2020
Avia dia miombòna
Mey 2020


Avia dia miombòna

Manasa ny zanak’ Andriamanitra rehetra manerana izao tontolo izao izahay mba hiaraka aminay amin’ity asa lehibe ity.

Ry rahalahiko sy anabaviko malala, ry namako malala, isan-kerinandro, ny mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany manerana izao tontolo izao dia mitsaoka ny Raintsika any An-danitra malalantsika, ilay Andriamanitra sy Mpanjakan’izao rehetra izao, ary ny Zanaka Malalany, Jesoa Kristy. Saintsainintsika ny fiainan’i Jesoa Kristy sy ireo fampianarany; Izy ilay hany olona tsy nanam-pahotana izay niaina hatrizay, ilay Zanakondrin’ Andriamanitra tsy misy pentina. Mandray ny fanasan’ny Tompo matetika araka izay tratrantsika isika ho fahatsiarovana ny sorona nataony sy hanekena fa Izy no ivon’ny fiainantsika.

Tiantsika sy hajaintsika Izy. Noho ny fitiavany lalina sy mandrakizay dia nijaly sy maty ho ahy sy ho anao i Jesoa Kristy. Nanokatra ireo vavahadin’ny fahafatesana Izy, nandrava ireo sakana izay manasaraka ireo mpinamana sy ireo olon-tiana,1 ary nitondra fanantenana ho an’ireo tsy manam-panantenana, sy fanasitranana ho an’ny marary, ary fanafahana ho an’ny babo.2

Atolotsika azy ny fontsika, ny fiainantsika, ary ny fanolorantenantsika isan’andro. Noho izany antony izany dia “miresaka an’i Kristy isika, mifaly amin’i Kristy, … mba hahafantaran’ny zanatsika ny loharano azony andrandraina ho famelana ny fahotany.”3

Mampihatra ny maha-mpianatra

Ny hoe mpianatr’i Jesoa Kristy anefa dia mihoatra lavitra noho ny miresaka sy mitory an’i Kristy. Ny Mpamonjy mihitsy no namerina tamin’ny laoniny ny Fiangonany mba hanampiana antsika eo amin’ny lalana mba hitoviana kokoa Aminy. Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia voarafitra mba hahafahana manolotra fahafahana mampihatra ireo fototry ny maha-mpianatra. Mianatra mamantatra ny bitsiky ny Fanahy Masina isika ary manao asa araka izany amin’ny alalan’ny fandraisantsika anjara ao am-piangonana. Lasa mihazatra isika manolo-tanana amim-pangorahana sy amin-katsaram-panahy amin’ny hafa.

Ezaka atao mandritra ny androm-piainana izany ary mitaky fanazaran-tena.

Ireo atleta mahay indrindra dia mandany ora tsy tambo isaina hizàrana amin’ireo fototry ny taranjam-panatanjahan-tena ataon’izy ireo. Ireo mpitsabo mpanampy, ireo mpikirakira internet, ireo ingénieurs nucléaires, ary na izaho izay mpankafy mahandro tia mifaninana ao amin’ny lakozian’i Harriet aza dia tsy lasa mahavita azy sy manan-talenta raha tsy manao fanazaran-tena amim-pahazotoana sy mahomby momba izay mahaliana antsika.

Tamin’izaho kapiteny mpanamory fiaramanidina dia matetika aho no nanofana mpanamory ka nampiasa simulateur de vol (fanamoriana an-kandasitra): milina iray avo lenta izay maka tahaka ny zavatra iainana eny am-panidinana. Ilay simulateur dia tsy hoe manampy fotsiny ireo mpanamory hianatra ireo fototra amin’ny fanamoriana; fa ahafahan’izy ireo ihany koa miaina sy mandray andraikitra amin’ireo tranga tsy ampoizina mety hatrehan’izy ireo rehefa manamory fiaramanidina tena izy.

Mihatra ihany koa ireo fitsipika ireo ho an’ireo mpianatr’i Jesoa Kristy.

Ny fandraisana anjara mavitrika ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy sy ireo fahafahana maro karazana hanaovana zavatra hita ao dia hanampy antsika ho vonona kokoa amin’ireo tranga miovaovan’ny fiainana, na inona na inona izany ary na manao ahoana na manao ahoana ny halehiben’izany. Amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana antsika dia amporisihana isika hiroboka ao amin’ny tenin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ireo mpaminaniny, fahiny sy ankehitriny. Mianatra mamantatra ny feon’ny Fanahy Masina isika amin’ny alalan’ny vavaka amin-kitsim-po sy am-panetrentena ataontsika amin’ny Ray any An-danitra. Ekentsika ireo antso hanompo, hampianatra, ary hanao drafitra sy hitantana. Ireny fahafahana ireny dia ahafahantsika mitombo ara-panahy, sy ara-tsaina ary ara-toetra.

