2020
Manokatra ny Lanitra mba hahazoana fanampiana
Mey 2020


Manokatra ny Lanitra mba hahazoana fanampiana

Fa aoka kosa hampihatra ny finoantsika ny Tompo Jesoa Kristy isika!

Tena miavaka sy mahafinaritra tokoa ity fivoriana ity! Misaotra anareo ry Laudy sy Enzo malala. Ianareo dia nisolo tena tsara mihitsy ireo zatovovavy sy zatovolahin’ny Fiangonana izay tena mahatalanjona.

Ry rahalahy sy anabavy malalako, nahare betsaka momba ny Famerenana amin’ny laoniny ny Fiangonana isika androany—dia ilay Fiangonana natsangan’ny Mpamonjy Jesoa Kristy tamin’ Izy nanompo tety an-tany mihitsy izany. Izany Famerenana amin’ny laoniny izany dia nanomboka 200 taona katroka amin’ity lohataona ity raha niseho tamin’ilay zatovo Joseph Smith Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy Zanany.

Folo taona taorian’io fahitana miavaka io dia nantsoina ny Mpaminany Joseph Smith sy olona dimy hafa ho mpikambana mpanorina ny Fiangonan’ny Tompo naverina tamin’ny laoniny.

Avy amin’io andian’olona vitsy nivory tamin’ny 6 aprily 1830 io no niavian’ny fikambanana maneran-tany izay misy mpikambana mihoatra ny 16 tapitrisa. Ny soa vitan’ity Fiangonana ity manerana izao tontolo izao mba hampihenana ny fijalian’ny zanak’olombelona ary hanomezana fankaherezana dia tsy zoviana amin’ny maro. Saingy ny tanjony manan-danja indrindra dia ny hanampy ireo lehilahy sy vehivavy ary ankizy hanaraka ny Tompo Jesoa Kristy, sy hitandrina ny didiny, ary ho mendrika hahazo ny lehibe indrindra amin’ireo fitahiana rehetra, dia ny fiainana mandrakizay miaraka amin’ Andriamanitra sy ireo olon-tiana.1

Eto am-pankalazantsika ilay zava-nitranga izay nanomboka tamin’ny 1820, dia zava-dehibe ny mahatsiaro fa na dia manaja an’i Joseph Smith ho mpaminan’ Andriamanitra aza isika dia tsy fiangonan’i Joseph Smith ity, ary tsy fiangonan’i Môrmôna. Ity no Fiangonan’i Jesoa Kristy. Izy no nandidy ny tokony hiantsoana ny Fiangonany: “Satria izany no hiantsoana ny fiangonako amin’ny andro farany, dia ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany.”2

Efa niresaka mikasika ny ilana fanitsiana ny fomba hiantsoana ny anaran’ny Fiangonana aho tany aloha.3 Nanomboka tamin’izay dia betsaka no efa natao mba hanatanterahana izany fanitsiana izany. Tena feno fankasitrahana aho noho ny Filoha M. Russell Ballard sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo manontolo, izay nahavita betsaka tokoa hitarihana ireo ezaka ireo ary koa ireo ezaka mifandray amin’ilay zavatra iray hafa izay ho ambarako anio hariva.

Ankehitriny ireo mpitarika sy departemantan’ny Fiangonana, sy ireo rantsa-mangaika, ary mpikambana an-tapitrisany—sy ny olona hafa koa—dia mampiasa ny anarana marin’ny Fiangonana. Nasiam-panitsiana ny torolalana ôfisialy ilazana ny Fiangonana. Ny tranonkala voalohan’ny Fiangonana amin’izao dia ny ChurchofJesusChrist.org. Nohavaozina ireo adiresy mailaka, sy anarana tranonkala, ary fantsom-pifandraisana ao amin’ireo tambazotran-tserasera. Ny amboaram-peo malalantsika amin’izao dia “Ny Amboaram-peon’ny Tabernakely avy eto Temple Square.”

