2020
Mandrosoa hatrany amim-pinoana
Mey 2020


Mandrosoa hatrany amim-pinoana

Mitsodrano anareo aho mba hanana fiadanana sy finoana tsy mitsaha-mitombo ao amin’ny Tompo.

Ry rahalahy sy anabavy malalako, eto am-pamaranantsika ity fihaonambe manan-tantara ity dia maneho ny fankasitrahantsika ny Tompo isika. Tena nahafinaritra ny hira ary nanentana ny fanahy ireo hafatra.

Nandritra ity fihaonambe ity isika dia niaina trangan-javatra maro manan-danja. Amin’izao fankalazana ny faha-roanjato taona izao dia nampahafantatra lahatsoratra fanambarana iray vaovao ho an’izao tontolo izao izahay, izay manambara ny fisian’ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny fahafenoany.

Nankalaza ny Famerenana amin’ny laoniny tamin’ny alalan’ny fihobiana Hosana isika.

Namoaka marim-pamantarana vaovao isika izay maneho ny finoantsika an’i Jesoa Kristy Tompo ary famantarana hita maso ny fampahalalana sy fitaovana ôfisialin’ny Fiangonana.

Nanao antso avo ny hanatanterahana andro fifadian-kanina sy vavaka maneran-tany amin’ny andro iray isika mba hahafahana mifehy ilay areti-mifindra amin’izao, mba hiarovana ireo izay misahana ny fitsaboana, mba hampatanjahana ny toe-karena, ary mba hiverenan’ny fiainana amin’ny laoniny. Izany fifadian-kanina izany dia hotanterahina ny Zoma masina, ny 10 aprily. Tena ho zoma masina tokoa io!

Paska amin’ny alahady ho avy izao, izay hahatsiarovantsika indray ny Sorompanavotana sy ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy Tompontsika tamin’ny maty. Noho ny Sorompanavotany dia ho tonga amin’ny olon-drehetra izay niaina teto an-tany ilay fanomezany fitsanganana amin’ny maty. Ary ilay fanomezany fiainana mandrakizay, dia ho azon’ireo rehetra izay mendrika izany amin’ny alalan’ny fahatokiany amin’ireo ôrdônansy sy fanekempihavanana atao any amin’ireo tempoliny masina.

Ireo votoatin-dresaka maro izay nitaona fanahy nandritra ity fihaonambe maneran-tany volana aprily 2020 ity, sy ny herinandro masina izay hatombotsika izao, dia azo fintinina amin’ny teny anankiroa izay nolazain’ Andriamanitra: “Henoy Izy.”1 Mivavaka izahay mba ho ny fifantohanareo amin’ny Ray any An-danitra, izay nilaza ireo teny ireo, sy amin’i Jesoa Kristy Zanany Malala, no ho tafapaka lalina ao an-tsainareo amin’ireo zavatra rehetra izay niseho teto. Mivavaka izahay mba hanavao ny fanoloran-tenanareo ianareo ka tena handre sy hihaino ny tenin’ny Mpamonjy.2 Mampanantena aho fa hihena ny tahotra ary hitombo ny finoana ho vokatr’izany.

Misaotra anareo noho ny fanirianareo hanao ny tokantranonareo ho toerana hanjakan’ny finoana, izay hitoeran’ny Fanahin’ny Tompo. Mbola hitohy hitahy ny fiainanareo ilay fandaharam-pianarana hianarana ny filazantsara Avia, hanaraka Ahy . Ny ezaka tsy tapaka ataonareo amin’io tanjona io, na dia mandritra ireo fotoana izay hahatsapanareo ho tsy mahomby aza, dia hanova ny fiainanareo sy ny an’ny fianakavianareo ary izao tontolo izao. Hahazo hery isika rehefa lasa mpanaradia mavitrika kokoa an’ny Tompo, hijoro sy hiteny ho Azy na aiza na aiza hisy antsika.

