo.” 1 Amin’ny maha zatovolahin’ny Fiangonana antsika dia ampahatsiahivina ihany koa isika fa isika dia “zanaka lahy malalan’ Andriamanitra ary manana asa ho [antsika] Izy” 2 ary manampy Azy isika amin’ilay asany hoe “manatanteraka ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ny olona” (Mosesy 1:39).

Ny fisoronana no fahefana hanatanterahana ireo ôrdônansy sy fanekempihavanan’ny filazantsaran’ny Tompo ho an’ireo izay mendrika handray izany. Amin’ny alalan’ireo ôrdônansin’ny fisoronana sy fanekempihavanana masina ireo no tonga ny fitahiana feno entin’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy izay manampy antsika hahatratra ny anjarantsika araka an’ Andriamanitra.

I Joseph Smith dia zatovolahy iray izay natsoin’ Andriamanitra hamerina amin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ary ho amin’izany tanjona izany dia nomena ny fisoronana izy izay nampiasainy hitondrana fitahiana ho an’ny olombelona rehetra. Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135 dia mitanisa ny maro amin’ireo fitahiana nomen’i Joseph Smith ireo zatovo amin’izao fotoam-pitantanana izao. Mamaky isika hoe: “i Joseph Smith … dia nahavita mihoatra noho na iza na iza olombelona efa niaina teto, ankoatra an’ i Jesoa irery ihany, ho an’ny famonjena ny olona eo amin’ity izao tontolo izao ity. … Namoaka ny Bokin’i Môrmôna izy … ; nandefa ny fahafenoan’ny filazantsara maharitra mandrakizay … ho any amin’ny vazan-tany efatra; namoaka ireo fanambarana sy didy izay mandrafitra [ny] Fotopampianarana sy Fanekempihavanana … ; nampivondrona an’arivony maro tamin’ny Olomasin’ny Andro Farany, … ary namela laza sy anarana izay tsy hay vonoina.” (Fotopampianarana sy Fanekempihavana 135:3).

Mba hanompoana amin’ny fomba mahomby tahaka ny nataon’i Joseph dia tokony ho hita mendrika isika hampiasa ny herin’ny fisoronan’ny Tompo. Teo am-pandikana ny Bokin’i Môrmôna i Joseph sy i Oliver Cowdery dia naniry ny ho atao batisa, kanefa dia tsy nanana ny fahefana hanatanterahana izany izy ireo. Tamin’ny 15 mey 1829 dia nandohalika am-bavaka izy ireo ary nisehoan’i Jaona Mpanao Batisa izay nanome azy ireo ireo fanalahidy sy ny fahefan’ny Fisoronan’i Aharôna ary nilaza hoe “Ianareo ry mpiara-manompo amiko, amin’ny anaran’ny Mesia no tolorako ny Fisoronan’i Aharôna, izay mihazona ny fanalahidin’ny fanompoan’ny anjely sy ny filazantsaran’ny fibebahana ary an’ny batisa asitrika ho famelana ny fahotana” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 13).

Omena fahafahana isika hanompo tahaka ny anjely, sy hitory ny filazantsara any amin’ny kaontinanta rehetra eto an-tany ary hanampy olona hanatona an’i Kristy. Izany asa fanompoana izany dia mametraka antsika ho mpiray asa amin’i Jaona Mpanao Batisa, sy i Môrônia, sy i Joseph Smith sy ny Filoha Russell M. Nelson ary mpanompon’ny Tompo mazoto maro hafa.

Ny asa fanompoana ataontsika ao amin’ny fisoronany sy amin’ny alalan’ny fisoronany dia mampitambatra ireo izay manolon-tena hanaraka sy hiaina ny fampianaran’ny Tompo amin’ny antsipiriany izay fantatro manokana fa mety ho sarotra rehefa miatrika ireo fanambin’ny zatovo. Fa ny firaisana amin’ireo mpiara manompon’ny Tompo ireo amin’ny fanatanterahana ny asany dia hanampy hanamafy antsika hiatrika ireo fakam-panahy sy ireo fitak’ilay fahavalo. Afaka ny ho fanilo manazava ho an’ireo izay tsy matoky tena ianareo. Ny fahazavana ao anatinareo dia hamirapiratra tokoa ka ho voatahy noho ny fiarahana aminareo fotsiny ireo rehetra izay mifandray aminareo . Mety ho sarotra indraindray ny manaiky ny fanatrehan’ireo namantsika ara-panahy kanefa dia feno fankasitrahana aho noho ny fahafantarako fa mpikambana ao anatin’ny kôlejin’ny fisoronana mahatoky iray aho izay azoko iaraha-miasa mba hanatonako kokoa an’i Kristy.