Nanatontosa ireo ezaka goavana ireo isika satria rehefa manaisotra ny anaran’ny Tompo amin’ny anaran’ny Fiangonany isika, dia manaisotra Azy tsy nahy amin’ny ivon’ny fifantohan’ny fitsaohantsika sy ny fiainantsika. Rehefa mandray ny anaran’ny Mpamonjy eo amintsika amin’ny alalan’ny batisa isika dia manolo-tena ny ho vavolombelona, amin’ny alalan’ny tenintsika, sy ny eritreritsika, ary ny zavatra ataontsika fa i Jesoa no Kristy.4

Tany aloha aho dia nampanantena anareo fa raha toa isika “[m]anao ny tsara indrindra vitantsika mba hamerina amin’ny laoniny ny anarana marin’ny Fiangonan’ny Tompo”, dia “handrotsaka ny heriny sy ireo fitahiany amin’ny lohan’ireo Olomasin’ny Andro Farany toy izay mbola tsy fahitantsika” Izy.5 Mbola manavao izany fampanantenana izany aho anio.

Mba hanampiana antsika hahatsiaro Azy sy hamantarana Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ho ilay Fiangonan’ny Tompo, dia mahafaly anay ny mampahafantatra marika famantarana iray izay haneho ny toeran’ i Jesoa Kristy amin’ny maha ivon’ny Fiangonany Azy.

Io marika famantarana io dia ahitana ny anaran’ny Fiangonana voarakitra ao anaty vato fehizoro. I Jesoa Kristy no fehizoro indrindra.6

Sary
Endrin-teny sy vato fehizoro

Eo afovoan’ilay marika famantarana dia misy fanehoana an’ilay sarivongana vita amin’ny marbra hoe Christus izay nataon’i Thorvaldsen. Izy io dia maneho ilay Tompo velona efa nitsangana tamin’ny maty maninjitra ny tanany mba handray ireo rehetra izay hanatona Azy.

Sary ohatra maneho izany fa mijoro eo ambanin’ny andohalambo i Jesoa Kristy. Ny andohalambo dia mampahatsiahy antsika ny fivoahan’ilay Mpamonjy nitsangana tamin’ny maty avy tao am-pasana tamin’ny andro fahatelo taorian’ny Nanomboana Azy teo amin’ny hazofijaliana.

Sary
Marika famantarana vaovaon’ny Fiangonana

Ity marika famantarana ity dia tsy tokony ho zava-baovao amin’ny maro, satria efa ela isika no nampifandray ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny tamin’ilay Kristy velona efa nitsangana tamin’ny maty.

Manomboka izao ity marika famantarana ity dia ho ampiasaina ho famantarana hita maso amin’ireo boky, sy vaovao, ary hetsika ôfisialin’ny Fiangonana.7 Hampahatsiahy ny rehetra izany fa Fiangonan’ny Mpamonjy ity ary ny zavatra rehetra ataontsika amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonany antsika dia mifantoka amin’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany.

Ankehitriny ry rahalahiko sy anabaviko malala, Alahadin’ny Sampan-drofia rahampitso, araka ny nampianaran’ny Loholona Gong izany tamin’ny fomba mazava tokoa. Avy eo isika dia miditra amin’ilay herinandro miavaka izay ny Paska no faratampony. Amin’ny maha-mpanara-dia an’i Jesoa Kristy antsika, miaina amin’ny andro izay ikorontanan’izao tontolo izao noho ny valan’aretina COVID-19, dia aoka isika tsy hiresaka momba an’i Kristy fotsiny na hitory an’i Kristy fotsiny na hampiasa marika famantarana maneho an’i Kristy fotsiny.

Fa aoka kosa hampihatra ny finoantsika ny Tompo Jesoa Kristy!

Araka ny fantatrareo dia mitandrina ny lalàn’ny fifadian-kanina indray mandeha isam-bolana ny mpikamban’ny Fiangonana.

Efa nisy hatry ny ela ny fotopampianaran’ny fifadian-kanina. Niaina izany ireo maherifo ao amin’ny Baiboly tany am-boalohany tany. I Mosesy, i Davida, i Ezra, i Nehemia, i Estera, i Isaia, i Daniela, i Joela, ary ny maro hafa dia nifady hanina na nitory ny fifadian-kanina.8 Nilaza ny Tompo tamin’ny alalan’ny zavatra nosoratan’i Isaia hoe: “ Tsy izao va no fifadiana izay ankasitrahako: Dia ny hamaha ny famatoran’ny faharatsiana, sy hanaboraka ny fehin’ny zioga, sy handefa ny ampahoriana ho afaka?”9