’Ndeha hiresaka momba ireo tempoly isika izao. Manana tempoly voatokana miisa 168 isika manerana izao tontolo izao. Ny sasany dia ao anatin’ny dingana samihafa amin’ny drafitr’asa sy fanamboarana. Rehefa misy drafitr’asa ambara mba hananganana tempoly vaovao dia lasa tafiditra ao amin’ny tantarantsika masina izany.

Mety ho hafahafa ny manambara tempoly vaovao kanefa ny tempoly rehetra dia nikatona efa elaela ihany izay.

Mihoatra ny zato taona lasa izay ny Filoha Wilford Woodruff dia nahita mialoha toe-javatra tahaka ny iainantsika ankehitriny, izay voarakitra ao amin’ny vavaka fanokanana nataony ho an’ny tempolin’i Salt Lake tamin’ny 1893. Mety nahita ny ampahan’izany vavaka mahatalanjona izany ny sasany aminareo teny amin’ny tambazotra ifaneraserana.

Henoy ireto fiangaviana avy amina mpaminany maherin’ Andriamanitra ireto: “Rehefa tsy hanana ny fahafahana hiditra ity trano masina ity ny vahoakanao … ary ampahoriana sy misedra olana, voahodidin’ny zava-tsarotra … ka mitodika amin’ity tranonao masina ity ary mangataka Aminao fanafahana, fanampiana, fiasan’ny herinao eo amin’izy ireo, dia mangataka Anao izahay mba hijery azy ireo avy amin’ny fitoeranao masina mba hihaino ny fitalahoan’izy ireo. Na raha toa ny zanaky ny vahoakanao, ao anatin’ireo taona ho avy, ka tafasaraka amin’ity toerana ity noho ny antony maro, … ka mitalaho Aminao izy ireo avy ao amin’ny fahoriana sy alahelo lalina misy azy ireo mba hahazo fanampiana sy fanafahana, dia miangavy Anao am-panetrentena izahay … mba hihaino ny fitalahoan’izy ireo, ary hanome azy ireo ny fitahiana izay angatahiny.”3

Ry rahalahy sy anabavy, mandritra ireo fotoana mampahory antsika rehefa mihidy ny tempoly dia mbola afaka mampiasa ny herin’ireo fanekempihavanana sy fanafiana masina nataonao tany amin’ny tempoly ianao rehefa manaja ny fanekempihavanana nataonao. Ampiasao izao fotoana mampihidy ny tempoly izao mba hananana fiainana mendrika ny tempoly na lasa mendrika ny tempoly.

Miresaha momba ny tempoly amin’ny fianakavianao sy ny namanao. Satria i Jesoa Kristy no ivon’ny zavatra rehetra ataontsika any amin’ny tempoly dia rehefa mieritreritra bebe kokoa momba ny tempoly ianao dia hieritreritra bebe kokoa momba Azy. Mandalìna ary mivavaha mba hianatra bebe kokoa momba ny hery sy ny fahalalana izay nanaovana fanafiana masina anao, na izay hanaovana fanafiana masina anao amin’ny ho avy.

Ankehitriny dia mahafaly anay ny manambara drafitra mba hananganana tempoly valo vaovao any amin’ireto toerana manaraka ireto: Bahía Blanca, Argentine; Tallahassee, Floride; Lubumbashi, Repoblika Demokratikan’i Congo; Pittsburgh, Pennsylvanie; Benin City, Nigéria; Syracuse, Utah; Dubaï, Émirats Arabes Unis; ary Shanghai, Repoblika Entim-bahoakan’i Sina.

Ireo mpahay maritranon’ny Fiangonana dia hiara-hiasa amin’ireo manam-pahefana any an-toerana any amin’ireo toerana valo rehetra ireo mba hampifanaraka ny tempoly amin’ny fiarahamonina tsirairay ary hampitombo hatsarana azy ireo.

Ny drafitra hanorenana tempoly any Dubaï dia valin’ny fangatahana feno hatsaram-panahy nataon’izy ireo izay ekentsika amim-pankasitrahana.