Hanampy antsika izy ireny hiomana hanao sy hitandrina fanekempihavanana masina izay hitahy antsika eto amin’ity fiainana ity sy amin’ny fiainan-ko avy.

Andao Hiaraka Aminay!

Manasa ny zanak’ Andriamanitra rehetra manerana izao tontolo izao izahay mba hiaraka aminay amin’ity asa lehibe ity. Avia dia ho hitanareo! Na dia mandritra izao fotoan-tsarotra misy ny COVID-19 izao aza, dia andao hihaona aminay en ligne. Mihaonà en ligne amin’ireo misiôneranay. Fantaro mivantana izay rehetra momba an’ity Fiangonana ity! Rehefa lasa ity fotoan-tsarotra ity dia mihaonà aminay any an-tokantranonay sy any amin’ireo toeram-pivavahanay!

Manasa anareo izahay hanatona ka hanampy! Avia hiara-hanompo aminay, hanompo ireo zanak’ Andriamanitra, hanaraka ny dian’ny Mpamonjy, ary hanova ity izao tontolo izao ity ho lasa toerana tsara kokoa.

Avia dia miombòna! Hampatanjaka kokoa anay ianareo. Ary ho lasa tsara kokoa ianareo, tsara fanahy kokoa, ary koa faly kokoa. Ho lalim-paka sy hitombo hery kokoa ny finoanareo: afaka mahatanty kokoa ireo korontana sy fisedrana tsy ampoizina eo amin’ny fiainana.

Dia ahoana ary no fomba hanombohantsika izany? Misy fomba maro be azo atao.

Manasa anareo izahay hamaky ny Bokin’i Môrmôna. Raha toa ka tsy manana ianareo dia azonareo atao ny mamaky izany ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org4 na sintony ny application Livre de Mormon. Ny Bokin’i Môrmôna dia testamenta iray hafa momba an’i Jesoa Kristy ary naman’ny Testamenta Taloha sy Vaovao. Tianay avokoa ireo soratra masina rehetra ireo ary mianatra avy amin’ireo izahay.

Manasa anareo izahay hanokana fotoana kely ao amin’ny ComeuntoChrist.org hahitana izay ampianarin’ireo mpikamban’ny Fiangonana sy izay inoany.

Asao ireo misiônera hifampitafa aminareo en ligne na ao anatin’ny rindrin’ny tokantranonareo raha azo atao izany. Manana hafatra mitondra fanantenana sy fanasitranana ho anareo izy ireo. Zanakalahy sy zanakavavy sarobidinay ireo misiônera ireo izay manompo any amin’ny toerana maro manerana izao tontolo izao ka ny fotoany sy ny volany no ampiasain’izy ireo amin’izany.

Ho hitanareo ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ny fianakaviana iray ahitana olona tsy dia samy hafa aminareo loatra. Hahita olona izay mila ny fanampianareo ianareo sy izay te hanampy anareo eo am-piezahanareo ny ho tonga ilay tsara indrindra azonareo ahatongavana, dia ilay olona noharian’ Andriamanitra ka tiany hahatongavanareo.

Mivelatra amin’ny rehetra ny sandrim-pitiavan’ny Mpamonjy

Mety mieritreritra ianareo hoe: “Nanao fahadisoana aho teo amin’ny fiainako. Tsy azoko antoka raha toa ka mbola hahatsapa ho miombona ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy aho. Tsy ho liana amin’ny olona toa ahy Andriamanitra.”

I Jesoa ilay Kristy, na dia Izy aza no ilay “Mpanjakan’ny mpanjaka,”5 ilay Mesia, “ilay Zanakalahin’ Andriamanitra velona,”6 dia tena miahiahy lalina momba ny tsirairay amin’ireo zanak’ Andriamanitra rehetra. Miahiahy Izy na manao ahoana na manao ahoana toeran’ny olona iray, na mahantra na manan-karena toy ny ahoana, na tsy tonga lafatra na efa voasedra toy ny ahoana ny olona iray. Nandritra ny fiainany teto an-tany, dia nanompo ny rehetra ny Mpamonjy: ireo faly sy nahomby, ireo trotraka sy very, ary ireo izay tsy nanam-panantenana. Matetika ny olona notompoiny no tsy olona fanta-daza, na tsara tarehy, na mpanan-karena. Matetika ny olona nampahereziny no zara raha nanan-kavaly ankoatra ny fankasitrahana, sy fo mietry, ary faniriana hanana finoana.

Raha toa i Jesoa nandany ny fiainany tety an-tany tamin’ny fanompoana ireo “madinika indrindra amin’izy ireo,”7 tsy ho tia azy ireo ve Izy ankehitriny? Moa ve tsy hisy toerana ho an’ny zanak’ Andriamanitra rehetra ao amin’ny Fiangonany? Eny fa na dia ho an’ireo izay mahatsapa ho tsy mendrika, na hadino, na irery?