Miaraka amin’ireo namana sy fianakaviantsika dia anisan’ny namantsika izay tsy mivadika sy azo ianteherana indrindra ny Fanahy Masina. Fa mba hahafahantsika manasa Azy hiaraka amintsika tsy tapaka dia tokony mametraka ny tenantsika amin’ny toe-javatra sy amin’ny toerana izay tiany hatrehana isika. Izany dia afaka manomboka ao an-tokantranontsika rehefa miezaka isika ny hahatonga izany ho toerana masina amin’ny alalan’ny fanaovan’ny mpianakavy fandalinana ny soratra masina sy ny fiaraha-mivavaka isan’andro, ary indrindra indrindra amin’ny alalan’ny fandalinan’ny tenantsika manokana ny soratra masina sy ny fanaovantsika vavaka samirery.

Sary
I Enzo sy ny anabaviny
Sary
I Enzo sy ny fianakaviany

Tany am-piandohan’ity taona ity aho dia nanana fahafahana nampientam-po kanefa nampanetri-tena, hanampy an’i Oceane zandriko vavy handroso eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana amin’ny fanekena ny fanasana ho atao batisa ka hahafeno ny iray amin’ireo fepetra takiana mba hidirana ny fanjakana selestialy. Nahemony iray volana ny batisany mandra-pahatongan’ny fotoana nanokanana ahy ho mpisorona, mba hanomezana voninahitra ahy hanatanteraka ilay ôrdônansy, raha nomena voninahitra koa ireo zandriko vavy hafa hiasa eo ambany fitarihan’ny fisoronana ka nanao vavolombelona. Raha nijoro teo amin’ny andaniny sy ny ankilan’ilay dobo izahay mianadahy ka niomana hiditra ny rano dia tsikaritro ny fientanam-pony izay nitovy tamin’ny zavatra tsapako. Ary nahatsapa ho iray fo taminy aho raha nahita fa nandray ilay fanapahan-kevitra tsara izy. Izany fahafahana hampiasa ny fisoronana izany dia nitaky ahy hitandrina kokoa sy ho hentitra kokoa ary tsy hiovaova eo amin’ny fiainako ny filazantsara. Mba hiomanana dia nandeha tany amin’ny tempoly isan’andro aho tamin’io herinandro io ary nanohana ahy ny reniko sy ny renibeko ary ny anabaviko hanatanteraka batisa ho an’ny maty.

Izany traikefa izany dia nampianatra ahy betsaka momba ny fisoronana sy ny fomba ahafahako mampiasa izany amim-pahamendrehana. Fantatro fa afaka mahatsapa ihany koa ireo zavatra tsapako ireo mpihazona fisoranana rehetra raha manaraka ny ohatr’i Nefia hoe “handeha ary hanao” (jereo ny 1 Nefia 3:7). Tsy afaka ny hipetra-potsiny isika ary hanantena ny Tompo hampiasa antsika amin’ny asany lehibe. Tsy tokony hiandry ireo izay mila ny fanampiantsika isika hitady antsika; andraikintsika amin’ny maha mpihazona ny fisoronana antsika ny manome ohatra ary mijoro ho vavolombelon’ Andriamanitra. Raha mandray fanapahan-kevitra izay manakana antsika amin’ny fivoarantsika mandrakizay isika dia tokony hiova dieny izao. I Satana dia hanao izay rehetra vitany hihazonana antsika ao anatin’ny toetra araka ny nofo tsy mikatsaka afa-tsy fahafinaretana tsotra. Kanefa fantatro fa raha manao ezaka isika ka mikaroka ireo izay afaka hanohana antsika ary mibebaka isan’andro dia hahatalanjona ireo fitahiana avy amin’izany ary hiova mandrakizay ny fiainantsika rehefa mibosesika mandroso amin’ny lalan’ny fanekempihavanana isika.

Fantatro fa ity no tena Fiangonana marin’i Jesoa Kristy, izay Mpamonjy antsika sy namindra ireo fanalahidin’ny fisoronana tamin’ireo Apôstôliny, izay mampiasa izany mba hitarihana antsika, indrindra amin’izao andro sarotra izao, sy hanomanana izao tontolo izao amin’ny fiverenany.

Fantatro fa i Joseph Smith no mpaminanin’ny Famerenana amin’ny laoniny, ary ny Filoha Nelson no mpaminanintsika velona amin’izao fotoana izao. Manasa antsika rehetra aho handalina ny fiainan’ireo mpihazona ny fisoronana lehibe ireo ary hikatsaka ny ho tsara kokoa isan’andro mba hahafahantsika ho vonona hihaona amin’ilay Mpahary antsika. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.