2020
Bradley R. Wilcox
Mey 2020


Bradley R. Wilcox

Mpanolotsaina faharoa ao amin’ny fiadidian’ny Zatovolahy maneran-tany

Nandritra ny fandraisany anjara tao anatin’ny fihaonamben’ny zatovo iray tany Californie, dia nihaona tamina zatovolahy iray izay tsy naniry ny hanatrika izany i Bradley (Brad) R. Wilcox. Nandeha namonjy ilay zatovo nipetraka teo ambanin’ny hazo nisy malomaloka izy ary tsy ela dia niresaka momba ny lohahevitra tena tian’ny zatovo izy ireo dia ny —filalaovana planche à roulettes (skateboarding).

Nangatahin’ny Rahalahy Wilcox ilay zatovo mba hampiseho azy fomba vitsivitsy filalaovana ny planche à roulettes. Variana izy ka nasainy io zatovo io mba hanao fampisehoana filalaovana planche à roulettes mandritra ny Especially for Youth (Fotoana Manokana ho an’ny Zatovo) ny fotoam-pahavaratra tamin’izany fotoana izany. Tsy nazoto aloha ilay zatovolahy saingy nanaiky ihany tamin’ny farany. Niaina zavatra nanova ny fiainany izy nandritra ny EFY ary nahazo fijoroana ho vavolombelona ho an’ny tenany manokana momba ny filazantsara.

“Noho ny planche à roulettes no nahatongavany tao amin’ny EFY saingy lasa misiônera izy rehefa nandao izany,” hoy ny Rahalahy Wilcox.

“Niaraka tamin’ny ankizy sy ny zatovo foana aho nandritra ny fiainako,” hoy ny Rahalahy Wilcox, “ary tiako ny zatovo.”

I Bradley Ray Wilcox dia naterak’i Ray T. Wilcox sy i Val C. Wilcox tao Provo, Utah, Etazonia, tamin’ny 25 desambra 1959. Lehibe tao Provo izy fa niaina nandritra ny taona vitsy monja nandritra ny fahazazany tany Éthiopie.

Rehefa avy nanompo tamin’ny fotoana feno tany amin’ny Misiônan’i Viña del Mar Chili ny Rahalahy Wilcox dia nanambady an’i Deborah Gunnell tao amin’ny Tempolin’i Provo Utah tamin’ny 7 ôktôbra 1982. Manan-janaka efatra izy ireo.

Ny Rahalahy Wilcox dia nahazo mari-pahaizana licence sy maîtrise avy ao amin’ny Brigham Young University ary doctorat en éducation avy tao amin’ny University of Wyoming. Nahazo mari-pankasitrahana maro noho ny asany teo amin’ny fampianarana Rahalahy Wilcox, ary nisahana ny fandaharan’asa Especially for Youth an’ny BYU nandritra ny 30 taona mahery ary nankafy ny naha-mpampianatra azy tao amin’ny Campus Education Week.

Nipetraka tany Nouvelle Zélande sy tany Espagne ny Rahalahy Wilcox sy ny fianakaviany tamin’izy nitantana ny fandaharan’asa fandrantoana fianarana any ivelany ho an’ny BYU. Nanoratra boky maro izy ary prôfesora ao amin’ny Departemanta misahana ny Soratra Masina Fahiny ao BYU amin’izao fotoana izao.

Ny Rahalahy Wilcox dia efa filohan’ny Misiônan’i Santiago Atsinanana Chili, mpikambana tao amin’ny filankevi-pitantanana maneran-tanin’ny Sekoly Alahady, mpanolotsaina tao amin’ny fiadidian’ny tsatòka, ary evekan’ny paroasin’ny tanora tokan-tena iray. Tamin’ny fotoana niantsoana azy dia mpikambana tao amin’ny filankevitra avo sy filohan’ny Zatovolahy teo anivon’ny tsatòka izy.