Tsy misy fetrana fahalavorariana tsy maintsy tratrarinao mba ho mendrika ny famindram-pon’ Andriamanitra. Tsy voatery atao amin’ny feo mafy na amin’ny teny tsara lahatra na manaraka fitsipi-pitenenanana tsara ireo vavaka ataonao vao ho tody any an-danitra.

Raha ny marina dia tsy manao tombo sy hala Andriamanitra8. Tsy midika na inona na inona Aminy ireo zavatra omen’izao tontolo izao lanja. Fantany ny fonareo, ary tiany ianareo na manao ahoana fiantsoana anareo, na toe-bolanareo, na ny isan’ny mpanaraka anareo amin’ny Instagram.

Rehefa atongilantsika amin’ny Ray any An-danitra ny fontsika ka manakaiky Azy isika dia hahatsapa Azy manakaiky antsika.9

Zanaka malalany isika.

Na ireo izay mandà Azy aza.

Eny na ireo izay, toy ny zanaka mafy loha sy tsy voafehy aza, ka lasa tezitra amin’ Andriamanitra sy ny Fiangonany, nangorona ny entany, ka nanakarapoka varavarana nilaza fa hitsoaka ka tsy hiverina intsony.

Rehefa misy zanaka mitsoaka ny tokantrano dia mety tsy ho tsikariny ireo ray aman-dreny mitaintaina mitazana eo am-baravarankely. Amin’ny fo malahelo no hitazanan’izy ireo ny zanany lasa, manantena fa hianatra zavatra avy amin’io traikefa mandrotika fo io ilay zanany sarobidy ka angamba hahita ny fiainana amin’ny fijery vaovao, ary hiverina hody any aoriana.

Toy izany koa ny miaraka amin’ny Raintsika any An-danitra be fitiavana. Miandry ny fiverenantsika Izy.

Miandry anareo hiverina ny Mpamonjy anareo, ny maso manganohano noho ny ranomasom-pitiavana sy ny fangorahana. Na dia rehefa mahatsapa ho lavitra an’ Andriamanitra aza ianareo dia hahita anareo Izy. Hanana famindram-po ho anareo Izy ary hihazakazaka hamihina anareo.10

Avia dia miombòna.

Mamela antsika hianatra avy amin’ny fahadisoantsika Andriamanitra

Isika dia mpivahiny mandeha eo amin’ny lalan’ny fiainana an-tany mitady fatratra ny antony sy ilay tena fahamarinana. Matetika dia ny lalana eo anoloana mivantana no hany tazantsika, tsy afaka mahita izay hitondran’ireo fiolahana eo amin’ilay lalana. Tsy nanome antsika ny valinteny rehetra ny Raintsika any An-danitra be fitia. Manantena antsika Izy hamantatra zavatra maro amin’ny herin’ny tenantsika ihany. Manantena antsika Izy hino, na dia sarotra aza izany.

Manantena antsika Izy hampahitsy ny sorotsika ka handray fanapahan-kevitra kely, tanjaka kely iray, ary hamindra indray mandingana mankany aloha.

Izany no fomba hianarantsika sy hitomboantsika.

Moa ve tena tianareo hotononina amin’ny antsipiriany ny zava-drehetra? Moa ve tena tianareo ho voavaly ny fanontaniana rehetra? Ka voasoritra avokoa ny toerana rehetra tiana hahatongavana?

Mino aho fa ny ankamaroantsika dia ho reraka vetivety amin’izany karazana fitantanana amin’ny antsipiriany avy any an-danitra izany. Mianatra ireo lesona manan-danjan’ny fiainana isika amin’ny alalan’ny zavatra iainana. Amin’ny alalan’ny fianarana avy amin’ireo fahadisoana ataontsika. Amin’ny alalan’ny fibebahana sy fahatakarana manokana fa “ny faharatsiana dia tsy fahasambarana na oviana na oviana.”11

I Jesoa Kristy, ilay Zanak’ Andriamanitra, dia maty mba tsy hanameloka antsika sy hampiato mandrakizay ny fivoarantsika ireo fahadisoantsika. Noho Izy dia afaka mibebaka isika, ary ireo fahadisoantsika dia afaka ny ho tonga tohatra fiakarana ho amin’ny voninahitra lehibe kokoa.

Tsy voatery mandeha irery amin’io lalana io ianao. Tsy navelan’ny Raintsika any An-danitra hirenireny ao anaty haizina isika.

Izany no antony nisehoany niaraka tamin’ny Zanany Lahy, Jesoa Kristy, tamin’ny lohataonan’ny 1820, tamin’ny zatovolahy iray, dia i Joseph Smith.

Eritrereto vetivety ange izany e! Niseho tamin’ny olombelona ilay Andriamanitr’izao rehetra izao!