Manan-danja be ny tantara manodidina ny drafitra hanorenana tempoly any Shanghai. Nandritra ny roapolo taona mahery ireo mpikambana mendrika ny hiditra any amin’ny tempoly ao amin’ny Repoblika Entim-bahoakan’i Sina no nandeha tany amin’ny Tempolin’i Hong Kong, Chine. Saingy tamin’ny jolay 2019 dia nakatona izany tempoly izany mba hanatontosana fanavaozana nilaina mafy izay efa nomanina hatry ny ela.

Misy toerana tsotsotra iray natao ho an’ny fivoriana samihafa ao Shanghai izay hanome fahafahana ireo mpikambana Sinoa hanohy handray anjara amin’ireo ôrdônansin’ny tempoly ho azy ireo sy ho an’ny razamben’izy ireo, ao amin’ny Repoblika Entim-bahoakan’i Sina.4

Any amin’ny firenena rehetra ity Fiangonana ity dia mampianatra ireo mpikambana ao aminy mba hanaja, sy hankatò, ary hanohana ny lalàna.5 Mampianatra ny maha-zava-dehibe ny fianakaviana, ny maha-ray aman-dreny tsara, ary ny maha-olom-pirenena fakan-tahaka isika. Noho ny fanajantsika ireo lalàna sy fepetra misy ao amin’ny Repoblika Entim-bahoakan’i Sina, ny Fiangonana dia tsy mandefa misiônera mitory filazantsara any; ary tsy hanao izany isika izao.

Hanohy ny fanaovana fivoriana misaraka amin’ireo vahiny mpilaravinahitra ireo mpiangona Sinoa. Ny sata ara-panjakan’ny Fiangonana any dia tsy miova. Ao anatin’ny dingana voalohany amin’ny fampiasana ilay toerana dia tsy maintsy amin’ny alalan’ny famandriham-potoana ihany no ahafahana miditra izany. Ny tranon’ny Tompo ao Shanghai dia tsy toerana hotsidihana ho an’ireo mpizaha tany avy amin’ny firenen-kafa.

Ireo tempoly vaovao valo ireo dia hitahy ny fiainan’ny olona maro eo amin’ny lafiny roa amin’ny voalin’ny fahafatesana. Ny tempoly dia ampahany mampiavaka ny Famerenana amin’ny laoniny ny fahafenoan’ny filazantsaran’i Jesosy Kristy. Noho ny hatsaram-panahy sy ny famindram-pon’ Andriamanitra dia mampanatona ireo fitahian’ny tempoly ho akaiky kokoa an’ireo zanany Izy na aiza na aiza misy azy ireo.

Satria mbola mitohy ny Famerenana amin’ny laoniny dia fantatro fa mbola hanohy hanambara zavatra lehibe sy manan-danja maro mikasika ny fanjakany eto an-tany Andriamanitra.6 Izany fanjakana izany dia Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany.

Ry rahalahy sy anabavy isany, maneho ny fitiavako anareo aho. Mandritra izao fotoana henjana sy mahabe fisalasalana izao, ary amin’ny alalan’ny fahefana izay nomena ahy dia te hanome tsodranon’ny apôstôly ho anareo aho.

Mitsodrano anareo aho mba hanana fiadanana sy finoana tsy mitsaha-mitombo ny Tompo.7

Mitsodrano anareo aho mba hanana faniriana hibebaka ary ho lasa tahaka Azy kokoa isan’andro isan’andro.8

Mitsodrano anareo aho mba hahafantatra fa ny Mpaminany Joseph Smith no mpaminanin’ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny fahafenoany.

Raha misy marary eo anivonareo na ny olona tianareo dia apetrako ny tsodrano fanasitranana, izay mifanaraka amin’ny sitrapon’ny Tompo.

Izany no tsodrano apetrako aminareo, sady ampiako ny fanehoako ny fitiavako anareo tsirairay avy, amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.