Nananatra ireo Olomasina tao Korinto ny Apôstôly Paoly ny “ifanekenareo [ny] andro hivavahana [sy hifadiana hanina].”10 Ny Mpamonjy mihitsy no nilaza fa misy zavatra sasany “tsy mivoaka raha tsy avoaka amin’ny fivavahana sy ny fifadian-kanina.”11

Nilaza aho vao tsy ela izay tao amin’ny horonan-tsary iray tao amin’ny tambazotra ifaneraserana hoe “amin’ny maha-mpitsabo sy mpandidy ahy, dia hajaiko fatratra ireo matihanina amin’ny fitsaboana sy ireo mpahay siansa ary ireo rehetra izay miasa tsy ankiato mba hampihenana ny fihanaky ny COVID-19.”12

Ankehitriny kosa amin’ny maha-Filohan’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany sy Apôstôlin’i Jesoa Kristy ahy dia fantatro fa Andriamanitra dia “[manana] ny hery rehetra, ny fahendrena rehetra ary ny fahazavan-tsaina rehetra; azony ny zava-drehetra, ary feno famindram-po Izy, eny ho famonjena ireo izay te hibebaka sy hino ny anarany.”13

Noho izany, mandritra ny fotoan’ny hakiviana lalina, toy ny rehefa mihanaka maneran-tany ny valan’aretina, dia ny zavatra tokony handeha ho azy indrindra ho antsika dia ny miantso ny Raintsika any An-danitra sy ny Zanany—ilay Tompo Mpanasitrana—mba hampiseho ny herin’ Izy ireo mahatalanjona hitahiana ny vahoakan’ny tany.

Tao amin’ny hafatro tamin’ny alalan’ny horonan-tsary dia nanasa ny rehetra aho hiombona amin’ny fifadian-kanina tamin’ny alahady 29 martsa 2020. Maro taminareo no mety nahita ilay horonan-tsary ary niombona tao amin’ny fifadian-kanina. Mety tsy nanao izany ny sasany. Amin’izao isika dia mbola mila ny fanampian’ny lanitra.

Koa anio alina ry rahalahy sy anabavy, ao anatin’ny fanahin’ireo zanakalahin’i Môzià, izay nanokan-tena ho amin’ny fivavahana sy ny fifadian-kanina fatratra,14 ary ao anatin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2020 tanterahantsika, dia manao antso avo ny hanaovana fifadian-kanina maneran-tany iray hafa indray aho. Ho an’ireo rehetra izay mamela ny hanaovana izany ny fahasalamany, dia aoka isika hifady hanina, sy hivavaka, ary hampiray ny finoantsika indray. Aoka isika hitalaho amim-bavaka mba hahazoana fitsaharana amin’izao valan’areti-mifindra maneran-tany izao.

Manasa ny rehetra aho, isan’izany ireo izay tsy mitovy finoana amintsika, hifady hanina sy hivavaka amin’ny Zoma Masina faha-10 aprily ny mba hahafahana mifehy ilay areti-mifindra amin’izao, ny mba hiarovana ireo izay misahana ny fitsaboana, ny mba hampatanjahana ny toe-karena, ary ny mba hiverenan’ny fiainana amin’ny laoniny.

Ahoana no fomba hifadiana hanina? Sakafo in-droa misesy na mandritra ny 24 ora no mahazatra. Saingy ianao no misafidy izay azo faritana hoe fahafoizan-tena ho anao manokana, raha mahatsiaro ny sorona faratampony nataon’ny Mpamonjy ho anao. Aoka isika hiray hina hitalaho fahasitranana manerana an’izao tontolo izao.

Ny Zoma Masina no andro tena tsara hihainoan’ny Raintsika any An-danitra sy ny Zanany antsika!

Ry rahalahy sy anabavy malalako isany, maneho ny fitiavako lalina ho anareo aho, miaraka amin’ny fijoroako ho vavolombelona ny amin’ny maha avy amin’ Andriamanitra ny asa izay irotsahantsika. Ity no Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Izy no mitarika izany ary mitantana izay rehetra ataontsika. Fantatro fa hamaly ny fitalahoan’ny vahoakany Izy. Izany no hijoroako ho vavolombelona amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.