Io no voalohany tamin’ireo fihaonana maro nananan’i Joseph tamin’ Andriamanitra sy ireo olon’ny lanitra hafa. Maro tamin’ireo teny nambaran’ireo olona avy any an-danitra ireo no voarakitra ao amin’ireo soratra masin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Mora hita ireo. Na iza na iza dia afaka mamaky izany sy mianatra manokana ilay hafatr’ Andriamanitra amintsika amin’izao androntsika izao.

Manasa anareo izahay mba handalina azy ireny manokana!

Mbola somary tanora i Joseph Smith rehefa nandray ireo fanambarana ireo. Tonga talohan’ny faha-30 taonany ny ankamaroan’izy ireo.12 Tsy nanan-traikefa izy, ary ho an’ny olona sasany, dia toa tsy mendrika ny ho mpaminanin’ny Tompo izy.

Nantsoin’ny Tompo anefa izy tamin’ny alalan’ny fanarahana ny lamina hitantsika manerana ny soratra masina.

Tsy niandry hahita olona tonga lafatra Andriamanitra hamerina amin’ny laoniny ny filazantsarany.

Raha izany no nataony dia ho mbola niandry Izy hatramin’izao.

Misy hitoviana betsaka aminareo sy amiko i Joseph. Na dia nanao fahadisoana aza i Joseph dia nampiasa azy Andriamanitra mba hanatanterahana ireo tanjony lehibe.

Naverimberin’ny Filoha Thomas S. Monson matetika ireto teny mifono torohevitra ireto: “Izay antsoin’ Andriamanitra dia ataony mahavita izany.”13

Nampisaina an’ireo Olomasina tao Korinto ny Apôstôly Paoly nanao hoe: “Fa hevero ny fiantsoana anareo, ry rahalahy, fa tsy firy no olon-kendry araka ny nofo, tsy firy no olona mahery, tsy firy no avo razana.”14

Mampiasa ny malemy sy ny tsotra ny Tompo hanatanterahana ireo tanjony. Mijoro ho vavolombelona io fahamarinana io fa ny herin’ Andriamanitra, fa tsy ny an’ny olombelona, no manatanteraka ny asany eto ambonin’ny tany.15

Henoy Izy, araho Izy

Rehefa niseho tamin’i Joseph Smith Andriamanitra dia nampahafantatra ny Zanany, i Jesoa Kristy, Izy ka nilaza hoe: “Henoy Izy!”16

Nandany ny androm-piainany sisa i Joseph nihainoana Azy sy nanarahana Azy.

Mitovy amin’i Joseph, ny maha-mpianatra antsika dia miantomboka amin’ny fanapahan-kevitsika hihaino sy hanaraka ny Mpamonjy Jesoa Kristy.

Raha toa ka maniry ny hanaraka Azy ianareo dia angony ny finoanareo ka raiso ny hazofijaliany.

Ho hitanareo fa ianareo dia tena miombona ao amin’ny Fiangonany, izay toerana ahitana hafanana sy fandraisana tsara izay ahafahanareo mirotsaka amin’ny fikatsahana ny maha-mpianatra sy ny fahasambarana.

Fanantenako ny hoe, amin’ity fankalazana ny faha-roanjato taonan’ny Fahitana Voalohany ity, rehefa mandinika sy mianatra momba ny Famerenana amin’ny laoniny ny Fiangonan’i Jesoa Kristy isika, dia ho fantatsika fa izany dia tsy tranga iray teo amin’ny tantara fotsiny. Ianareo sy izaho dia ampahany manan-danja eo amin’ity tantara lehibe mitohy ity.

Inona ary izany no anjaranareo sy anjarako?

Ny mianatra amin’i Jesoa Kristy. Ny mandalina ny Teniny. Ny mihaino Azy sy manaraka Azy amin’ny alalan’ny fandraisana anjara mavitrika amin’ity asa lehibe ity. Manasa anareo aho mba ho tonga ka iombona!

Tsy voatery ho tonga lafatra akory ianareo. Ny hany ilainareo dia ny faniriana hampitombo ny finoanareo sy hanakaiky Azy kokoa isan’andro.

Ny anjarantsika dia ny mitia sy manompo an’ Andriamanitra ary manompo ireo zanak’ Andriamanitra.

Rehefa manao izany ianareo dia hodidinin’ Andriamanitra amin’ny fitiavany, sy fifaliany, ary fitarihana sasany mandritra ity fiainana ity, eny na eo ambanin’ireo toe-java-mitranga tena sarotra indrindra aza, ary mihoatra izany.

Izany no ijoroako ho vavolombelona, ary avelako aminareo ny fankasitrahako lalina sy ny fitiavako anareo tsirairay, amin’ny anarana masin’ilay Mpamonjy sy Mpampianatra antsika, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.