2020
Loholona Adeyinka A. Ojediran
Mey 2020


Loholona Adeyinka A. Ojediran

Fitopololahy Manampahefana Ambony

“Faran’ny herinandro tsy hay hadinoina” ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany volana aprily 2020 ho an’ny Loholona Adeyinka A. Ojediran.

Notohanana ho Fitopololahy Manampahefana Ambony ity olona niova fo tao amin’ny Fiangonana ity, izay vao voalohany no nitrangan’izany ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany iray avy any Nigéria sy ny faritra Afrika Andrefana. Vao mainka nitombo ny fankasitrahany sy ny fifaliany lehibe rehefa nambaran’ny Filoha Russell M. Nelson fa haorina any Benin City ny tempoly fahatelon’i Nigéria.

“Tsy nampoiziko mihitsy izany,” hoy ny Loholona Ojediran tamim-pitsikitsikiana. “Tena nahafinaritra tokoa ny naheno ny mpaminanintsika nilaza fa hisy tempoly iray hafa haorina any Nigéria. Ho ahy izany dia fanamafisana fa mandroso haigana ny asan’ny Tompo. Misy zavatra maro tokony hataontsika rehetra mba hanomanana ny zanak’ Andriamanitra amin’ny Fiavian’ny Zanany Fanindroany.”

Naterak’i Amos Adeniyi sy i Caroline Anike Ojediran tany Ibadan, Nigéria izy tamin’ny 5 aprily 1967. Nahazo mari-pahaizana licence en botanique tany amin’ny University of Ilorin i Adeyinka Ayodeji tamin’ny 1991, nialoha ny nahazoany mari-pahaizana maîtrise en gestion d’entreprise avy tao amin’ny Ladoke Akintola University of Technology. Niasa teo amin’ny sehatry ny fandraharaham-bola sy ny fitantanana orinasa izy, ka expert-comptable (mpahay manokana ny sora-bola) no asany tao anatin’izany. Mpitantana ny fandraharaham-bola tao amin’ny Shell Nigeria izy nialoha ny nahazoany ilay antsony ho Manampahefana Ambony.

Telo taona taorian’ny batisany dia nihaona tamin’i Olufunmilayo Omolola Akinbebije izy nandritra ny lanonana iray. Niaraka izy roa tamin’ny farany, saingy ny fiasana tany amina tanàna anankiroa samy hafa dia nidika hoe “nifanerasera tamin’ny alalan’ny telefaonina fotsiny izahay.”

Tamin’ny farany dia nivady tany Nigéria izy ireo tamin’ny 1998 ary nofehezina tao amin’ny Tempolin’i Johannesburg Afrika Atsimo tamin’ny 14 nôvambra 2002. Manan-janaka vavy tokana ry Ojediran mivady.

Feno fankasitrahana an’ireo antso rehetra noraisiny tao amin’ny Fiangonana ny Loholona Ojediran nanomboka tamin’ny naha-mpikamban’ny Fiangonana azy tamin’ny 1990 fony izy 23 taona. Nanampy azy hivoatra ireo asa ara-panahy izay nampiandraiketina azy ary nanome azy fahafahana masina mba hanampy ny hafa hivoatra ao anatin’ireo antso sy andraikitra sahanin’izy ireo avy.

Ny Loholona Ojediran dia Fitopololahin’ny Vondromparitra tamin’ny fotoana niantsoana azy. Izy koa dia efa mpanolotsaina tao amin’ny fiadidian’ny misiôna, filohan’ny tsatòka, mpanolotsaina tao amin’ny fiadidian’ny tsatòka, eveka, mpanolotsaina tao amin’ny episkôpà ary filohan’ny sampana.